daily pastebin goal
44%
SHARE
TWEET

Sarasara tsy ambaka text sample

a guest Nov 13th, 2016 499 Never
Not a member of Pastebin yet? Sign Up, it unlocks many cool features!
  1. Sarasara tsy ambaka (rakitry ny Zaikabe merina, 1997-1999)
  2.  59
  3. mponina avy any Avaradrano. Ka noho io fanaparitahana an-dry zareo io indrindra ary no naha-
  4. tonga ireo Manisotra ho lasa “mpikarama an-ady” nanampy trotraka ireo fahavalon’Andrianam-
  5. poina rehetra, na ry zareo tany Vakinankaratra izany na ry zareo tany Imamo atsinanana. Avy eo
  6. anefa dia nanampy betsaka an’Andrianampoinimerina ry zareo ary lasa mpanompo anisan’ny
  7. natokisan’ny andriana indrindra aza, nakana mpiambina sy “troupes d’élites” (miaraka amin’i
  8. Mandiavato – ary indrindra moa ireo Zanakandrianato ! – teo amin’ny Hova ary ry zareo Tantsaha
  9. teo amin’ny Andriana, izay mpiady anisan’ny nalaza indrindra tamin’ny samy Merina).
  10. Ny manaraka dia ry zareo Manendy izay talohan’ny nampidirana azy ho anisan’ny Mainty dia toa
  11. nitoetra tamin’ny sisiny avaratra-andrefan’Imerina (Marovatana sy ampahan’i Vonizongo na
  12. avaratra-atsinanan’Imamo) mifanakaiky amin’i Tampoketsa (sahala amin’Anosivola, Anativola,
  13. Atsimondrano, sns.). Ny tena fiavian’ny Manendy dia tsy mbola mazava kanefa azo hinoana amiko
  14. fa mety ho ny sasany tamin’ireo “sakalava” mainty (izany hoe mponina an-tampoketsa, na fotsy na
  15. mainty, mivelona ampahafahana amin’ny voly sy ny fiompiana omby ary indraindray koa lasa
  16. “dahalo” mpandroba matetika an’Imerina tamin’ny taonjato faha-18. – Toa taty aoriana ary mety
  17. “par assimilation” angamba no nahatonga an’io anarana io hilazana koa ireo antsointsika ankehitriny
  18. hoe Sakalava!) taranaky ny Zazamainty. Ny fitadidiavana tantarantsika dia tsy miresaka loatra
  19. momba azy ireo kanefa misy “soratanana” vazaha iray tsy fantatra anarana tamin’ny tenatenan’ny
  20. taonjato faha-18 mitatitra1 fa “tsy ela loatra talohan’io” (izany hoe angamba tamin’ny taonjato faha-
  21. 17) dia nisy andian’andevon’ny Arabo na ny “Sakalava” afaka nandositra ny tompony ka nandroso
  22. taty ampovoan-tany ary avy eo dia nanafika an’Imerina. Toa nanahirana antsika ihany hono ny
  23. nanosika an-dry zareo (izay halantsika fatratra ary nantsointsika hoe “zazamainty”, anarana mbola
  24. niasa tamin’ny 1777 nandalovan’i N.Mayeur ary azo hinoana fa mety niavian’ny hoe
  25. “zazamanga”!2) kanefa resy ihany izy tamin’ny farany ary ny sisa tsy maty dia navela hitoetra
  26. tamin’iny faritra avaratra-andrefana iny. Nanomboka tamin’ny andron’Andrianampoinimerina dia
  27. natao mitovy sata tamin’ny Manisotra ireo Manendy (izay toa maro taminy no nanampy
  28. an’Andrianampoinimerina nandresy an’i Marovatana izay fantatra fa nanohitra azy mafy dia mafy
  29. tokoa!) izay nakana koa mpiambina nitokisana sy mpiady mahery.
  30. Ny fahatelo farany dia ry zareo Tsiarondahy (anarana niseho tamin’ny andron’Andrianampoina
  31. ka toa avy amin’ny hoe “Tserondahy” tokoa, na noho ny asa mafy mahatsemboka sy mahabe tseroka
  32. ampanaovina azy, na ny filaza azy ho “tserok’Andrianampoina”!3) izay toa karazana vaovao
  33. najoron’Andrianampoina hanangonana ireo olomainty samy hafa fiaviana mpanompon’andriana. Ny
  34. tena fiaviany izany dia ireo taranaka andevon’olon-tsotra nafahana na koa ireo babo avy any ivelany
  35. natokana ho an’ny fanompoana ny andriana sy ny asa an-dapa. Mazava amin’izany fa vetivety foana
  36. dia ry zareo no mainty lasa maro be indrindra. Ary koa matetika nanana fahefana betsaka satria
  37. tandapa ka lasa olona nitokisan’ny andriana. Raha azoko tsara dia tamin-dry zareo ohatra no nakana
  38. matetika ireo Tsimandoa nampiandraiketina ny fampitana hafatra rehetra tao amin’ny fanjakana. Ary
  39. tsy vitan’ny hoe mitondra hafatra tsy maintsy hankatoavin’ny rehetra ry zareo fa koa mpanatanteraka
  40. mihitsy ny didin’andriana ka natahorana fatratra. Izany hoe raha tsorina dia ry zareo mihitsy no
  41. sahala amin’ny hoe “polisy” angaha! (Hita mazava eto ny iray amin’ny “contradiction”-ny fanjakana
  42. merina satria alehon’ny andriana matetika miantehitra amin’ny Mainty izay fantany fa tsy afaka
  43. hanohitra azy mihitsy noho ny maha-vahiny tsy manana zo hanjaka azy toy izay ny hova hifani-
  44. 1
  45.  Cf. J. Valette : “Madagascar vers 1750 d’après un manuscrit anonyme”, Bulletin de Madagascar, 214, 1964, pp.
  46. 211-258
  47. 2
  48.  Satria efa miresaka an’izany ihany, ampahatsiahiviko fa ny hoe “Baomanga” indray dia toa vao fiantso taty
  49. aoriana be, toa hoe noho ny anaran’i Bao, tovovavy merina nihiran’ny Railovy tamin’ny fiandohan’ny taompolo faha-
  50. 60. Ny tena “baomanga” izany aloha dia tovovavy mainty tsara tarehy...
  51. 3
  52.  Eo anilan’izany moa dia miseho avy hatrany koa izany ilay dika faharoa hoe “tsy aro” na “tsy leon-dahy”,
  53. handokafana kely ny hambom-pon-dry zareo. Miseho indray ny eto ny toetra mampiavaka ny Merina tia mikaroka
  54. hatrany fomba tsy andratrana mivantana ka efa nahatonga ohatra ny fanovana ny “zazamainty” ho “zazamanga”.
  55. Sarasara tsy ambaka (rakitry ny Zaikabe merina, 1997-1999)
  56.  60
  57. nanany!). Ny satan-dry zareo Tsiarondahy anefa dia natao ho ambanimbany kokoa noho ny an’ny
  58. Manisotra sy ny Manendy satria tsy mba nanasina andriana ry zareo. Ny fanasinana anefa angamba
  59. no tena manome ny zon’ny “citoyen” rehetra, maha-“ambaniandro” tokoa. Izany hoe tsy tena olona
  60. “afaka” tanteraka ry zareo fa toa mpanelanefana amin’ny Manendy sy ny tena andevo mainty fotsiny
  61. ihany. Ny mampitovy an-dry zareo rehetra ireo anefa izany dia ny tsy fahafahany mihitsy
  62. mifanambady amin’ny tena merina, eny ka na hatramin’ny ireo Merina navarina natao “zazahova”
  63. (izany hoe nahidina ho andevo satria verin-trosa na noho ny heloka be-vava nataony kanefa tsy
  64. nahafoizana ny ainy!) aza. Ka izay rehetra mifanambady aminy dia lasa iray karazana aminy avokoa
  65. ary ny taranany na dia hoe safiotra ara-pirazanana aza ka miendrika “mamo sy merina” ihany avy aty
  66. ivelany dia tsy afaka hiverina ho hova na andriana intsony mandrakizay. Ry zareo samy mainty
  67. anefa dia mbola mifampiavona ihany koa satria ny Manisotra sy ny Manendy ohatra dia tsy mety
  68. hifangaro loatra amin’ny Tsiarondahy izay heveriny hatrany ho ambany ary maika moa ireo mbola
  69. tena andevo mainty izay tsy misy miraharaha mihitsy.
  70. Toy izany ny fipetraky ny raharaha tamin’ny andron’Andrianampoina sy Lehidama. Vao
  71. nanomboka anefa ny fanavaozana ny tafika ahatonga azy ho moderina dia mba nanomboka nihena
  72. avy hatrany koa ny lanjan-dry zareo teo amin’ny raharaham-panjakana. Hita tsara izany tamin’ny
  73. fananganan-dRadama ny “foloalindahy” voalohany tamin’ny taona 1822. Tamin’ireo miaramila
  74. 14.000 nomena fiofanana moderina mantsy dia 1000 fotsiny ihany sisa no mainty ary na ireo “troupes
  75. d’élites” 2000 natao “Voromahery” aza dia toa nalaina avokoa avy ao Avaradrano! Ary nitohy hatrany
  76. io fampihenan-danja an-dry zareo Mainty io tamin’ny andron-dRanavalona, noho ny fiakaran’ireo
  77. Hovan’Avaradrano indrindra koa izay matetika mahana hatrany amin-dry zareo, ary indrindra moa
  78. amin’ny Manendy sy ny Manisotra. Noho ireo ady nataontsika tany anindrana anefa dia tsy nitsahatra
  79. niha-maro hatrany ny isan’ny andevo taranaky ny babo teto Imerina, izay hatramin’ny tenantenan’ny
  80. taonjato faha-19 angaha dia toa hoe efa nanomboka maro an’isa kokoa tao Antananarivo (ary
  81. ampahatelon’ny mponin’Imerina!). Izany hoe sady nitombo isa ry zareo no nihena fahefana tsotra
  82. izao ary izay rehetra sendra tafakatra aminy dia tsy miraharaha intsony izay any ambany!
  83. Na izany aza anefa dia nanana fahefana lehibe teo amin’ny raharaham-panjakana hatrany ny
  84. loholon-dry zareo. Voalohany indrindra aloha izany dia avy amin-dry zareo foana ny mpitantana
  85. rehetra ny raharahany manokana ary na tao amin’ny tafika aza dia toa nisaraka ny andihiny nisy
  86. an-dry zareo. Izany hoe ny manam-boninahiny hatramin’ny jeneraly dia mainty hatrany ihany koa.
  87. Tsy fantatro mazava anefa raha toa ka afaka nibaiko miaramila tsy mainty koa ireo
  88. manamboninahitra mainty ireo. Teo amin’ny fitondrana indray dia azo lazaina angaha fa manaraka
  89. mihitsy ny praiministra (izay fantatra fa, “de facto” dia lehiben’ny Hova hatrany!) ny lehiben’ny
  90. Mainty. Hita amin’izany fa, tao anatin’Imerina dia toa tena “nation parallèle” izany ry zareo.
  91. Manompo ny Andriamanjaka ary manoa koa ny lehiben’ny Hova kanefa, ivelan’izany dia toa
  92. nizaka-tena manokana. Ary mety ho izany indrindra angamba no antony nilazana an-dry zareo ho
  93. “enin-dreny” na dia fantatra aza fa “telo reny” ihany izy raha ny tena marina. “Enin-dreny” mba
  94. hifanojo amin’ny enin-tokon’Imerina izay nitarafany kanefa tsy nahafahany mifangaro tanteraka.
  95. Tamin’ny andron’Andrianampoina dia i Tsiampiry, manendin’Anosivola ary mpiandraikitra koa
  96. ny raharaha miaramilan’i Marovatana sy mpanolo-tsainan’ny Andriamanjaka no natao lohan-dry
  97. zareo. Taty aoriana dia i Rainingory, tsiarondahy avy any Imamo, nateraka vehivavy zazahova no
  98. ambony laharana indrindra taminy. Avy eo raha tsy diso aho dia toa i Rainimarovavy angaha, izay
  99. mbola tsiarondahy ihany koa (hita eto fa lasa toan’ny “hovan’ny Mainty” ny Tsiarondahy!). Ary
  100. farany, tamin’ny nahatongavan’ny Vazaha dia i Rainianjanoro, zafikelin-dRainimarovavy no fantatra
  101. indrindra tamin’ireo lohan’ny Mainty. I Rainianjanoro moa izany dia mpanampy trotraky ny Vazaha
  102. (miaraka amin-dRasanjy sy Ramahatra!), nandray anjara betsaka tamin’ny fanapotehana ny
  103. Menalamba, ary avy eo ny tolon’ny VVS.
  104. Nanomboka hatreo amiko no tena nisehoan’ny fisarahan’ny Merina sy ny Mainty. Marina fa ny
  105. iray tamin’ireo filoha tampon’ny Menalamba dia i Rabezavana izay manendy marofotsy kanefa na
  106. Sarasara tsy ambaka (rakitry ny Zaikabe merina, 1997-1999)
  107.  61
  108. ny fihetsik’ilay io aza dia toa efa mampiseho disadisa koa. Fantatra mantsy fa, noho ny fifanarahany
  109. tamin-dRainianjanoro indrindra dia i Rabezavana no lehiben’ny Menalamba nilavo-lefona
  110. voalohany ka sady nahakivy ireo mpiara-mitolona aminy izany no izy tenany koa dia nanampy
  111. betsaka ny Vazaha avy eo mba hitaona ireo namany mbola nitohy niady, ary indrindra moa izany
  112. Rabozaka, hilavo-lefona hoatr’azy koa. Ka noho izany dia manontany tena mihitsy aho hoe tokony
  113. heverina toy ny mpamadika koa angamba i Rabezavana?
  114. Ary taty aoriana dia fantatra izany ny tena toerana lehibe (raha tsy voalohany!) notanan’ireo
  115. Mainty tamin’ny fananganana ny Padesm izay avy hatrany dia niseho toy ny “machine de guerre”
  116. manohitra ny MDRM. Ary tsy teo amin’ny sehatra politika ihany no nafantony ny resaka fa teo
  117. amin’ny resaka firazanana mihitsy izay hita fa raharaha faran’izany nanitikitika azy indrindra. Avy
  118. eo anefa dia voasongon’ireo tanindrana mora fotsiny ry zareo ka lasa nangaina tery satria tsy nisy
  119. mpiraharaha mivantana intsony. Marina fa tamin’ny fiakaran’Andriamanjato izay azo heverina toy
  120. ny karazana manendy (sa tsiarondahy ?) koa angaha dia nahazo vahana teo andohan’ny antoko
  121. politika tohanan’ny Merina maro ny iray tamin-dry zareo kanefa iaraha-mahita ankehitriny ny
  122. vokatr’izany. Sady namahan-dalitra sy nanageja tsy namela ny Merina hihetsika nandritra ny 40
  123. taona mantsy izao ny AKFM no tsy nanao na inona na inona koa ho an’ireo Mainty. Ary toy izany
  124. tanteraka koa ny Pisodia mpandova rahateo ny Padesm, sy ny MFM, izay fitaovan’ny Betsileo
  125. mpisoloky mainty fotsiny (ampian’ny “avara-pi” merina sasany diso tolona angaha!), ary ny hafa
  126. rehetra. Mba sendra tafakatra moa izany ireny Ratsimandrava (izay ho antsika anefa dia tsara ho
  127. fantatra ihany fa zanaka padesmista ary nitetika indrindra koa ny hampiakatra ny Mainty havany
  128. aloha amin’ny alalan’ny fanomezana azy ireo ny “tanim-pokonolona” mbola nitoetra teo ampela-
  129. tanan’ny fianakaviana andriana sy ny hova!) dia herinandro fotsiny no nomen’ny forongon-
  130. dRatsiraka azy! Ary na dia mpiaro ny TTS sy mpanapotika ny mpanao kung-fu aza Rakotoarijaona
  131. dia angamba sarotra heverina toy ny mpanasoa tokoa ireo havany mainty.
  132. Toy izany ary amin’ny ambangovangony ny fomba fijeriko ny tantaran’ireo Mainty enin-dreny
  133. ireo. Ka ny fanontaniana tsy maintsy mipetraka ankehitriny dia ny hoe inona no mety hoaviny eo
  134. anilantsika izay tsy maintsy iarahany monina koa? Na amin’ny filaza hafa, ahoana no fomba
  135. hitsinjarana ny fahefana rahampitso eto Imerina? Tamin’ny andron’ny Fanjakana Merina dia
  136. mazava ny resaka satria antsika avy amin’ny zon’ny tompon-tany voa-janahary ny fahefana
  137. rehetra ary noho ny fanapahantsika irery sy ny fandanjalanjana ny tokony ho anjaran’ny
  138. karazan’olona tsirairay avy no nitsinjarantsika ny andraikitra sy ny fitondrana. Nanana ny zo sy ny
  139. toerany manokana ary ireo Mainty ary na dia teo aza ny disadisa tsy maintsy nitranga dia azo
  140. lazaina fa, tamin’ny ankapo-beny dia nahafatra-po an-dry zareo ihany izany. Ankehitriny anefa dia
  141. niova tanteraka ny fipetraky ny raharaha.
  142. Voalohany indrindra aloha dia tsy manana fahefana na inona na inona intsony isika ary tsy
  143. mahafantatra tsara akory na ny zo na ny tena “identity”-ntsika marina! Ny hany mbola eo ampelan-
  144. tanantsika angaha dia ny firazanantsika melayu sy ny “hambom-po” kely maha-merina ary,
  145. ankehitriny, ny faniriana hiharina sy hitolona na inona olana sy fanakanana tsy maintsy sedraina na
  146. inona. Ka noho ireo indrindra (ary koa izany ny “fifohazana tampoka” naterak’iny fandorana
  147. an’Anatirova iny!) dia toa manana tombony kely isika miohatra amin-dry zareo izay mbola “matory”
  148. lavitra noho isika indray ary tsy mahafantatra mihitsy koa hoe iza marina ry zareo, inona ny
  149. tantarany ary toy ny ahoana ny tokony ho toerany marina eto Imerina (ka antony hamikiran-dry
  150. zareo mafy koa amin’ny “identity malagasy” izay hany tazan’ny masony!). Ny olana ho antsika dia
  151. tsy ny tena M6R irery intsony (izay angamba eo amin’ny 10% ny olomainty teto Imerina ihany?) no
  152. manoloana antsika fa koa ireo taranaka andevo rehetra izay, hatramin’ny nanafahana azy dia lasa
  153. karazana Mainty ihany koa, azo atao hoe anisan’ny Tsiarondahy vaovao tsotra izao angaha. Ary eo
  154. ambonin’izany moa dia mbola eo koa ireo mpiavy maro, ary indrindra Betsileo nanorim-ponenena
  155. manerana an’Imerina. Hany ka raha toa heverina araka ny fijerin-drazana fa izay rehetra efa lasany
  156. dia azy ireo tanteraka koa dia tsy ilaina akory angamba ny misalasala amin’ny filazana fa maro
  157. an’isa lavitra noho isika ry zareo eto Imerina ankehitriny!
  158. Sarasara tsy ambaka (rakitry ny Zaikabe merina, 1997-1999)
  159.  62
  160. Ka raha izany ary, mba tsy ahatototra sy aharingana mora fotsiny antsika dia tsy maintsy
  161. mamikitra amin’ny tantara sy ireo vakoka miantoka ny “hasin’ny tany”, ary koa ny firazanantsika
  162. manokana isika mba hiarovana ny zontsika ka ahafahantsika mitaky hatrany fahefana manokana
  163. eto amin’ny tanindrazantsika. Anjarantsika ary hoy aho no mamaritra hoe rafi-pitondrana toy ny
  164. inona marina no tokony hajoro amin’izany.
  165. Mandra-pahafantatra izay mety ho valiny mahafatra-po anefa dia ireto araka ny fiheverako no
  166. zavatra tsy maintsy tonga dia tandremantsika.
  167. Ny voalohany ary dia ny tsy hizarana mihitsy izany an’io anarana hoe “merina” io izay
  168. ankehitriny dia lasa “fiarovana” tsotra izao ho antsika. Raha ariantsika na zaraintsika amin’ireo
  169. mponin’Imerina hafa rehetra mantsy io dia tsy misy afaka hampiavaka manokana antsika intsony
  170. ankoatra ny hoe “merina fotsy” angaha! Kanefa raha izany, ataontsika ahoana no fomba hitakiana zo
  171. manokana hiavahana amin’ny hafa? Ary koa, alalana avy aiza no ahafahantsika mitaky ho antsika ny
  172. ampahany “masina” indrindra (izany hoe ny “essentiel”!) amin’ny fitondrana ka hamela antsika
  173. hanome “dika” sy “hasina” an’Imerina, na dia hoe amin’ny fankalazana sy ny fisafidianana ny
  174. anarana olomanga omen-kaja amin’ny arabe fotsiny ihany aza? Moa va tsy ho azo lazaina avy
  175. hatrany koa fa toetra ratsy sady maneho “fanavakavahana” no mampisara-bazana ny “samy merina
  176. ihany” izany filazana ho “merina fotsy” mifanohitra amin’ny “merina mainty” na hafa izany? Ny
  177. valiny moa dia mazava ary mampiharihary tokoa ny maha-“vital” ny fahasarotan-piarontsika
  178. amin’ny fiarovana an’io anarana io.
  179. Ny faharoa dia ny famikirantsika amin’io “resaka nusantara” io. Tsy hoe noho ny fanampiana
  180. mety ho azo avy amin’ireo havana any AAA ihany (amiko tena “secondaire” mihitsy aza io lafin-
  181. javatra io!) fa koa mba ahafahana manavaka tokoa sy mampiray indray ny tena merina. Sady izay
  182. moa io ihany koa izany no hany fomba hanomezana “dika” tanteraka ny fahasamihafantsika sy ny
  183. tena “identity”-ntsika marina! Ka na vitsy an’isa aza isika eto Imerina dia tsy maintsy hiseho hatrany
  184. foana toy ny mponina hany afaka “manome hasina” ny tanindrazantsika! Izany hoe raha toa ka tsy
  185. eo amin’ny maha firenena nusantara iringiriny antsika isika dia ho lasa tany kiringa “afro-asiatika”
  186. sahala amin’ny hafa rehetra tsotra izao Imerina, sady menatra ny tantarany izay tsy ho azony zakaina
  187. akory no tsy afaka mirehareha amin’inona na inona intsony koa. Hany ka na ny tokony iavahany na
  188. isarahany amin’ireo faritany “samy malagasy” hafa aza dia toa tsy misy antony loatra intsony! Ary
  189. ho antsika, inona tokoa moa no tokony mbola hiavonana indray amin’ny Sakalava sy ny Betsileo
  190. raha toa ka efa miaro amin’ny Manendy sy ny Tsiarondahy, izay fantatra fa efa avy amin’ny
  191. Sakalava sy ny Betsileo na tanindrana hafa rahateo koa, ny fianakaviantsika!
  192. Ka raha izany dia azo lazaina fa tena antoky ny fisian’ny firenena merina tsotra izao ankehitriny
  193. ny famikirantsika amin’ny tontolo nusantara fa tsy hoe noho ny hambom-po diso teorana na ny
  194. fitiavan-tena fotsiny ihany akory! Ary raha tsy misy io dia sady ho maizina ny hoavintsika no ho
  195. very tanteraka koa ny tantara sy lovandrazantsika manontolo...
  196. Ny hany ala-olana izany hoy aho dia ny faneken’ny rehetra tsotra izao ny fisiana “firenena roa”
  197. samy hafa eto Imerina. An-daniny ny tena merina izay taranaky ny tompon-tanindrazana
  198. voalohany manana ny hasiny manokana ary hany afaka koa manome hasina manokana an’Imerina
  199. ary ankilany ireo mponin’Imerina hafa rehetra. Ary ao anatin’ireto voalaza farany ireto indrindra ary
  200. ireo Enindreny izay azo lazaina tokoa angaha fa “firenena vaovao” voatery tsy maintsy mbola
  201. mikaroka ny marika mamaritra ny maha-izy azy manokana. Sarotra lavina anefa fa tsy maintsy
  202. hiseho hatrany toy ny kiringa ry zareo, sahala amin’ireo mainty hoditra amerikana ohatra miohatra
  203. amin’ireo fotsy notompoiny taloha ary voatery iarahany miaina ankehitriny. Izany hoe mpampiasa
  204. tanteraka ny fomba sy ny fiteny izay vokatry ny lovan’ny sasany iarahany miaina indrindra
  205. indrindra. Ny ampahany betsaka amin’ny tantaran-dry zareo koa dia mifangaro amin’ny
  206. tantaran’ny hafa izay manoloana azy anefa dia miseho hatrany toy ny tompony be be kokoa
  207. hatrany. Noho izany dia tsy maintsy ahatsapa-tena toy ny maty antoka kely foana ry zareo kanefa
  208. io no zava-misy tsy azo hodivirana ka dia ny manamboatra saina sisa no hany fahendrena. Ny
  209. Sarasara tsy ambaka (rakitry ny Zaikabe merina, 1997-1999)
  210.  63
  211. fandavana an’io toe-javatra io mantsy dia miafara tsotra izao amin’ny faniriana hanapotika ny tena
  212. merina mba ahatonga ny mponin’Imerina rehetra ho samy kiringa! (Toetra izay raha izany dia
  213. maneho tanteraka koa ny antsoina mahazatra hoe “lohan’andevo” tokoa!). Tsy misy antony tokony
  214. hanekentsika an’izany anefa satria famonoan-tena ankitsirano izany ary ny faharavan’ny “firaisana
  215. malagasy” sy ny fanandratana ny “identité ethnique” nentin-paharazana fohazin’ny toe-trandro
  216. ankehitriny dia lasa manampy antsika hiaro hatrany ny maha-merina antsika.
  217. Ka ny olana mipetraka dia ny hoe, ahoana tokoa ary no fomba ahafahan-dry zareo mampiseho ny
  218. fiavahan’ny firenen-dry zareo manoloana sy eo anivon’ny firenentsika manokana izay tsy maintsy
  219. hajain-dry zareo rahateo koa ny zony amin’ny maha-mpialoha lalana sy tompon-tany voalohany
  220. azy? Ny valiny anefa moa dia ry zareo ihany izany no afaka manome azy na dia angamba afaka
  221. manampy kely an-dry zareo ihany aza isika. Sady izay mazava fa ny famaritana ny endriky ny
  222. firenen-dry zareo io dia tsy maintsy voafetran’ny fisehoan’ny endriky ny firenentsika rahateo koa.
  223. Ka asa ary izay fomba hamaritan-dry zareo tokoa ny tantarany. Tamin’ny taonjato lasa dia efa
  224. nanomboka nipetraka tamin’ireo lehiben’ny Mainty io olana io ary fantatra ohatra fa i
  225. Rainimarovavy, izay avy eo nodimbiasin-dRainianjanoro dia namosaka ilay teorian’ny “vazimba
  226. mainty” (nolovaina tamin’ny fampianarana vazaha izay nanomboka niely teo amin’ireo nahita
  227. fianarana!) mba ahafahana miseho toy ny tompon-tanindrazana tanteraka “voasongon’ny mpanani-
  228. bohitra malay” eto Imerina.1 Fantatra koa ohatra ny “fiadiavam-barotra” nataon-dry zareo mba
  229. hampisehoana fa ny mpiady Manisotra no tena “tandroky” ny tafika merina tamin’ny
  230. andron’Andrianampoina izay nampitain’i mopera Malzac2 indrindra ary vao naverimberin-dry
  231. Domenichini mivady3 mpisolelaka azy. Ary azo vinaniana avy hatrany fa amin’ny hoavy dia tsy
  232. hitsahatra hanatsatso antsika sy hampihena hatrany ny lanjan’ireo razantsika (amin’ny maha-olona
  233. Nusantara azy!) teo amin’ny tantaran’Imerina sy Madagasikara ry zareo!
  234. Tokony tsy hanohina loatra antsika anefa moa izany (fihetsika “de bonne guerre” rahateo koa
  235. hoy ny Vazaha!) raha toa ka tsy manakana antsika velively hampianatra sy hanasandratra eo
  236. amin’ny vahoakantsika ny fijerintsika manokana. 4 Kanefa eo anivon’ny “fanasinana ny tany” dia
  237. tsy maintsy manaja ny “fadim-pirenentsika” koa araka ny efa nolazaiko ry zareo. Azon-dry zareo
  238. 1
  239.  Rainianjanoro, Tantara nataon-dRainianjanoro, 16Vtra. Antananarivo, tsy misy daty. Miharihary mantsy fa ny
  240. tena loharanon’io filazana io dia ny fiheverana avy hatrany fa tokony tsy maintsy karazana “pygmées” mainty hoditra
  241. avy any Afrika ny mponin’i Madagasikara voalohany ary mpanani-bohitra tonga taty aoriana fotsiny ireo “melayu”
  242. nanaranaka indrindra ny Merina. Ny fitantaran’ny Ntaolo rehetra momba ny hoe “vazimba” anefa dia tsy ahitana
  243. mihitsy fiheverana toy izany satria aminy ireo dia karazana olona somary “hafahafa” angamba (fohy ponetana, lava
  244. nify, indraindray fisa-doha, lava volo mirefarefa amin’ny tany, tsy mihinan-tsira, sns.) fa tsy hoe hafa firazanana
  245. velively ary indrindra moa, tsy mainty hoditra mihitsy. Ka matoa ary ry zareo Mainty fahiny namorona indrindra an’io
  246. filazana hoe “vazimba mainty” io dia satria tamin’izany fotoana dia tsy mbola tsapa velively fa ny tena “vazimba” dia
  247. mety ho mainty hoditra. Moa va tsy noheverina indrindra koa fa ny karazana na foko manokana sahala amin-dry zareo
  248. Antehiroka na koa ny mponin’Imamo dia taranaka “vazimba” iringiriny! Noho izany koa ary dia azo heverina fa ilay
  249. hoe Isora, izay toerana voalazan’ny lovan-tsofiny mainty sasany (avy amin’iza marina? Tsy voalaza mazava) ho
  250. fonenan’ny razan-dry zareo dia tsy voatery ho Alasora velively akory. Moramora kokoa mihitsy aza no mihevitra fa raha
  251. nisy tokoa ny hoe “Isora” dia angamba toerana tany avaratra-andrefan’Imerina manakaiky ny Tampoketsa tany fotsiny.
  252. 2
  253.  V.Malzac, RP. Tantaran'ny Andriana nanjaka teto Imerina. Antananarivo, 1909 ; Histoire du royaume hova,
  254. depuis ses origines jusqu'à sa fin. Antananarivo: Imp. Catholique, 1912.
  255. 3
  256.  B.Domenichini-Ramiaramanana & J.P.Domenichini, "Regards croisés sur les Grands Sycomores ou l'armée noire
  257. des anciens princes d'Imerina", in Cheminements, écrits offerts à G.Condominas, Paris, ASEMI, XI, 1980, 1-4, tkl. 55-95
  258. 4
  259.  Anisan’ny antony hilana indrindra koa ny fampisarahana ny fampianarana tantara eo amin’ny roa tonta. Ary
  260. maika moa fa tsy ny fiheverana momba ny tantaram-pirenena isany avy ihany no sarotra ifanarahana toy izany fa koa
  261. ny fanomezan-danja ny tantaran’ny any ivelany. Ho antsika ohatra dia tokony tsy hamakian-doha loatra ny tantaran’i
  262. Afrika tsy misy ifandraisana mivantana amin’ny antsika, raha tsy hoe angaha amin’ny fandraisana azy toy ny
  263. sombin’ny tantaran’izao tontolo izao. Ho an-dry zareo anefa izany dia tokony ho zava-dehibe mihitsy. Ary heveriko fa
  264. mbola toy izany koa ny fiheverana momba ny tontolo manodidina ankehitriny, ny karazam-piteny tiana ianarana, ny
  265. lahatsoratra, ny hairaha na zava-kanto mety hisarika manokana, ny olomanga tiana deraina, sns. Ka alohan’ny hitady
  266. “compromis” manavasoka na manatsatso ny isany avy fotsiny dia aleo tsotra izao samy mahaleotena.
  267. Sarasara tsy ambaka (rakitry ny Zaikabe merina, 1997-1999)
  268.  64
  269. atao eo anivon’ny fiaraha-monina (ao Antananarivo ohatra!) ary izany ny manasandratra ireo
  270. olomangan-dry zareo rehetra (izay efa maromaro ihany raha tena karohina tokoa!) ankoatr’ireo
  271. fahavalo nitetika ny hanapotika tsotra izao ny firenena Merina, sahala amin-dry Rainianjanoro
  272. indrindra! Ny ohatra azo raisina avy hatrany amin’izany angamba dia ny olona sahala amin’dry
  273. Ratsimandrava na koa ry Rabezavana. Tamin’ireo taloha moa dia eo izany ry Tsiampiry, ry
  274. Rainingory, ry Rainingitabe, sns. Amin’ireo manam-pahaizana sy mpanao zava-kanto nanan-
  275. talenta indray dia toa tsy manahirana ny fisafidiana: Caleb Razafimino, Charlotte Razafiniaina,
  276. Odeam Rakoto, Razilina, ny Surf, sns.
  277. Ny mampanontany tena tanteraka ahy dia ireo olon’ny Padesm sady nanenjika no nitsinjaka
  278. fatratra tamin’ny fanitsahana merina sahala amin-dry Ramambason ohatra! Ka amiko dia toa tsy ho
  279. azoko zakaina ny hamaky ny anaran’ilay io eo amin’ny lalan’Antananarivo. Kanefa ho an’ny zavatra
  280. mikasika an-dry zareo manokana tsy hidiran’ny Merina dia toa tsy raharahiako loatra izany.
  281. Andraikitry ry zareo irery ohatra ny manangana “fikambanana Rainianjanoro” hatokana ho an’ny
  282. samy Mainty! Mazava anefa fa ny fireharehana amin’ny nataon’ny mpanenjika merina dia maneho
  283. faniriana hanao toy izany koa ka tsy maintsy hanelingelina sy ahamahana antsika foana.
  284. Kanefa moa araka ny efa nolazaiko, tsy maintsy mbola ho maro be ny antony hifanolanana ary
  285. izany indrindra no hilana mamaritra dieny izao ny “faritra” hamaharantsika! Ao ary izany ny
  286. zavatra tsy azontsika ekena mihitsy satria mamoa-fady, ao ny zavatra manelingelina kanefa mety
  287. ho azo hifanarahana ihany araka ny fotoana sy ny fomba fampisehoana azy, ary eo ny zavatra tsy
  288. mampaninona tsotra izao.
  289. Ka mba ahitana ny marina sy izay tokony hatao tokoa ary dia tsy maintsy manomboka mihevitra
  290. ny hampivondrona ny firenen-dry zareo koa ankehitriny ry zareo, eo anilan’ny antsika manokana.
  291. Sady izay moa io ihany no hany fomba afaka manakana an-dry zareo tsy hisisika sy hisavika antsika
  292. na koa hamikitra hatrany amin’ny “resaka malagasy” mba hanakanana antsika tsy hijoro. Rehefa
  293. tanteraka izany dia azo atao ny fifanarahana amin’ny fepetra momba ny fiaraha-monina sy ny
  294. fitsinjarana ny fahefana ary ny fitondrana iombonana, ao anatin’ny fanajana ny fahasamihafana sy
  295. ny zon’ny firenena tsirairay avy ho velona sy hiroborobo.
  296. Ka dieny izao dia ireo rehetra ireo no tsy maintsy heverina hatrany amin’ny fifandraisana sy ny
  297. fifampiresahana amin’izay mijoro ho solontenan-dry zareo ankehitriny. Ny tokony ho
  298. tandremantsika ary dia ny tsy hanafangaroana mihitsy ny paika sy ny tetikady ary ny tanjona. Ny
  299. tanjona ho antsika dia ny ahavelona ihany amin’ny fananganana ny firenena merina mahaleotena
  300. eo ambanin’ny fahefantsika indrindra indrindra; ny tetikady dia ny sori-dalana arahina mba
  301. ahatratrarana an’io tanjona io (ka ao anatin’izany indrindra ary ohatra ny fanipahana ny filazana
  302. hoe “malagasy”, ny fiarovana ny anarana hoe “merina”, ny famikirana amin’ny “resaka
  303. nusantara”, ny “fandalovana” amin’ny fananganana “confédération”, ny fitakiana ny hamindrana
  304. ny renivohitra malagasy tsy ho ao Antananarivo, sns.) ary ny paika kosa dia ny fomba handaharan-
  305. dresaka sy ny fihetsika andavan’andro manoloana ireo olona ilaina hifanarahana na koa ireo
  306. fahavalo tiana ho resy lahatra. Ka aoka ary isika tsy ho sondrenan’ny fandrindrana paika na koa ny
  307. fisafotofotoan’ny tetikady (amin’ny alalan’ny “compromis” mitady ho “fetsy” loatra ohatra ka
  308. mety hifototra amintsika indray!) ka tsy ahatazana intsony amin’ny farany ny tena tanjona ilaina
  309. tratrarina!
  310. Izay indray ary aloha!
  311. Tefy.
  312. Sarasara tsy ambaka (rakitry ny Zaikabe merina, 1997-1999)
  313. 65
  314. [Imerina faha-25 Novambra 1997]
  315. Sarasara tsy ambaka ny mpiray dinidinika eto!
  316. Nahafaly ahy tokoa ny namaky ilay taratasin’i Jonah farany1 izay rakotra soso-kevitra mani-
  317. tikitika ny saina ka mitaky fandinihina, ary koa izany fikarohana, lalina dia lalina. Ka raha izany
  318. dia mazava fa tsy amin’ny teny fohy tonga dia atao akony akory no ahafahana manome azy valiny
  319. mety ahafatra-po. Izany hoe mbola santatra kely fotsiny ihany ity atolotro ity, mba hanamafisana
  320. indrindra indindra ny fiheverana momba ny maha tena zava-dehibe ny ventin-dresaka. Ary eo
  321. ampandalovana dia handramako omena valiny koa izany ny fanontanian’i Mano.
  322. Ny momba ny tokony ho atao amin’ny lafiny politika moa izany dia mazava ny tsy maintsy
  323. mampihetsika antsika faingana satria tena mihazakazaka tokoa ny raharaha ary ny ahiana
  324. ankehitriny dia ny ahatratraran’ny tsy nampoizina antsika indray. Amin’ny andro sy volana
  325. manaraka moa izany dia efa azo vinaniana sahady fa tsy maintsy ho tanteraka “de facto” raha tsy
  326. “de jure” ny “fanafahan-tenan”’ireo faritany maro any anindrana. Ary indrindra raha toa ka tsy
  327. manao na tsy afaka manao na inona na inona, sahala amin’ny miseho ankehitriny manoloana ny
  328. fihetsiketsehana any Diego, ny fitondrana afovoany ao Antananarivo. Ary maika moa ohatra fa
  329. maty i Ratsiraka izay raha azoko tsara araka ny tatitra nasehon’i Mano dia efa hazo amoron-tevana
  330. tsy mahavita na inona na inona intsony ankoatra ny famikirana amin’ny sisa ainy sy ny tolo-
  331. hevitry ny manodidina azy, ary indrindra moa izany ny Vazaha. Ka avy hatrany dia mametraka
  332. fanontaniana koa amintsika io momba ny tetika azo ampiasaina izay tsy maintsy mba mifanojo
  333. hatrany amin’ny fiovan-javatra!...
  334. Raha toa tokoa mantsy ka ireo faritany any ivelany no misintaka aloha dia mety ho tsaratsara
  335. kokoa ho antsika ny manohana sy manosika azy handeha toy izay mandao azy mivantana.
  336. Amin’izay dia isika avy hatrany no handova voalohany ny zo sy ny andraikitry ny Repoblika
  337. Malagasy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ary koa ny ankamaroan’ny fananany. Ka na tsy
  338. 1
  339.  Taratasy tamin’ny 23 Novambra 1997 izay azo hitsongaina an’izao manaraka izao :
  340. « Na dia efa be ihany aza ny fanazavana momba ny Fandroana, indrindra ny tokony hamerenantsika azy ho andro
  341. lehibe indrindra eo amin'ny Firenena Merina, dia toa mbola mila fandinihana manokana izay ho "endriny vaovao"
  342. tokony ankalazantsika azy. Mazava ho azy moa fa tsy maintsy miainga amin'ny fototra nametrahana azy taloha ihany
  343. izany, saingy hampifanarahana amin'ny zavamisy ankehitriny fotsiny.
  344. Araka ny efa voalaza teo aloha moa dia "andro fifaliana" ny Fandroana, taom-baovao hanorenana fanantenana
  345. mibaliaka indray, aty aorian'ny andro faha-6 Novambra, nisaonana sy nieritreretana izay nanjo, ary izay mety hanjo
  346. antsika.
  347. Ny mba tiako asongadina dia angamba tsy tokony hafantoka amin'ny maha androm-piravoravoana azy fotsiny ny
  348. Fandroana, fa fanombatombanana koa ny toetoetran'ny tontolo iainana, noho ny tonon-taona misy azy. Ny tontolo
  349. iainana resahiko eto dia ny tany, amin'ny maha-fotom-pivelomantsika olombelona azy mivantana, fa tsy amin'ny
  350. maha-tahirin-javaboary arovana azy akory, toy ny amin'ny resaka efa fandrakotra antsika matetika. Ny fenitra dia mba
  351. ho sarom-piaro amin'ny fahavitan-tena ara-tsakafo ny Firenentsika.
  352. Ho an'ny maro moa dia miankina amin'ny famokarana ny tany izany fahavitan-tena izany. Ao Imerina dia izao
  353. faraparan'ny lohataona izao no tena fanaovana ny vinavina sy tombatombana eo amin'ny fambolena. Voalohany aloha,
  354. dia izao no fanombanana (bilan) ny vokatra, satria famaranana ny fotoam-piasana mafy indrindra eo amin'ny fambolena
  355. sy fikajiana ny tany: mampakatra ny voly ririnina, manomana ny taniketsa, mamadika ny tanimbary, manadio ny saha,
  356. miaro amin'ny afo, mamboly hazo, sns... (tadidinareo ao an-tanana tsara angamba fa toy izao ny fotoana nilofosako
  357. tamin'ny fambolena ireo "voanjomerina". Araka ny tatitra vitsivitsy tonga taty amiko dia maniry tsara hono izy ireo).
  358. Manaraka izany dia izao no fotoana tokony hiverenan'ny orana, mialoha ny tena fahavaratra. Asa raha io no mahatonga
  359. ny hoe "Asaramanitra" (Asara = fahavaratra).
  360. Ny tiako ambara izany dia mba hapetraka ho fifaliana noho ny asa sy ny vokatra vita ny Fandroana, ankoatra ny
  361. maha-andro fiderana sy fampivondronana ny fokontsika azy. Raha tonga ara-potoana moa ny oran'asara amin'io dia
  362. manampy ny fifaliana izany. Raha mbola tsy tonga (mety hitranga hono io noho ny el-nino) dia tsy maintsy tohizan'ny
  363. mpiara-monina amin'ny fiaraha-mihevitra avy hatrany ny lanonana, satria ... tsy manitra ilay asara! »
  364. Sarasara tsy ambaka (rakitry ny Zaikabe merina, 1997-1999)
  365.  66
  366. hiafara amin’ny fizarazarana tanteraka ny nosy aza ny resaka, dia ho tsara toerana kokoa hatrany
  367. isika amin’izay fifanarahana tsy maintsy tanterahina rehetra. Ary hatramin’ny fisafidianana izay
  368. toerana mety hasiana ilay “renivohitra” vaovao sy ny anjaram-pahefana avela ho azy satria ny olona
  369. hifampirahara amintsika izany dia efa mikendry koa indrindra indrindra ny fomba hiarovana ny
  370. “fahaleovantenany” manokana ka tsy mazoto hizaka loatra intsony ny fitsaban’Antananarivo
  371. amin’ny raharahany. Ka eo vao tena hiseho tanteraka toy ny “renivohitra simbolika” fotsiny ihany
  372. ilay izy satria tsy hisy hiraharaha mihitsy izay mety ho fahefana omena azy, raha toa ka tsy
  373. mifanaraka amin’ny tombontsoany manokana. Izany hoe, “de facto” dia tsy maintsy mbola aty
  374. amintsika foana aloha no hitodika ny mason’ny rehetra kanefa ity indray maka ity dia tsy hanana
  375. fahefana mivantana amintsika intsony ry zareo. Hiverina amintsika tanteraka Antananarivo, ho
  376. antsika ny fitantanana ny raharahany ary ho “mpangataka” fotsiny ihany sisa ry zareo raha toa misy
  377. hilany ny fanampiantsika!...
  378. Ka ny tena olana tokoa izany izao ho antsika dia ny fomba ahafahana maka ny fitondrana ao
  379. Antananativo. Sady izay moa manomboka manahy mihitsy aza aho ankehitriny fa, raha izao no
  380. mitohy, angamba mety tsy hisy – na tsy hisy dikany intsony! – akory ilay fifidianana antenimiera
  381. vaovao iombonana satria tonga dia ny antenimieram-paritany no hijoro. Kanefa moa toa tsy antony
  382. tokony tsy hikarakarana azy velively izany satria na amin’ny fomba ahoana na ahoana dia mila
  383. solontena, ary indrindra “occasion” hanehoana ny fisiantsika sy hanaparitahana ny hevintsika isika.
  384. Ary tsy maintsy ho tombony ho antsika mihitsy aza manoloana ireo antoko efa mijoro toan’ny
  385. fakomaina indrindra indrindra ny hisehoana avy hatrany toy ny “antoko” merina iringiriny, manana
  386. tsangan-kevitra sy rafi-pitondrana efa voadinika tsara. Ary raha tsy mahavita tena isika satria tsy
  387. ampy olona sy “logistika” dia tokony hatao izay fomba hifanarahana amin’ireo antoko tarihina
  388. merina hafa. Ka asa izay mety ho tokon’aina ohatra momba an-dRazanamasy (izay angamba efa
  389. manomboka “nilatsahin’ny fanahy masina” hatramin’ilay fihaonana tamin’ireo havana melayu?)
  390. na koa ny mpomba an-dRatsirahonana. Ny tena mety anefa moa dia ny ahafahana mampifanaraka
  391. ny rehetra manodidina (na dia mbola somary lavidavitra kely ihany aza!) ny tsangan-kevitra efa
  392. novelarintsika!... Kanefa moa na izany na tsy izany dia tokony tsy hanaiky hatelin’iza na iza mihitsy
  393. isika fa fifanampiana amin’ny famonjena rano vaky fotsiny ihany aloha no tokony heverina
  394. miaraka aminy. Mazava loatra mantsy fa ny “idealin”’ireo antoko efa mijoro rehetra ireo, ary
  395. indrindra moa ny ao ambadik’ireo olona efa teo amin’ny fitondrana dia ny hiverina hitondra
  396. hatrany aloha. Ary tsy fidiny ho an-dry zareo mihitsy ohatra ny ho voatery hitondra fotsiny ao
  397. Imerina satria ny nofinofin’ireo lehibeny dia ny ho tonga filohan’ny “repoblika malagasy”
  398. hatrany! Ary moa va tsy i Ratsiraka sy Zafy indrindra no nifidy an-dry zareo ka nahatonga azy
  399. amin’ny toerany ankehitriny?... Mandra-pahazoana porofo mivaingana ary fa ny soan’ny firenena
  400. Merina tokoa no tena tanjon-dry zareo dia manana adidy ho mahana hatrany aminy isika!
  401. Izany hoe ny tokony ho tetikadintsika dia ny hanararaotana ny fisian-dry zareo fotsiny mba
  402. hivondronana sy hanaparitahana ny hevintsika. Ka rehefa tanteraka izany dia, na ry zareo no
  403. manatona antsika satria miaiky fa ny antsika no marina, na mba anjarantsika indray no manipaka
  404. azy tsotra izao. Sady izay moa raha toa ka ny hevintsika tokoa no marina, nahoana no ry zareo
  405. indray no hibodo toerana fa tsy hatolony antsika ny fitantanana ny raharaha!... (Efa voasoratro
  406. alohan’ny namakiako ny taratrasin’i José farany io kanefa hita mazava eto ny fifanojoan’ny
  407. eritreritra!).
  408. Momba ny anarana hoe “ambaniandro” indray toa toy izao amin’ny ankapobeny ny fahitako ny
  409. raharaha. Kanefa moa, araka ny mahazatra dia hatomboko amin’ny fampahatsiahivana tantara sy
  410. ny olana manokana mipetraka aminy ny resaka.
  411. Araka ny Tantaran’Andriana izany dia i Ralambo no voalaza fa andriana nanome voalohany ny
  412. fanjakany io anarana hoe “merina ambaniandro” io. Toy izao indrindra ohatra ilay “passage” (tsy
  413. ovako ny fanoratra azy mba ahitan’ny rehetra koa hoe toy ny ahoana marina ny fomba fanoratr’i
  414. Callet! Ary ampahatsiahiviko koa fa ny fanoratr’ireo avarapianarantsika sy ireo misionary
  415. Sarasara tsy ambaka (rakitry ny Zaikabe merina, 1997-1999)
  416.  67
  417. protestanta tamin’izany fotoana dia efa saiky mitovy tanteraka amin’ny fanaontsika ankehitriny):
  418. (1908, tak. 147).
  419. « 1° IZY NAHITA ANY MERINA. Efa azo ny ny zokimbohitra rehetra; efa niala tamy ny
  420. Andriamanelo ny Vazimba, dia ny itoerany Vazimba no sosohany Hova maka itoerana, dia mitoetra amy
  421. ny avo ny olona fah’izany: hatrany Angavoatsinanana, hatr’any Ambohitsitakatra avaratra, hatrany
  422. Andringitra andrefan’Ankaratra, hatr’any Ambohimanoa andrefana, hatrany Ankaratra atsimo: azy
  423. daholo, itoerany ny raza’ny sy ny hava’ny : “Atao ko i Merina ambaniandro ity, hoy Ralambo. Ary ny
  424. anaova’ko azy hoe i Merina: efa azo ko ny tendrombohitra rehetra, tsy misy tsy azo ko amy ny ‘zao
  425. ambany andro izao.” Ny avo rehetra efa azo ny daholo ety ambony; ny havoana ny avo mierinerina
  426. mahatsinjo ny iva rehetra, izany nanaovana hoe i Merin’ambaniandro no anarany ny fanjaka’ny :
  427. tsinjovina efa miharihary efa manerinerina amy ny tendrombohitra rehetra, ny masoandro no ambony.
  428. Ala daholo ny iva, ny avo koa misy ala koa, kanefa ny avo iteorany ny olona fah’izany; dia voa faoka
  429. izao avo rehetra izao, izay nanaovan’azy ambaniandro. »
  430. Hita mazava amin’io lovan-tsofina io ary fa efa hatrany mpiandohan’ny fanjakana merina
  431. mihitsy no anarana nampiasaina hatrany miaraka amin’ny hoe “merina” ny “ambaniandro”. Izany
  432. hoe angaha, raha toa ka tsy nampiasaina miaraka ireo teny roa ireo dia natao mitovy tanteraka
  433. hatrany. Ary fantatra fa toy izany indrindra no fomba fahatsapan’ireo foko any ivelany izay
  434. mampitovy tanteraka hatrany ny “merina” sy ny “ambaniandro”, na dia ho an’ny sasany aza dia ny
  435. “merina” no mahazatra kokoa ary ho an’ny sasany (indrindra moa izany ry zareo Betsileo!) dia ny
  436. “ambaniandro”.
  437. Ho antsika anefa dia toa nisy fanavahana kely hatrany ny fampiasana azy. Ka mba hampazava
  438. kokoa ny resaka dia hampahatsiahiviko kely aloha ny tena mety ho fiavian’ireo teny roa ireo, ary
  439. indrindra moa izany ny hoe “ambaniandro” satria ny momba ny “merina” dia efa ireny nasehoko
  440. ireny ihany ka tsy hilaina andaniana fotoana intsony eto.
  441. Raha manaraka ilay lovan-tsofina voatsiahy etsy ambony dia noho ny tanin’Imerina feno
  442. avoana ary mitoetra avy hatrany eo ambanin’ny masoandro (na dia mbola be ala aza!) no antony
  443. niantsona azy hoe “ambaniandro” (satria moa izany sady anaran-tany sy anaram-panjakana no
  444. anaram-poko koa eto ny hoe “merina-ambaniandro”). Ny hevitry ny hoe “andro” izany eto dia
  445. indrindra indrindra “masoandro” fa tsy hoe “day/jour” akory. Ary mbola hita rahateo koa io dikany
  446. io amin’ny filazana ohatra hoe “mitanin’andro” na “hainandro”. Tsy mahagaga rahateo moa izany
  447. satria maro ny karazan-piteny nusantara izay tsy manavaka mihitsy ny “andro” sy ny
  448. “masoandro”, toy ireo teny filipina amin’ny araw, adlaw na aldaw ohatra. Hany ka heverina
  449. mihitsy aza fa angamba ny teny proto-nusantara koa dia efa toy izany amin’ny *han/d/aw. Kanefa
  450. moa maro be koa ny fiteny izay manavaka kely ihany ny “andro” sy ny “masoandro”, toan’ny
  451. melayu (hari sy matahari), ny ma’anyan (andrau sy mate’andrau), sns.
  452. Ivelan’izany dia fantatra koa fa ny hoe “masoandro” ho an’ny Ntaolo dia teny hanoharana hatrany
  453. ny Andriamanjaka izay antsoina hoe “masoandro tsy roa fa tokana ihany”. Ka noho izany no tsy
  454. handevenana (“hanafenana”) azy raha tsy maty tokoa ny masoandro; ny ala-fady koa moa avy eo dia
  455. mbola antsoina hoe “tampi-masoandro” na “tako-masoandro”.
  456. Izany hoe mazava eto fa ny dikan’ny hoe “Ambaniandro” faharoa dia “olona eo ambanin’ny
  457. Andriamanjaka/Masoandro”. Ary noho izany indrindra ary no tsy mba hiheverana mihitsy ny
  458. Andriamanjaka toy ny Ambaniandro! Tsy mety ho “ambaniandro” mantsy izy satria izy tenany no
  459. “andro”! Ary tsy izy ihany fa ireo havany akaiky rehetra koa, toa hatramin’ny Zazamarolahy sy ny
  460. Andriamasinavalona angaha. Tsy fantatro mazava anefa raha toa ka tafiditra na tsia ho anisan’ny
  461. ambaniandro ireo andriana hafa.
  462. Ary farany, tsara ampahatsiahivina ihany angamba fa io fiheverana momba ny “masoandro” io
  463. dia toa mbola hita taratra koa eo amin’ny anaran’ireo andriana any Imamo, ary indrindra moa
  464. izany ny any amin’ny faritra atsinanana, loharanon’Ambohimanga sy ny vonto-atin’ny Tsimahafotsy
  465. (Ny Zanakandriamborona sy ny Ampanarifito) rahateo. Voalaza mantsy fa ny tena andrian’Imamo
  466. Sarasara tsy ambaka (rakitry ny Zaikabe merina, 1997-1999)
  467.  68
  468. atsinanana voalohany dia izany hoe Andriamasoandro na Ramasoandrobe sy Andriamisorobe izany.
  469. Ka noho ny anaran’ilay voalohany indrindra no nahatonga ny taranany ho antsoina mandraka
  470. ankehitriny hoe Zanakandriamasoandro. I Ramasoandrobe sy ny taranany anefa dia noheverin’ireo
  471. mpanjaka merina (izany hoe indrindra eto Andriamasinavalona sy Andrianampoinimerina) toy ny
  472. “razany” sy “havany” foana, hany ka, ivelan’izay soa mety ho vitany tamin’ny asa fampiraisana
  473. an’Imerina dia noho io indrindra no antony voalohany nitaoman’ireo mpanjaka roa ireo ny
  474. Tsimahafotsy ho atao avokoa toy ny andriamasinavalona kanefa ry zareo indray no niavona, noho ny
  475. firaisan-kina efa nisy teo aminy sy ireo hova hafa!
  476. Ka ny fanontaniana mipetraka dia ny hoe, vao tamin’ny andron-dRalambo ihany tokoa ve no
  477. nandraisana an’io fiantso hoe “ambaniandro” io sa anarana efa nentina talohany io.
  478. Ampahatsiahiviko indray fa tsy mba nanjaka tany Imamo mihitsy ohatra izany i Ralambo (ary hita
  479. eo amin’ilay filazan’ny Tantaran’ny Andriana etsy ambony tokoa izany satria miankandrefana dia
  480. “hatrany Ambohimanoa”, izay zara raha mihoatra ny 20 km avy eo Iarivo ny fanjakany!) kanefa,
  481. raha tsy diso aho (maizina dia maizina ny tantaran’Imamo – noho ny imperialisma merina indrindra!
  482. – na dia ho an’ny zanak’Imamo norotsirotsiana tamin’ny lovan-tsofina navelan’ny Ntaolo aza!) dia
  483. toa fantatra tany amin’io faritany io koa ilay anarana. Ary tsara koa angaha ny ahatsirovana fa ny
  484. iray tamin’ireo mponin’i Menabe talohan’ny nipoiran’ny fanjakana sy ny foko sakalava (taonjato
  485. faha-17) dia mitondra ny anarana hoe Antanandro. Maro anefa ny antony ahafahana mihevitra fa
  486. tany ampiandohana dia nisy fifandraisana betsaka teo amin’ireo mponin’i Menabe sy Imamo ary toa
  487. tsy nitsahatra izany raha tsy efa lasa Sakalava sy mainty hoditra ireo any anindrana.
  488. Ny fiheverako ary dia tsoriko fa angamba toan’ny hoe “merina” ihany io anarana hoe
  489. “ambaniandro” io. Izany hoe anarana efa niantsoana ny razantsika hatramin'ny fahagolan-tany
  490. elabe talohan’ny nanjakan-dRalambo izay tsy nanao afatsy nanambara azy amin’ny fomba afisialy
  491. hilazana ny taniny sy ny vahoakany. Ary raha toa ka ny Andriamanjaka tokoa no “andro” dia
  492. angamba mbola talohan’ny hoe “merina” indray aza no nipoirany satria mety ho anarana efa
  493. nentin’ny razantsika tamin’ny andro mbola nitoeran-dry zareo tany anindrana io. Tsy hoe angamba
  494. anefa tena anaram-poko fa kosa fiantsoana ny vahoaka amin’ny maha mpanompon’ny Mpanjaka-
  495. Masoandro azy fotsiny. Ka tamin’ny andron-dRalambo izay nahavitana tokoa ny fampiraisana
  496. voalohany an’Imerina (izany hoe ny faritra ivelan’Imamo sy Vakinankaratra ankehitriny) dia
  497. natambatra tamin’ny hoe “ambaniandro” ny hoe “merina”, ny voalohany anarana efa fiantso
  498. mahazatra ny vahoaka, ny faharoa fiantso ny taranak’ireo mpiavy farany avy any anindrana izay
  499. vao tsy ela no “ni-era-na”. Ka ny hoe “merina-ambaniandro” izany dia natao hanehoana ny
  500. firaisan-dry zareo indray.
  501. Eo ampandalovana ary dia tsara koa angaha ny hampahatsiahivana eto fa ny mety ho anaram-
  502. pokon’ny razantsika tany ampiandohana dia ny hoe... “vahoaka” tsotra izao! Ny antony nahatonga
  503. ny mpandinika sasany (ary indrindra moa izany O.C.Dahl) hihevitra toy izany dia ny fandinihana ny
  504. teny ao ambadiky ny “wakwak” izay anarana iantson’ireo soratra arabo ireo foko melayu rehetra.
  505. Ankoatr’izany moa dia eo koa ilay fiantso tranain’ireo bantu ny mponin’i Madagasikara hoe “buki”
  506. izay mety avy amin’ny “wuki”. Io teny farany io anefa dia manakaiky tokoa ny “Wugi” izay fomba
  507. fiantson’ireo Bugis (Sulawesi atsimo) ny tenany, foko izay azo porofoina rahateo fa mbola nitsidika
  508. ny faritra andrefan’ny ranomasina Indonesia tsy ela loatra talohan’ny nahatongavan’ny Vazaha. Tsy
  509. milaza anefa akory izany fa taranaka Bugis isika (na dia maro amin-dry zareo indrindra aza no tia
  510. mihambo amin’izany any Indonesia satria hatramin’izao dia mbola mpiantsambo faran’izay
  511. kalazalahy ry zareo!) fa kosa mety ho anarana efa nampiasain’ireo foko mpiantsambo tany afovoan’i
  512. Indonesia roa arivo taona lasa izay ny hoe “wugi”, “wuki”, “wuka”, “vako”, nanome taty aoriana ny
  513. “vahoaka”. Ka ny antenaiko raha izany dia mba hoe avy amin’ny “vako-vako” na “vako-wako”
  514. ohatra fa tsy ny bantu “ba” no niavian’io “va-” eo andohan-teny io! Ary farany, mbola mety ho noho
  515. izany koa no mahatonga ny anaram-pianakaviana manjaka (“anarana dynastika”) nentin’ireo mpan-
  516. jakan’Imamo (ary ny anaran’ny mpanjakan’ny angano merina rehetra, angamba tsy noho ny dika
  517. ivelan’ny hoe “andriam-bahoaka” ihany!) hoe Andriambahoaka na Andriambahoakafovoanitany,
  518. Sarasara tsy ambaka (rakitry ny Zaikabe merina, 1997-1999)
  519.  69
  520. sahala amin’ireny hoe miavaka amin’ny “Andriambahoakanindrantany” ry zareo. Ny mety ho
  521. fiavian’ny hoe... Antambahoaka anefa moa dia tsy raharahiako mihitsy!
  522. Ka toy izany ary ny mety ho fipetraky ny fiavian’ilay anarana. Momba ny tantaran’ny
  523. fampiasana azy indray taty aoriana dia toy izao no fahafantarako azy. Talohan’Andrianam-
  524. poinimerina aloha dia mino aho fa mbola ilay fiheverana tranainy no hany nananan’ny olona.
  525. Izany hoe ny “Ambaniandro” dia ireo Merina ihany, miaraka amin’ny Andriamanjaka na tsia.
  526. Hatramin’ny nanomezana toerana amin’ny fomba ofisialy an’ireo Mainty anefa dia toa nanomboka
  527. niova ny fijery ho an’ireo mpitondra fanjakana. Toa avy hatrany mantsy dia nipetraka tamin-dry
  528. zareo koa ny olana mipetraka amintsika ankehitriny: Ahoana no fomba iantsoana ireo
  529. karazan’olona tsy mitovy foko na fiaviana amintsika kanefa manoa ny fahefan’ny mpanjaka
  530. merina? Ka ireto avy ary ny filazana nampiasaina sy ny dikany.
  531. - Merina: Ireo mponin’Imerina teratany. Talohan’Andrianampoinimerina dia tsy tafiditra ho
  532. anisan’ny Merina ny mponin’Imamo kanefa avy eo dia vetivety foana no naha-tanteraka ny
  533. fampiraisana. Ary izany indrindra no anisan’ny nahavery faingana ny lovan-tsofin’Imamo manokana
  534. izay angamba naneho fahatsiarovana tranainy kokoa amin’ny tantara iombonana!
  535. Ny Merina izany dia ireo mponina teratanin’Imerina enintoko, miaraka amin’ny an’Imamo. Ny
  536. momba an’ireo Mainty anefa dia na ry zareo taloha aza toa faran’izay nisalasala. Raha ara-
  537. piaviana sy firazanana dia mazava fa tsy noheverina ho anisan’ny Merina velively ry zareo kanefa
  538. raha raisina ara-jeografia (sy amin’ny lafiny administratif koa angaha!) ny resaka dia mety ho
  539. voabango ao anatiny ao ihany angamba izy. Voalaza matetika koa anefa fa Ny olomainty tsy
  540. manolotra an’Imerina (raha tsy “ny Merina”!). Manambara tsara io fa tsapa ho mifanolana hatrany
  541. ny filazana hoe “olomainty” sy “merina”! Hita koa izany ohatra amin’ilay fiteny hoe Tsy mamo tsy
  542. merina hilazana ny olona tsy manana “endrika melayu” na tsy tena azo atokisana ny maha “tsalo”
  543. azy hoy isika! Amin’ny filazana hafa, ny tena “mamo sy merina” izany dia ny olona manana
  544. endrika nusantara tanteraka ihany!
  545. - Ambaniandro. Tamin’ny andron-dRadama dia mazava fa tsapa indrindra indrindra amin’ny
  546. dikany ara-bakiteny na ara-jeografia, izany hoe “ny mponin’ny toerana ambony sy mazava tsy
  547. rakotry ny ala” io anarana io. Na ny marimarina kokoa angaha rehefa ampidirina ny fiheverana
  548. sosialy sy momba ny satan’ny tsirairay, ireo mponin’Imerina afaka manoa sy fanjakan’ireo
  549. andriana merina. Ka ny tena “ambaniandro” eto dia ny fitambaran’ny hova (ny “folovohitra”),
  550. miaraka amin’ireo Mainty, ary indrindra moa izany ireo roa laharana voalohany aminy, izany hoe
  551. ny Manisotra sy ny Manendy. Ny Tsiarondahy anefa dia somary mampisalasala kely ihany satria
  552. na dia ekena fa olona afaka aza dia tsy mba nanasina andriana ary tsy tena miseho koa toy ny tena
  553. “karazana” na “firenena” manokana satria vokatry ny fampiraisana izay andevo mainty nafahana
  554. rehetra fotsiny. Noho izany ohatra, ireo Masombika (Mozambika) vao nampidirin’ny mpivarotra
  555. andevo farany (izany hoe ireo Antalaotra/Komoriana sy Arabo/Karana!) hatramin’ny taom-polo
  556. faha 1880 any ho any ka nafahana avy hatrany dia natao koa ho anisan’ny Tsiarondahy. Ho an’ireo
  557. Ntaolo anefa dia tsy misy lanjany loatra ny olona raha tsy manana razana manokana, niavian’ny
  558. fokon’ny tena indrindra. Ary ny fanehoana an’izany dia miseho indrindra indrindra amin’ny
  559. “fanasinana” izay azo heverina toy ny “dina” mampiray ny Andriamanjaka sy ireo manoa azy,
  560. amin’ny maha olona afaka, manana foko sy karazana azy. Eo anilan’izany dia eo koa ny isan-
  561. pangady na hetra ampahany amin’ny vokatry ny tany omena ny Andriamanjaka na sy solontenany
  562. izay mampiseho koa fahafahana. Ny Manisotra sy Manendy anefa dia mandoha hetra (ary toy
  563. izany koa ny ambohidava na taranaka zazahova, ireo “tsalo” navarina ho andevo!) fa tsy mba ny
  564. Tsiarondahy kosa. Ary mbola mitovitovy amin’izany koa ny momba ny fanompoana izay
  565. mampiavaka ny satan’ny karazana tsirairay avy kanefa tsy mifanojo tanteraka amin’ny hetra satria
  566. misy “exception” maro be.
  567. Ka raha fintinina ary izany, ny tena ambaniandro tanteraka dia ireo hova na folovohitra. Ny
  568. Manisotra sy ny Manendy koa dia tafiditra ao anatiny noho ny maha olona afaka azy kanefa miavaka
  569. Sarasara tsy ambaka (rakitry ny Zaikabe merina, 1997-1999)
  570.  70
  571. kely ihany ry zareo satria izany izy tsy mba afaka “manolotra an’Imerina” (na “manolotra ny
  572. Merina”!), izany hoe amiko, misolotena, miseho toy ny tena merina maha-andriana ny andriana ary
  573. maha-mpanjaka ny mpanjaka! Ary mihoatra aminy dia mbola latsaka kely indray ny sarababen’ny
  574. Tsiarondahy izay tsy mba afaka manasina andriana akory! Ary farany dia eo ireo andriana manana
  575. “karazana” (clan) manokana toy ireo Andrianteloray sy ny Zanadralambo izay toa mihevaheva eo
  576. afovoany! Amin’ny maha-andriana azy dia tsy tena Folovohitra ry zareo kanefa noho izy matetika
  577. tsy mahazo menakely na vodivona (“fief”) dia tsy mifankaiza amin’ny an’ny hova ny satany ary, “de
  578. facto” dia heverina toy ny ambaniandro izy. Ary io andinina faha-107 ao amin’ny “Lalana 305”
  579. notsongain’i Jonah io dia mampiseho tsara an’izany satria ny “Ambaniandro tsy mba very intsony”
  580. eto dia ny fitambaran’ny hova sy ny andriana ary ireo Mainty efa afaka.
  581. Ka hita tsara amin’izany ary eto ny olana mipetraka amintsika. Marina tokoa fa hany anarana tena
  582. niraisan’ny ankamaroan’ny Merina sy ny ampahany ambony tamin’ireo Mainty ny hoe
  583. “ambaniandro” taty aoriana. Ho ahy anefa, noho ny fiheverana ny toerana manokana notanany teo
  584. amin’ny tantarantsika dia maha-sanganehana ahy ihany ny hamela toy izany tsotra izao an’io
  585. anarana io, izay hatrany amboalohany dia nitambatra amin’ny hoe “merina”. Hany ka matahotra aho
  586. ny tsy ahafahana mampisaraka azy tanteraka. Ahoana ohatra no fomba ilazana ny olona iray fa “tsy
  587. merina izy fa ambaniandro”? Marina koa anefa fa ireo Havan’Andriana akaiky koa aza dia efa azo
  588. nolazaina fa “merina kanefa tsy ambaniandro”. Ny olana dia fanehoana sata manokana fotsiny ihany
  589. io fa tsy mampiseho firazanana hafa akory; ary amin’ny lafiny firazanana dia karazana ambaniandro
  590. tanteraka ihany ireo andriana merina rehetra. Ary ahoana koa no fomba hanolorana ny fiandohan’ny
  591. anaram-pirenentsika manokana izay tena “Merina-Ambaniandro” tokoa! Hany ka, sao kosa re any
  592. aoriana any mety ho “difotra” tanteraka ao anatin’ny “ambaniandro” ny Merina satria tsy maintsy ho
  593. avy ny hoe “isika samy ambaniandro ihany”! Eo ankilany anefa dia tsapa ny mety hilan’ny
  594. teratanin’Imerina rehetra fiantsoana iombonana...
  595. Toy izany ary amiko ny fipetraky ny olana ary ny valiny dia miankina amin’ny fandan-
  596. jalanjantsika rehetra. Ny ahy manokana dia toy izao no eritreritro ankehitriny. Tsoriko avy hatrany
  597. anefa fa tsy matoky tena ho manana ny marina mihitsy aho amin’io lafiny io fa mbola fironan-
  598. kevitra fotsiny ihany aloha ny ahy.
  599. Voalohany indrindra aloha dia tsy sarahiko loatra ny hoe “merina” sy “ambaniandro”. Eo anilany
  600. anefa dia ny hoe “merina” indrindra indrindra no tena mahasaro-piaro ahy ka laviko tsy omeko ireo
  601. Mainty mihitsy! Ny “merina” amiko dia ireo taranaka “daya” nifidy hanorim-ponenana aty afovoan-
  602. tany rehefa leon’ny fiainana tany amorontsiraka na koa voatery nanao izany mba tsy hifangaro
  603. firazanana indrindra amin’ireo mainty hoditra sy silamo nanenika ny taniny. Ny Mainty kosa dia
  604. taranaka andevo namidy na nandositra ny tompony no nahatongavany tsy nahy taty Imerina; ireo
  605. tena “andevo” moa dia fantatra fa taranaka vahiny nogadraina ary nampidirina an-keriny tsotra izao.
  606. Ka noho izany dia tsy mba “ni-era-na” velively ny razan-dry zareo fa nampidirin’ny sasany fotsiny.
  607. Ivelan’izany koa anefa dia mponina ambany masoandro (na ilay “astra” io na ny Andriamanjaka!)
  608. tokoa ny razan-dry zareo, na dia tsy nanasina andriana avokoa aza.
  609. Ka farany ary ho ahy ankehitriny, tsy omeko ihany koa izany ny hoe “ambaniandro” kanefa koa
  610. tsy arovako loatra. Ka raha rombahin-dry zareo dia andraikiny izany ary mbola ho hita eo ihany
  611. izay hiafarany! Ekeko anefa fa toetra maneho fisalasalana fotsiny ihany io... Noho izany dia
  612. tokony tsy isika mihitsy no hamporisika an-dry zareo handrombaka an’io anarana nentin-drazana
  613. io. Ho an’ny tantara sy isika ankehitriny dia Mainty no tena anaran-dry zareo ary tokony ho sahy
  614. hitondra an’izany amim-boninahitra tsotra izao ry zareo.
  615. - Ambanilanitra. Anarana nentina ilazana ny olombelona rehetra monina teto Imerina, na
  616. andriana izy na hova na mainty na andevo. Izany hoe tsy maneho firazanana na karazana mihitsy
  617. ny hoe “ambanilanitra”.
  618. - Ambaniravikazo. Anarana niantsoana ireo mponina any anaty ala tamin’ny andron-dRadama.
  619. Ireo mponina amorontsiraka koa indraindray dia nantsoina hoe “Ambanivolo”.
  620. Sarasara tsy ambaka (rakitry ny Zaikabe merina, 1997-1999)
  621.  71
  622. Momba ny Fandroana indray dia izao no kely azo ambara. Voalohany indrindra aloha, raha ny
  623. lovan-tsofina merina no hinoana dia mbola i Ralambo ihany no tena “nahitana” ny Fandroana
  624. voalohany teto Imerina. Mazava ho azy anefa fa ny tena marina dia fandraisana amin’ny fomba
  625. ofisialy sy “fanavaozana” ny fomba fankalazana azy sasany fotsiny ihany no tena nataony. Ary ny
  626. porofon’izany indrindra dia ny efa nankalazana hatrany koa ny Fandroana tany Imamo (izany hoe
  627. “Imerina faha-vazimba” koa!), na dia tsy fantatra mazava aza hoe tamin’ny fotoana sy fomba
  628. mitovy tanteraka ve sa tsia. Sady izay moa na tany ivelan’Imerina aza (teo amin’ireo Tanosy,
  629. Sakalava, Betsileo, Tsimihety, sns.) dia efa nisy hatrany koa karazana fandroana izay be
  630. ifandraisana amin’ny fanao merina.
  631. Nanomboka tamin’ny andron-dRalambo, izay teraka tamin’ny volana Alahamady (ary toy
  632. izany rahateo koa taty aoriana i Andriamasinavalona sy Andrianampoinimerina!), ny fotoana
  633. nankalazana ny Fandroana dia ny voalohan’ny volana na tsinambolan’ny Alahamady koa, izay
  634. noho izany dia lasa voalohan’ny taona teto Imerina. Tsara ampahatsiahivina anefa fa ny
  635. tonon’andro nampiasaina tamin’izany dia miankina amin’ny fandinihina ny volana irery ihany.
  636. Izany hoe raha ampitahana amin’ny antsika ankehitriny izay miankina amin’ny fandehan’ny
  637. masoandro dia tara 11 na 12 andro isan-taona izy io satria ny herintaonany dia tsy ahitana afatsy
  638. andro 354. Raha manaraka ny tonon’andro ampiasain-tsika ankehitriny ary izany dia niova isan-
  639. taona ny daty nankalazana ny Fandroana ary tsy miverina eo amin’ny fotoana iray nifanojo
  640. amin’ny datin-tsika raha tsy isaky ny 33 taona. (Hany ka amin’ny “calendrier”-ntsika dia mety tsy
  641. nisy nifandraisana mihitsy koa ny fotoana nahaterahan’ireo mpanjaka telolahy voalaza etsy
  642. ambony ireo!).
  643. Nandritra ny taonjato roa na telo izany, hatramin’ny taona 1882, dia ny voalohan’ny
  644. Alahamady no nankalazana azy isan-taona, ankoatra ny taona nisaonana mpanjaka niamboho.
  645. Tamin’ny 1863 anefa (tokony ny 20 martsa) dia tsy nankalazaina ny Fandroana noho ny tsy
  646. firaharahian-dRakotondradama tapa-mpanjaka izay aleony angaha nanohy nanao “lapa-be”
  647. miaraka amin’ny Menamaso sy ry Lambert. Hita eto fa tsy te ho “masina” tokoa ilay io, hany ka
  648. ny 11 mey dia nafahany tamin’ny ainy ny hagaigeny. Fa ny tena mahalasa eritreritra ahy dia ity :
  649. raha toa izany ka niara nankalazaina tamin’ny fotoana sy endrika mitovitovy hatrany ny fandroana
  650. dia io ihany sisa no tena fihetsiketsehana (tao anatin’ny firavoravoana!) niraisan’ny samy Merina
  651. nandritra an’izay fotoana nizarazaran’ny fanjakana sy niadiavana an-trano rehetra izay. Tamin’ny
  652. taona 1883 anefa dia natao mifangaro tamin’ny fankalazana ny fiakaran-dRanavalona fahatelo, ny
  653. 22 novambra, ny fankalazana ny Fandroana. Ary satria tsingerintaonan’ny nahaterahan’ny
  654. mpanjaka (faha-22 taonany!) koa io andro io, no isika rahateo efa nanomboka zatra tamin’ny
  655. fampiasana “calendrier” vazaha-kristiana, hatreo dia nanjary ny 22 novambra no lasa andro
  656. nandroana. Ny taona 1884 sy 1885 anefa dia zara raha nankalazaina ny Fandroana noho ny
  657. fahoriana sy ny fitaintainana nateraky ny ady tamin’ny Frantsay. Hany ka nanomboka tamin’ny
  658. taona 1886 vao nakotrakotraka indray ny fankalazana azy. Tamin’ny taona 1891 anefa dia ny 20
  659. novambra no nanaovana azy satria latsaka alahady ny 22 ka tsy tian’ny mpanjaka ny hisian’ny
  660. fifangaroana aminy sy ny fotoam-pivavahana kristiana. Ary farany, na dia efa lasan’ny Vazaha aza
  661. ny fahefana dia mbola nankalazana ihany ny Fandroana tamin’ny taona 1896.
  662. Ny 19 novambra 1896 anefa dia nangataka tamin’ny fomba ofisialy tamin’i Galliéni ireo
  663. printsy betsileo “fidèles sujets de la France”, hotronin’ny manamboninahitra maro amin’ny
  664. faritanin’i Fianarantsoa (izay ahitana koa “officiers hova”!) mba hanoloana ny Fandroana amin’ny
  665. 14 jolay. Hany ka ny 5 jona 1897 dia namoaka lalana tokoa manatanteraka ny fangatahan-dry
  666. zareo ny mpanjanaka vazaha. Sady izay moa hatramin’ny nanafoanana ny fanjakana merina sy
  667. nanaoavana an-tsesitany ny Andriamanjaka tamin’ny 28 febroary dia toa tsy misy antony loatra
  668. intsony ny fankalazana ny Fandroana ho antsika. Ka dia nosoloana tokoa tamin’ny fankalazana ny
  669. “fakana an’i La Bastille” nataon’ireo fatritram-bahoakan’i Parisy tamin’ny 1789 noho ny antony
  670. tsy misy mahalala na miraharaha akory ary ilay fety malaza nampidobodoboka hatrany ny fon’ny
  671. razantsika hatramin’ny fahagolan-tany!
  672. Sarasara tsy ambaka (rakitry ny Zaikabe merina, 1997-1999)
  673.  72
  674. Ny fandinihana ny hevitra fonosin’ireo fanao samihafa tanterahina rehefa mandro sy ny
  675. fampitahana azy amin’ny fanaon’ny foko hafa mantsy dia mampiseho avokoa ny fifandraisan’io
  676. fankalazana io amin’ireo “fetin’ny rano” sy “fetin’ny lohataona” eran’i Nusantara, raha tsy eran’i
  677. Asia atsinanana. Toy izany ohatra ny “fandroan’ny andriana” (lasa koa fandroana ny “sampy” na ny
  678. “tsangam-baton’ny andriamanitra” na koa ny taolam-balon’ny razana any amin’ny toeran-kafa!).
  679. Ka noho izany matetika dia ahitana fifaninanana lakana na koa fifanondrahana rano (sahala
  680. amin’ny fahita indrindra indrindra ankehitriny any Thailand!) sy fampitaha (miaraka amin’ny
  681. fampiadiana hainteny sy hira mifamaly ho an’ny tovolahy sy ny tovovavy, alohan’ny hiarahany!),
  682. ary indraindray koa tsikonina ny fankalazana azy. Ary tsy hadino koa ny famonoana “karabao”
  683. (buffalo) maro be izay amintsika moa izany dia lasa omby.
  684. Ka raha izany dia azo lazaina fa efa hatramin’ny arivo-arivo taona maro be, tamin’ny andron’ny
  685. prehistoria, raha mbola tsy niavaka tanteraka tamin’ireo mponin’i Asia hafa akory ny razambe
  686. nusantara voalohany no efa nankalazaina angamba ny Fandroana! Ary marina tanteraka koa ny
  687. fiheveran’i Jonah fa tena fankalazana ny lohataona mihitsy izy io tany ampiandohana, tamin’ny
  688. andro mbola nitoeran’ny razambe proto-nusantara tany amin’ny faritra atsinanan’i Tsina
  689. ankehitriny ohatra izay miavaka tsara sahala amin’ny aty Imerina ny tonon-taona (“saisons”). Ka
  690. raha izany angamba dia novelomin’ireo razantsika manokana indray tamin’ny niakaran-dry zareo
  691. taty ampovoan-tanin’i Madagasikara ny fanao sasany taloha ela be izay efa somary hadino na tany
  692. Indonesia aza noho ny tsy fihavahan’ny tonon-taona loatra intsony (toerana eo ambanin’ny
  693. ekoatera!). Mety ho marina koa anefa fa nampifangaroan-tsika ho iray lehibe ny karazana
  694. fankalazana samy hafa nampisarahana ihany taloha.
  695. Tena azo hinoana tanteraka ary izany fa, talohan’ny nanavaozan-dRalambo azy dia tamin’ny
  696. lohataona hatrany tokoa, izany hoe ho antsika, ny voalohandohan’ny volana septambra (?) no
  697. nankalazaina ny Fandroana. Ka eto no mampanontany tena hoe mbola nitohy toy izany ve ohatra
  698. ny fanao tany Imamo talohan’ny fampiraisana tamin’Imerina sa tsia ary raha efa niova koa dia
  699. hatramin’ny oviana ary nahoana? Noho ny fanapahan-kevitry Ralambo anefa izany dia lasa
  700. nifindra tsikelikely ilay daty ka tsy tafaverina amin’ny lohataona intsony raha tsy isaky ny 33
  701. taona. Ivelan’ny tantaran’ny Fandroana moa dia azo hinoana koa fa angamba hatramin’ny andron-
  702. dRalambo (na Andriamanelo) no nanomboka niditra teto Imerina ny anaram-bolana avy amin’ny
  703. zodiaka arabo-swahili. Miharihary mantsy fa ny Alahamady ohatra dia avy amin’ny swahili
  704. alahamali (arabo al hamal na “ny ondrilahy”), ny Adaoro avy amin’ny swahili athauru (arabo ath-
  705. thaur na “ny ombalahy”), ny Alahasaty avy amin’ny swahili alasadi (arabo al asad na “ny
  706. liona”), sns. Ary fantatra fa toy izany tanteraka koa ireo anaran’ny andro (arabo : al-ahad na “ny
  707. voalohany”, al-ithnin na “ny faha-2”, ath-thalatha na “ny faha-3”, al arba na “ny faha-4”, al-
  708. khamis na “ny faha-5”, al djuma’a na “ny fiangonana”, as-sabt na “ny faha-7”), sy ny
  709. ankamaroan’ny voambolana ampiasaina amin’ny sikidy. Ireo teny arabo rehetra ireo anefa dia
  710. saika tsy misy fantatsika mihitsy ny tena dikany marina fa dia notonotononona fahatany fotsiny
  711. ary nomena izay hevitra ampahatsiahivin’ny teny mitovitovy amin’ny fanononana azy amin’ny
  712. tenintsika manokana. Izany hoe tena “findramana malalaka” fanononana voanteny vahiny
  713. tanteraka eto no nataon’ny razantsika fa tsy fanarahana tokoa ny kolontsaina arabo sy silamo
  714. akory! Ary porofon’izany koa ohatra ny tsy fahafantaran’ny razantsika mihitsy ny fampiasana ny
  715. fomba fanisan-taona miankina amin’ny fiandohan’ny “hijra” (“hégire” na “fifindra-monina”)
  716. ampiasain’ny silamo rehetra.
  717. Amiko dia manambara io indrindra indrindra fa ireo Merina niakatra farany avy any anindrana
  718. nanaranaka an’Andriamanelo sy ireo namany dia efa nanomboka ni-“influencer”-ny kolontsaina
  719. silamo noho ny fikasokasohany (tamin’ny alalan’ny ady indrindra anefa aloha!) taminy. Na koa
  720. angaha, mety ho fitaovana “nizihijihiran”-dry zareo mba ahafahana miseho toy ny “manam-
  721. pahaizana” manoloana an’ireo “vazimba” io fampiasana kely voambolana arabo io satria izany
  722. miharihary fa tsy silamo velively ry zareo. Avy eo moa dia tamin’ny alalan’ny varotra nifanaovana
  723. tamin’ny faritany anindrana, ary koa ny fihambon’ireo mpanandro mila “mizihitra” koa amin’ny
  724. Sarasara tsy ambaka (rakitry ny Zaikabe merina, 1997-1999)
  725.  73
  726. “fahaizana” teny vahiny (omena izay dikany mahafinaritra ny tena hatrany!) sy ny fahafantarana
  727. “majika” avy any ivelany tsy hitan’ny be sy ny maro no tena niditra tao amin’ny tenintsika ny
  728. voambolana arabo maro. Ary fantatra farany fa mbola toy izany koa ny maro amin’ireo sampy
  729. malaza. I Kelimalaza sy Rafantaka ohatra dia avy any “atsimo” ary i Ramahavaly dia avy any
  730. amin’ny Antaimoro.
  731. Ka mora vinaniana ary fa talohan’io fampidirana ny fiantsoana ny zodiaka (fa tsy tena ny anaram-
  732. bolana!) arabo io dia nampiasa anaram-bolana avy amin’ny teny sanskreta isika, nolovaina angaha
  733. izany avy amin’ny fampiasa melayu tranainy (izay efa very tanteraka koa ankehitriny!). Izany hoe
  734. manomboka tokoa amin’ny Asaramanitra ny taona dia avy eo, Vatravatra, Asotry, Hatsiha, Volasira,
  735. Volamposa, Maka, Hiahia, Sakamasay, Sakave, Volambita, ary farany Asaramaimbo na
  736. Asaramantsina. Ary toa hoe vao tamin’ny andron’Andrianampoinimerina no tena nanomboka ny
  737. fampiasana tanteraka ny anarana nindramina tamin’ny zodiaka arabo (Alahamady, adaoro,
  738. adizaoza, asorotany, alahasaty, asombola, adimizana, alakarabo, adijady, adalo ary alohotsy). Tany
  739. anindrana rehetra anefa dia mbola nitohy nampiasaina hatrany ilay fomba fanao taloha. Izany hoe
  740. ankoatra ny fanohizana mampiasa hatrany ny hoe Asaramanitra (teny avy amin’ny sanskreta
  741. “asadha”, manondro ny volana jolay-aogositra ary nampiantsika ny “manitra” noho ny Fandroana sy
  742. ny ilana ny anavahana azy amin’ny “Asaramantsina/Asaramanta”!) hilazana ny Fandroana dia isika
  743. irery angamba izany no tena nanary ny fanao melayu-sanskreta hatramin’ny taonjato faha-19! Ary
  744. ireo “tonom-bintana malagasy” heverina ankehitriny fa tena lovan-drazan’ny Ntaolo hatramin’ny
  745. fahagolan-tany dia fahazarana tsy niparitaka raha tsy hatramin’io fotoana io!
  746. Ary tsetsatsetsa kely farany, alohan’ny nanarahantsika ny fomba fanondroan’andro avy
  747. amin’ny teny arabo dia azo heverina angamba fa nampiasa herinandro misy dimy andro sahala
  748. amin’ireo any Jawa isika, na koa folo andro amin’ny famerenana indroa ny dimy, ka ny filazana
  749. ny andro dia avy amin’ny fomba fanisana ihany, toy ny amin’ny teny arabo indrindra! Ary, hevitra
  750. mandalo ihany, efa naposaky ny hafa rahateo, mety ho fahatsiarovana an’izany indrindra angamba
  751. ny filazana toy ny “hateloana, hefarana, hadimiana, henemana, hafitoana, havaloana, hasiviana ary
  752. hafoloana”. Ny hany tena olana dia toa tsy mba misy ny “ha-isana” sy ny “ha-roana”!
  753. Hita mazava ary izany eto fa na tamin’ny fotoana azo heverina fa naha “irery” lavitra ny foko
  754. hafa ny razantsika aza dia tsy nitsahatra niova tsikelikely hatrany ny konlontsainantsika ary
  755. nifindran-dokon’ny fanaon’ny hafa teny ihany koa. Na izany aza anefa dia misy hatrany koa ny
  756. “vonton-atiny” izay hatrany “amboalohany” (amiko, farafaharatsiny ny fiandohan’ny neolitika,
  757. izany hoe eo amin’ny 10 na 12.000 taona eo ho eo izao!) maharitra tsy miova loatra, raha tsy
  758. amin’ny endriny ivelany, amin’ny hevi-ponosiny. Ka voalohany amin’izany indrindra ohatra ny
  759. firazanana sy ny finoana fototra momba ny hasina, ny fiainana, ny olombelona, sns. Ary koa izany
  760. ny fomba amam-panao sasany toy ny Fandroana indrindra!
  761. Ka dia mazava ho azy ary izany ny tokony tsy maintsy hamerenantsika tokoa ny fankalazana
  762. an’io andro io, amin’ny fomba sady mampahatsiahy ny fanao fahiny no maneho koa ny eritreritra
  763. sy ny fahatsapan’ny taranaka ankehitriny. Ankoatra ny maha fetin’ny lohataona (sy ny rano! Izany
  764. hoe koa, ny fanavaozana sy fandiovana ny zava-drehetra!) azy dia fetin’ny fianakaviana, ny
  765. fihavanana, ny fiombonana sy ny fifamelana, ny ankizy sy ny tanora ny Fandroana. Ary ho an’ny
  766. fanjakana merina moa dia tena fetim-pirenena tanteraka koa io, fampahatsiahivana sy
  767. fanamafisana ny toky mampiray ny vahoaka amin’ny andriamanjakany izay “havaozina” amin’io
  768. fotoana io indrindra ny hasiny!
  769. Anjarantsika ary izany no mamaritra indray ny fomba tokony hankalazana tokoa ny Fandroana
  770. amin’ny hoavy manaraka. Ny hany tsy maintsy hajaina amiko dia ny hevi-ponosiny fa tsy ny
  771. antsipirihiny amin’ny fomba fanatanterahana azy loatra. Ka raha izany ohatra dia tsy voatery
  772. velively handefa omby amam-jatony mandrifatra eran’ny araben’Antananarivo tokoa isika, na koa
  773. hamerina ny “alin-dratsy”! Ny fanaovana fampitaha, tsikonina, harendrina, ny fiarahan’ny
  774. fianakaviana manao sakafo be sy ny “fankalazana ofisialy” hafa anefa dia azo tazonina tanteraka.
  775. Sarasara tsy ambaka (rakitry ny Zaikabe merina, 1997-1999)
  776.  74
  777. Ary ny ahy tsy mampaninona ahy mihitsy koa raha toa ka averina ny fampitondrahana rano eny
  778. amin’ny arabe mba hihomehezana kely!
  779. Ary farany, ny momba ny fotoana tokony hankalazana azy dia toy izao amiko ny fipetraky ny
  780. olana. Raha ny tokony ho tena izy izany dia ny lohataona, izany hoe ho antsika ny
  781. voalohandohan’ny septambra (sa ny faramparan’ny aogositra?) no tsara hankalazana ny Fandroana.
  782. Ny antony hafa mety mahatsara an’io koa dia izy azo hampifanojoana amin’ny faran’ny fotoana
  783. fialamboly any amin’ny hemisfera Avaratra.1 Amin’ny lafiny iray koa anefa dia azo atao ny manohy
  784. tsotra izao ny efa natomboka tamin’ny taonjato lasa, izany hoe mandray ny 22 novambra (izany hoe
  785. ny tena marina ny 21-22-23, ary ny andro rehetra manodidina an’ireo satria mitaky farafaharatsiny
  786. herinandro ny fankalazana ny Fandroana!). Ka ny dikany voalohany dia ny fanafoanana tsotra izao
  787. ny didin’ny mpanjanatany nanafoana ny Fandroana tamin’io andro io. Ary na dia hoe amin’ny
  788. voalohany fotsiny aza dia ataoko fa mba “revanche” kely tsara ho raisina tokoa io.
  789. Raha toa ary izany ka ny manodidina ny 22 novambra tokoa no raisina dia toy izao ny
  790. hiafaran’ny resaka. Ny 6 (sy 7?) novambra isika misaona ary avy eo dia manomboka mikarakara
  791. amin’izay ny Fandroana mba hifalifaly. Ny olana dia mbola ho avy indray izany iray volana avy eo
  792. ny Krismasy sy ny taom-baovao iraisana amin’ny rehetra! Hany ka hanjary hanao fety ny hiafaran-
  793. isika mandriatra ny 2 volana rehefa avy misaona indray na indroa andro fotsiny!
  794. Ka asa ary izay tena tsara hatao tokoa fa dia toy izany amin’ny ambangovangony ny fipetraky
  795. ny olana.
  796. Izay indray ary aloha.
  797. Tefy.
  798. 1
  799.  Amin’ny hoavy anefa (izany hoe manomboka ankehitriny tsotra izao!) dia tsy maintsy heverintsika hatrany tokoa
  800. ny fisian’ny zanaka ampielezana merina eran-tany, ary indrindra izany, any amin’ireo “tany mandroso” ankehitriny,
  801. izay sady tsy hiverina hody avokoa no, raha tsy voatelin’ny hafa karazana any ivelany iarahany monina dia afaka
  802. hitondra fanampiana sarobidy ihany koa hanasoavany ny tanindrazany. Ny hoe “merina” mantsy dia karazana,
  803. fianakaviamben’ny mitovy razana mpanaranaka fa tsy ny olona monina amin’ny toerana voafetra iray ihany akory.
  804. Maika rahateo moa fa tsy ho ela amiko, na aiza na aiza eran-tany dia tsy afaka hiankina loatra intsony amin’ny sata
  805. administratifa toy ny “zom-ponenana” na “citoyenneté” ny “identity”-ny tsirairay amin’ny maha mpikambana amina
  806. “firenena” azy fa kosa ny foko niaviany sy ny tena firazanany marina. Ny antony dia ny fitomboan’ny fifamoivozana
  807. sy ny fifindra-monina, indrindra moa any amin’ireo “tanim-boanjo” lehibe sahala amin’i Amerika sy Australia izay
  808. rariny ary raha toa ka mba ahitana koa rahampitso “voanjo” merina maro, izay sady tsy vahiny intsony any amin’izay
  809. tany vaovao honenany no mitoetra hatrany koa ho tena Merina iringiriny ka afaka mizaka ny zon’ny Merina hafa
  810. rehetra. Azo hinoana koa ary raha izany fa amin’ny hoavy, ny fomba fanamaritana ny “identity” merina eo
  811. anivon’izao tontolo izao dia toy izao tokoa: ny Merina dia karazana “melayu” avy aty Madagasikara fotsiny ka any
  812. ivelany dia miara-dia hatrany amin’ireo foko nusantara hafa rehetra azo hampifangaroana aminy, ary avy eo, araka
  813. izay ilaina, amin’ireo iray karazana Asian (sy Amerindiana) hafa rehetra koa. Na aiza na aiza anefa toerana hifindran-
  814. dry zareo monina ka mampaniry faka ny taranany, noho ny fahamoran’ny fifandraisana sy ny fifamoivozana indrindra
  815. dia tokony tsy ho adinoin-dry zareo mihitsy ny tanindrazan-dry zareo izay sady mila indraindray ny fanampiana (ary
  816. tsy maintsy mety afaka hanampy azo koa rehefa tonga ny fotoana amin’izany!) no miantoka rahateo koa ny tena maha
  817. izy azy.
  818. Sarasara tsy ambaka (rakitry ny Zaikabe merina, 1997-1999)
  819. 75
  820. [Imerina, faha-28 novambra 1997]
  821. Sarasara tsy ambaka ny mpiara-mitolona rehetra eto!
  822. Misy filazana mety ho tsapa toy ny mifanohitra ao amin’ilay resako farany momba ny
  823. fandroana ka tiako handramana hitsiana. Eo andaniny mantsy dia voalazako fa hoe tamin’ny
  824. andron-dRalambo no nanomboka ny fahazarana mampiasa anarana zodiaka arabo teto Imerina ary
  825. eo ankilany, “tamin’ny andron’Andrianampoina no tena nanomboka ny fampiasana tanteraka ny
  826. anarana nindramina tamin’ny zodiaka arabo”. Ankoatra izay mety ho fifangaroan-kevitro anefa dia
  827. maneho koa ny tsy fahafantarana mazava ny tena marina tsotra izao io fifanohiran-kevitra io. Marina
  828. tokoa mantsy fa i Ralambo izany no nanapaka ny tokony hankalazana ny Fandroana amin’ny
  829. tsinambolan’ny Alahamady. Fantatra koa anefa fa hatramin’ny andron’Andrianampoina angamba
  830. izany dia mbola ireo anaram-bolana avy amin’ny teny sanskreta ihany no nampiasaina teto
  831. Imerina, sahala amin’ny any amin’ny faritany hafa rehetra eran’i Madagasikara. Ka raha izany ary
  832. dia mety ho toy izao no tena niseho.
  833. Tamin’ny andron-dRalambo dia efa nanomboka fantatra tsara teto Imerina ny anarana zodiaka
  834. arabo1 izay azo hinoana ary fa nampidirin’ireo mpanandro sy ny mpisikidy. Ny antony dia azo
  835. vinaniana fa satria hono ny “mpaminany tsy masina an-taniny” ary koa izany, tsy masina amin’ny
  836. tenin-drazany. Ka aleony mody mizihitra amin’ny fampiasana teny vahiny izay toa “mazika”
  837. kokoa ho an’ny tsy mahalala! Izany hoe, angamba koa izany tany amboalohany dia nifaninana
  838. fatratra ireo ombiasy izay tena manam-pahaizana nentin-drazana merina sy ireo mpanandro,
  839. mihambo ho nahazo ny fahalalany avy any ivelany, izany hoe ny arabo-swahili, ary taty aoriana,
  840. ny Antaimoro. Ary mazava izany fa tamin’ny farany dia ireo mpanandro sy mpisikidy no nahazo
  841. vahana kokoa teo amin’ny kolontsainantsika. Azo lazaina mihitsy aza angamba fa ny fampidirana
  842. ireo sampy merina (izay toa tsy fantatra mihitsy tany Imamo, na teo amin’ireo “vazimba” taloha!)
  843. dia anisan’ny vokatry ny “influence”-dry zareo. Toy izany koa ny fampiasana ny tangena, izay
  844. fomba vahiny niditra vao tsy ela teto Imerina avy amin’ireo andrian’ny Vonizongo, be
  845. nifandraisana tamin’ny Sakalava!
  846. Kanefa moa izany, na dia efa fantatra aza ireo zodiaka arabo ireo, ny ankamaroan’ny olona dia
  847. mbola nitohy hatrany nampiasa ny fomba fiantso ny volana mahazatra taloha. Ary toy izany foana
  848. ny toe-draharaha hatramin’ny andron’Andrianampoinimerina. Izany hoe anisan’ny vokatry ny
  849. 1
  850. Mba ho tsetsatsetsa kely dia omeko ny anarana zodiaka arabo sy ny dikany, amin’ny teny frantsay. Etsy anilany
  851. dia omeko koa ny tena anaram-bolana arabo izay manomboka izany amin’ny Moharram.
  852. al-hamal (alahamady)
  853. ath-thaur (adaoro)
  854. al-jauza (adizaoza)
  855. as-saratan (asorotany)
  856. al-asad (alahasaty)
  857. as-sunbula (asombola)
  858. al-mizan (adimizana)
  859. al-akrab (alakarabo)
  860. al-kaus (alakaosy)
  861. al-jadi (adijady)
  862. ad-dalu (adalo)
  863. al-hut (alohotsy)
  864. le bélier
  865. le taureau
  866. les gémeaux
  867. le cancer
  868. le lion
  869. l’épi (de la vièrge)
  870. la balance
  871. le scorpion
  872. le sagittaire
  873. le capricorne
  874. le verseau
  875. les poissons
  876. 10. Sawal
  877. 11. Del kaad
  878. 12. Del heje
  879. 1. Moharram
  880. 2. Safar
  881. 3. Rabi el awal
  882. 4. Rabi el akhir
  883. 5. Jamad el awal
  884. 6. Jamad el akhir
  885. 7. Rajab
  886. 8. Shaaban
  887. 9. Ramadan
  888. Ivelan’izany moa dia mazava fa lova avy amin’ireo Babyloniana ireo anarana zodiaka ireo ary efa nandalo
  889. tamin’ny kolontsaina grika vao tena naniry faka tamin’ny fisainana arabo. Izany hoe mitovitovy ihany izany ny
  890. fiavian’ny zodiaka vazaha (nandalo tamin’ny latina, nindrana tamin’ny grika!) sy ny “antsika”, nindramina tamin’ny
  891. an’ny arabo. Ny hany maha-“sampona” antsika dia nataontsika anaram-bolana tsotra izao koa ireo!
  892. Sarasara tsy ambaka (rakitry ny Zaikabe merina, 1997-1999)
  893.  76
  894. fampiraisana an’Imerina koa izany eto ny fanaparitahana ny fampiasana an’ireo anarana arabo
  895. ireo. Marina tokoa mantsy fa voasarika tamin’ny lafiny kolontsaina vahiny sasany ihany
  896. Andrianampoinimerina noho ny fahatsapany fa ilaina ny hanavaozana amin’ny endrika moderina
  897. kokoa ny fiainan’ny Merina, ary anisan’izany indrindra ohatra ny tokony hananana fomba
  898. fanoratana mba ahamora kokoa ny fitondrana ny fanjakana. Ny olana dia mahana hatrany
  899. tamin’ireo Vazaha, izay ny ankamaroany tamin’izany dia mpijirika sy mpanondrana andevo, izy.
  900. Hany ka ny hany ala-olana hitany dia ny fanararaotana ny fanampian’ireo mpanandro-mpanoratra
  901. antaimoro, izay efa be nifandraisana tamin’ireo mpanandro sy mpisikidy ary mpitahiry sampy
  902. merina rahateo koa hatramin’ny ela.
  903. Ka dia nanjary navela ary ny fomba filazana volana taloha nolovaina tamin’ny fifandraisana
  904. tamin’ireo Melayu-an’i Srivijaya izay angamba efa nampiasaina nandritra ny arivo taona na
  905. mihoatra ary nosoloina tanteraka tamin’ny anarana zodiaka arabo, ankoatra ny “asaramanitra” izay
  906. tafajanona noho ny fifandraisany indrindra amin’ny Fandroana.
  907. Ka raha izany tokoa ary dia tsy nahatratra 70 na 80 taona akory izany angamba ny fotoana tena
  908. nampiasana ny heverina ankehitriny fa tena “volana malagasy”, alohan’ny nandraisana tsikelikely
  909. ny fomba fanaon’ny Vazaha hatramin’ny naha-kristiana tamin’ny taona 1868!
  910. Ka amiko, na dia nampahatsiahy ihany ireo Ntaolo tamin’ny taonjato lasa aza ny fampiasana
  911. ireo “tonom-bintana” ireo dia tsy afeniko fa tena manelingelina ahy ankehitriny satria miharihary
  912. loatra ny fifandraisany amin’ny teny arabo, izay avy eo mbola nandalo tamin’ny fanelanelanan’ny
  913. swahili (izany hoe ny Antaloatra/Komoriana!) indray! Ary mbola toy izany tanteraka koa ny
  914. momba ny sikidy, ary hatramin’ny fiantso ny andro! Hany ka na dia tsy mazoto hanolo ny
  915. “alatsinainy/al ithnin/al isnin” amin’ny “lundi” na “Monday” aza aho (ny melayu koa moa dia efa
  916. “senin”, avy amin’ny “al isnin”, nanalana ny “artikla”!) dia rikoriko hatrany foana rehefa
  917. mahatsiaro ny fiaviany.
  918. Izay indray ary aloha.
  919. Tefy.
  920. Sarasara tsy ambaka (rakitry ny Zaikabe merina, 1997-1999)
  921. 77
  922. [Imerina, faha-29 novambra 1997]
  923. Samy sarasara hatrany!
  924. Rehefa nanandrana nanao fanisana kely aho dia nahatsikaritra fa ny taona 1883 dia tokony ny
  925. 29 jolay tany ho any angamba izany no nankalazaina ny Fandroana. Ny faha-12-n’io volana io
  926. ihany anefa dia niamboho Ranavalona faharoa ka tsy azo notanterahina ny raharaha. Ka raha izany
  927. dia “tara” efa-bolana latsaka herinandro izany ny fandroana voalohany manaraka ny tononandro
  928. vazaha natao ny 22 novambra. Sady izay moa raha ny tena izy dia tokony tsy nankalazaina tsotra
  929. izao ny Fandroana io taona io noho ny fisaoana ny Andriamanjaka izay matetika maharitra
  930. herintaona. Kanefa noho ny ady tamin’ny Frantsay dia nafohezina telo volana fotsiny ny fisaoana
  931. ary satria tsy azo avela tsy misy mpanjaka ela loatra dia nakarina avy hatrany ny Andriamanjaka
  932. vaovao. Eo an-daniny koa anefa dia rariny ihany ny nandraisana ny 22 novambra ho andron’ny
  933. Fandroana vaovao satria lasa nanaraka ny tononandro vazaha ny fanjakana ary ny nankalazana azy
  934. tany amboalohany tamin’ny volatsinan’ny Alahamady dia efa noho ny tsingerintaona nahaterahan-
  935. dRalambo rahateo! Sady izay moa, sahala amin’ny fanao any amin’ny tany misy fanjakana
  936. (monarkia) rehetra ihany dia ny tsingerintaonan’ny Andriamanjaka, na koa ny tsingerintaonan’ny
  937. “dynasty” matetika no hankalazana ny fetim-pirenena satria ny Andriamanjaka indrindra no
  938. misolo-vatana ny firenena. Ka raha andramana tanisaina izany ireo antony azo raisina manamarina
  939. an’io fankalazana io dia ireto avy amiko ny voaloha-laharana :
  940. 1 – Ny lohataonan’ny firenena merina (izany hoe ny fifohazany, ny fanavaozana hatrany koa ny
  941. ainy sy ny hasiny).
  942. 2 – Ny firaisana sy ny faharetan’ny firenena merina, izany hoe ny fifandraisan’ny lasa amin’ny
  943. ankehitriny sy ny hoavy, ny efa maty sy ny mpiara-belona ary ny mpandimby ho avy.
  944. 3 – Ny firaisan-kina sy ny fihavanan’ny samy Merina rehetra (izay miombom-po amin’ny
  945. fiarahana misakafo sy miara-mifaly).
  946. 4 – Ny fihavanan’ny mpianakavy (ny raiamandreny sy ny zanaka, ny mpivady, hatramin’ireo
  947. efa nisintaka) sy ny fifamelana ary ny fiombonana indray.
  948. 5 – Fankalazana ny aina sy ny fahatanorana ary ny hatsarana (ary noho izany indrindra no ha-
  949. naovana fampitaha – izay ahiako hiafara koa amin’ny fifidianana “andriambavin’ny hatsarantarehy
  950. merina” ohatra, ivelan’ny fifaninanan-kira sy dihy! – sy tsikonina, ary koa ny androahana ny
  951. “matoatoa” amin’ny fanaovana harendrina alohan’ny hanomboana ny fifaliana).
  952. Raha tanteraka ireo dia tsy maintsy hiverina sy hiroborobo vetivety foana ny fireharehana
  953. amin’ny maha-merina, ary koa ny firaisankina ateraky ny fiaraha-mifaly. Ary na ho an’ny
  954. fandrosoan’ny orinasam-pirenentsika aza dia tsy maintsy hiteraka famokarana betsaka sy maro
  955. karazana ny fankalazana toy itony. Indrindra moa raha toa ka ambaraina avy hatrany sy atao lalana
  956. mihitsy fa mba aha-masina azy, ny zavatra atao hankalazana ny Fandroana dia tsy maintsy merina
  957. madio fiaviana avokoa! Izany hoe ohatra misy rafi-panjakana manokana manome “label”, rehefa
  958. avy nanamarina tsara fa merina iringiriny daholo ny mpiasa sy ny mpampiasa ary, raha azo atao,
  959. merina koa ny fitaovana nenti-manana rehetra!
  960. Izay indray aloha.
  961. Tefy.
  962. Sarasara tsy ambaka (rakitry ny Zaikabe merina, 1997-1999)
  963. 78
  964. [Imerina, faha-6 Desambra 1997]
  965. Sarasara tsy ambaka ny mpiara-mitolona rehetra eto!
  966. Tsy hiditra lalina amin’ny resaka toe-karena aho satria sady tsy mahafantatra loatra intsony ny
  967. antsipirihiny amin’ny fipetraky ny raharaha andavanandro aty Madagasikara no tsy nahavita
  968. fiofanana manokana rahateo koa momba an’io. Ka ny hany tiako hanaovana fanamarihana kely dia
  969. ny heveriko fa tokony ho “principe” fototra ho an’ny karazan-tany sy firenena toy ny antsika.
  970. Voalohany indrindra ary, momba ny “privatisation”, ny tena ahiako ny ahy dia ny hianjeran’ireo
  971. orinasa hamidy ireo eo ampelatanan’ny vahiny be vola ka tsara toerana hanararaotra avy hatrany,
  972. izany hoe indrindra indrindra ny Karana sy ny Sinoa. Ary na amin’ny fomba mivantana izany na
  973. amin’ny fanelanelanan’ny tompontany atao saron-tava. Ka noho izany dia ilaina angamba ny
  974. mahana kely hatrany ary tsy mifaly fotsiny mihitsy fa hoe ahitana merina eo andohan’ny orinasa
  975. lehibe maro.
  976. Faharoan’izany, tsy afeniko ny ahy fa tsy mampatoky ahy loatra ny tsangan-kevitra “liberalista”
  977. ankehitriny, indrindra moa hampiarina amin’ny tany mahantra “tsy misy fanjakana” intsony sahala
  978. amin’ny antsika. Marina fa mety ahavonjy rano vaky mba hampandeha kely indray ny toe-karena
  979. efa voly tanteraka io kanefa ho an’ny tena firenena tsirairay avy izay tsy mbola vonona ny hisedra
  980. ny “liberalisma” dia mety haningotra tanteraka izany amin’ny farany. Noho ny antony iaraha-
  981. mahalala anefa moa izany dia tsy azo hodivirana ankehitriny ny fironana any amin’io lalana io ka
  982. izay fomba azo hanararaotana azy mba hiarovan-tena sisa no tsy maintsy karohina maika.
  983. Tsy ho lava resaka ary aho fa ny ala-olana amiko dia tsy misy afatsy ny fahaizantsika
  984. mivondrona sy miara-miasa hatrany mba tsy ny singan’olona sy ny fianakaviana tsirairay avy no
  985. misedra ny “liberalisma” fa kosa ny karazana sy ny firaisan’olona miray hina. Izany hoe an-daniny
  986. dia atao izay tokony hifanarahana sy hifanampian’ny samy merina manoloana ireo karazan’olona
  987. tsy maintsy hifaninanana hafa ary, an-kilany araraotina ny fialan’ny “état” mba hanoloana azy
  988. amin’ny “fikambanana voajanahary” (izany hoe amiko, ny tena “rafim-pirenena” merina!) momba
  989. ny lafin-javatra maro mikasika ny fitantanana ny raharahantsika. Ary ivelan’ny fiarovana sosialy
  990. dia ao anatin’izany indrindra ny momba ny fampandrosoana ny toe-karena. Izany hoe ohatra ny
  991. famatsiana sy fampindramam-bola amin’ny alalan’ny banky, ny fampiofanana teknisiana mifanojo
  992. amin’izay tokony ilain’ny fandrosoantsika ny fahalalany, ny fananganana koperativa, sns.
  993. Araka ny efa nolazaiko kanefa tiako hamafisina kely farany ihany na dia mety mampame-
  994. rimerina aza izany, ny ohatra tokony ho dinihintsika hatrany ary dia ny momba an-dry zareo Tsina
  995. ampitan-dranomasina, ary indrindra any AAA. Raha atao teny fohy mantsy dia azo lazaina tsotra
  996. izao fa ny tsiambaratelon’ny fahombiazan-dry zareo dia tsy inona akory fa ny firaisan-kinany,
  997. kolokoloin’ny fahatokisan-tena mijoro amin’ny finoana fa ambony noho ny karazana hafa rehetra
  998. ry zareo, hany manana ny kolontsaina tena marina. Ka na inona olana manoloana azy, na inona
  999. ataon’ny sasany aminy, hatramin’ny fanenjehana sy ny fanandramana mandripaka (imbetsaka no
  1000. efa niseho tamin’ny tantaran’i AAA ary anisan’izany ohatra ny vokatry ny korontana tany
  1001. Indonesia tamin’ny taona 1965-1966, na koa ny tany Vietnam sy Kamboja tamin’ny 1975-1980)
  1002. dia tsy ampy mampilefitra azy izany. Na voazera aza ry zareo dia miarina vetivety foana hatrany
  1003. amin’ny fomba tsy mazava loatra akory avy aty ivelany satria toa izy samy izy irery ihany no
  1004. mifampiraharaha ny tokony ho ataony. Izany hoe saiky amin’ny lafiny rehetra mihitsy dia aleon-
  1005. dry zareo “mizaka-tena” araka izay azony atao mba tsy hiankinana loatra amin’izay “tsangam-
  1006. pitondrana” mitondra ny toerana honenany. Ary toy izany koa matetika hatramin’ny findramam-
  1007. bola izay aleony hifanaovana samy izy toy izao ohatra amin’ny banky any ivelany. Izany hoe raha
  1008. tsorina dia mikolokolo “rafim-pirenena” manokana ho azy mihitsy ry zareo eo anilan’izay
  1009. “tsangam-pitondrana” mitantana amin’ny fomba ofisialy ny raharahan’ny tany honenany. Tsy hoe
  1010. Sarasara tsy ambaka (rakitry ny Zaikabe merina, 1997-1999)
  1011.  79
  1012. izany manao “état dans l’état” loatra ry zareo fa kosa “nation en marge de l’état”, izay hararaotiny
  1013. ampiasaina ihany anefa mba ahamora ny asany sy tsy hitsabatsabahany loatra amin’ny raharahany
  1014. manokana. Ka izay mpitondra ao amin’ny “tsangam-pitondrana” mety hanelingelina azy na tiany
  1015. hanampy azy be be kokoa (amin’ny famelana azy manokana hanao izay tiany!) dia aleony
  1016. tambatambazana “vidina” tsotra izao!
  1017. Ary fantatsika koa ary izany fa tsy ry zareo Tsina ihany akory no manao toy izany fa ireo
  1018. karazam-poko matanjaka miaina any amin’ny tanin’ny hafa rehetra, toy ireo Jiosy, ireo
  1019. Armeniana, ireo Karana (hatrany Frantsa ohatra ankehitriny ho an’ireo Tamil izay vao tsy ampy
  1020. roampolo taona akory izao no nanomboka nanorim-ponenana tao Paris kanefa efa eo
  1021. ampelantanan-dry zareo sahady ny arabe maro ao amin’ny “18 ème arrondissement”!), ireo
  1022. Lebanona sy Syriana any Afrika andrefana, sy ny maro hafa eran-tany tsy ho voatanisa. Ka ny
  1023. porofo a contrario ohatra dia isika merina indrindra, na koa ireo olona mifanakaiky kolontsaina sy
  1024. toetra amintsika toy ireo Khmer, Lao, Filipina, sns. Na dia maro be aty ivelany aza mantsy isika dia
  1025. mitsitokotoko ary matoa misy “tafita” dia noho ny fianarana na ny fahaizan’ny tsirairay fotsiny
  1026. ihany amin’ny asany fa tsy mba noho ny firaisankinan’ny karazana niaviany mihitsy. Hany ka
  1027. alohan’ny mifanampy ireo “tafita” ireo dia aleony matetika mifampialona sy mifanenjika ary izay
  1028. leo dia moramora kokoa aminy ny miataka amin’ny fireneny tsotra izao amin’ny farany. Ary ny tena
  1029. loza dia toa efa fantatry ny ankamaroantsika ihany ny momba an’io (io ilay hoe “Ny mahavoa
  1030. antsika gasy hany!... ”) kanefa toa tsy misy mahita izay mety ho ala-olana mihitsy, satria angamba ho
  1031. an’ny “Gasy” dia tsy misy tsotra izao io ala-olana tadiavina io. Ka raha ny hevitro ary dia hoe, aleo
  1032. ny “Gasy” hitohy hifanjevo eo fa isika merina kosa tokony hivondrona samy isika manokana
  1033. amin’izay, manangana ny rafim-pirenentsika mahaleotena eo anilan’ny “tsangam-pitondrana” hajoro
  1034. eto Imerina izay tsy maintsy hitsinjarana amin’ny hafa ny fitantanana azy.
  1035. Ny resaka faharoa tiako hiverenana kely farany dia mbola momba ny fifandraisana amin’ireo
  1036. Mainty ihany. Hita misongadina tsara mantsy izany izao fa voatery tsy maintsy hanao “compromis”
  1037. amin-dry zareo foana isika, izany hoe hanao sorona ny tombontsoantsika sasany noho ny fitakian’ny
  1038. fiaraha-miaina. Ka ny antenaina ary dia ny mba tsy ahadiso safidy antsika satria ity indray mitoraka
  1039. ity dia tena ny ain’ny firenentsika mihitsy no lasa antoka.
  1040. Mba hampatoky be be kokoa antsika hatrany ary manoloana an-dry zareo dia ataoko fa tsara ny
  1041. hanamafisana ny fototra iorenan’ny fijerintsika. Tsy azo lavina mantsy fa matetika dia somary
  1042. “voavono-vorona” (“intimidé”) izany foana isika satria mahatsiaro tena ho “meloka” hafahafa
  1043. izany. Ary mbola noho izany indrindra ohatra no tsy asahian’ny maro amintsika mijoro amin’ny
  1044. maha-merina azy na dia any am-pony any aza dia faran’izay mampirehareha azy mihitsy izany.
  1045. Fantatra ary fa ny antony tonga dia misongadina dia ny vokatry ny fanasana atidoha nataon’ny
  1046. Vazaha izay nanabosesika tao andohantsika fa ny fanandratana ny “identity” nentin-drazantsika dia
  1047. maneho “tribalisme” sy “rasisma” ka tsy mendrika mihitsy ho aposaky ny olona te hiseho ho
  1048. “civilisé”. Ivelan’io anefa dia eo koa izany ny fahasanganehanan-tsika manokana manoloana
  1049. an’ireo Mainty izay ankehitriny dia lasa miseho eo imasontsika toy ny “victime” mitaky hatrany
  1050. “fahalalahana”, raha tsy fandeferana mila hiaro henatra, avy aty amintsika. Satria angaha izany
  1051. hoy isika hoe, tompon’andraikitra tamin’ny fanandevozana ny razan-dry zareo ny razantsika no
  1052. isika rahateo, ao am-pontsika dia tsy azo lavina fa mitohy miavona aminy (satria angaha izany
  1053. mihevitra azy toy ny “ambany”? Kanefa rehefa dinihina tsara dia tsy mora loatra araka izany ny
  1054. fipetraky ny raharaha!), hany ka ny vokany dia ny fipoiran’ny fahatsiarovan-tena ho meloka
  1055. (“mauvaise conscience”) manoloana azy. Sady izay moa amin’ny ankapobeny rahateo dia toa
  1056. mbola mahantra kokoa noho isika indray ry zareo.
  1057. Amiko anefa ankehitriny dia mazava fa tsy mitombona velively ny fototra iorenan’io
  1058. fijerintsika io ka tokony tsy maintsy mba ovaina kely amin’izay satria miankina amin’izany
  1059. indrindra ny fahombiasan’ny fifaninanana tsy maintsy hatrehantsika manomboka izao manoloana
  1060. an-dry zareo. Ka ny ho andramako velabelarina kely voalohany ary dia ny momba ny
  1061. Sarasara tsy ambaka (rakitry ny Zaikabe merina, 1997-1999)
  1062.  80
  1063. fanandevozana ary avy eo dia ny toeran’ireo mainty hoditra amin’ny tantarantsika sy ny an’izao
  1064. tontolo izao.
  1065. Ny fanandevozana dia fanao mahazatran’ny mponina rehetra teto Madagasikara (sy ny any
  1066. amin’ny toeran-kafa) hatramin’ny fahagolan-tany ela indrindra. Izany hoe samy nanandevo
  1067. daholo, ary ny niamparany dia tsy voatery ireo hafa firazanana amin’ny tena manokana ihany fa
  1068. koa ireo mpiray-ra amin’ny tena tsotra izao. Ary nisy mihitsy aza fotoana izay fomba
  1069. fampisehoana “fihantrana” ny fanandevozana satria raha ny tokony ho izy dia vonoina (ary
  1070. tapahin-doha mba ho “levona” hatramin’ny fanahiny!) tsotra izao ny fahavalo resy. Ka ny
  1071. fanontaniana azo apetraka ary raha toa ka te hifampanilika andraikitra tokoa dia ny hoe, iza marina
  1072. no nanomboka, ny razantsika sa ny an-dry zareo? Ireo mpiavy nusantara tonga nitsidika an’i
  1073. Afrika atsinanana sa ireo mpiavy Bantu, avy any Afrika andrefana, tonga nanorim-ponenana, izany
  1074. koa hoe, nanafika an’i Afrika atsinanana?
  1075. Ny valiny azo omena dia mbola miankina amin’ny vinavina ihany. Tsy fantatra mazava mantsy
  1076. na ny razantsika na ny an-dry zareo no tonga aloha ary iza no nanafika voalohany an’iza. Raha
  1077. mihevitra indrindra indrindra ny fampidirana ireo “voly asiatika” (ny oviala, ny akondro, ny
  1078. saonjo, ny vary, ny soanambo, sns.) izay toa hoe nahatonga an’ireo foko bantu nitoetra tany Afrika
  1079. andrefana-afovoany (Cameroun ankehitriny) ho afaka namakivaky ny ala ekoatoraly mandra-
  1080. pahatongany any Afrika atsinanana dia toa hoe isika no tonga aloha. Ka raha izany dia ny razan-
  1081. dry zareo no nanafika ny antsika izay nanorim-ponenana talohany tany amin’ny morontsirak’i
  1082. Afrika atsinanana (izay ny tena mponiny angaha dia karazana mpiaza mpifindra-monina mampiasa
  1083. fiteny khoi-san toy ireo “bushmen” ankehitriny any Afrika atsimo!) kanefa noroahiny teo amin’io
  1084. toerana io. Eo anilany koa anefa dia misy porofo mampiseho fa hatramin’ny taonjato faha-8 eo ho
  1085. eo dia efa nivarotra andevo afrikana hatrany Tsina ny mpiantsambo melayu! Ka asa tokoa ary izay
  1086. tena marina. Ny hany tiako ambara dia hoe tsy voatery ho isika velively akory no “meloka” fa
  1087. mety ho ry zareo koa ary ny fahendrena dia ny tsy mamikitra loatra amin’ny tantara tranainy toy
  1088. itony mba hiampangana ambony ihany ny hafa.
  1089. Taty aoriana, nanomboka indrindra indrindra tamin’ny taonjato faha-8 koa angaha izany dia ry
  1090. zareo Arabo sy Farsi (Perse), natosiky ny fivavahana silamo no toa nitana toerana voalohany
  1091. tamin’ny tantaran’ny varotra andevo tany Afrika atsinanana ary angamba koa izany, tsy ela taty
  1092. aoriana, teto Madagasikara. Ary eto koa dia maro ny antony ahafahana milaza fa tsy maintsy
  1093. nitohy nandray anjara betsaka hatrany tamin’io varotra io ny sasany amin’ireo olona Nusantara, na
  1094. teo anilan-dry zareo silamo izany, na mifanohitra aminy. Hany ka azo hinoana mihitsy aza fa ny
  1095. fifangaroan’ireo olona Nusantara ireo sy ny andevony no tena loharano nipohiran’ireo foko
  1096. nanaranaka ny ankamaroan’ny tanindrana taty aoriana. Ny momba ny razana nanaranaka antsika
  1097. manokana anefa dia mahalasa eritreritra avy hatrany, noho ry zareo indrindra nahatana ny
  1098. firazanany izay voalazan’ny lovan-tsofina maro mihitsy aza fa faran’izay nahasaro-piaro azy satria
  1099. toa hoe aleony izany nifindra monina irery aty ampovoan-tany toy izay hifangaro amin’ireo foko
  1100. hafa firazanana aminy tany anindrana. Ka ny fanontaniana azo apetraka dia ny hoe, mba anisan’ny
  1101. nandray anjara tamin’ny varotra andevo koa ve ry zareo tamin’izany sa tsia?
  1102. Raha ny fiheverako azy ary, ny valiny dia tsy sarotra loatra satria izany tsy misy antony ahafahana
  1103. miteny fa nanana andevo mainty ireo mponin’Imerina voalohany. Marina fa mety misy “olana” kely
  1104. eto momba ny razan’ireo Manendy manokana izay mihambo indraindray fa hoe “niaraka tamin’ny
  1105. tany” hono, izany hoe anisan’ny mponin’Imerina voalohany koa angaha. Noho ry zareo iray fomba
  1106. sy fiteny tanteraka amintsika anefa dia azo lazaina fa, na taranaka andevo mainty avy any anindrana
  1107. nanaraka ny Merina ireo, na taranaka mpanafika taty aoriana tsotra izao (toy ireo Zazamainty izay
  1108. angamba ny razany indrindra!) ary navela hanorim-ponenana malalaka tamin’ny sisin’Imerina. Ka
  1109. noho izany dia azo hinoana koa fa, na tamin’ireo razantsika mbola nitoby tany anindrana aza dia, na
  1110. tsy nanana “moyen” nananana andevo mainty loatra ry zareo, na tsy nila tsotra izao, noho ny antony
  1111. tsy mbola fantatra (ary iza no mahalala, angamba koa noho ny tahotra hifangaro aminy!). Ny hany
  1112. Sarasara tsy ambaka (rakitry ny Zaikabe merina, 1997-1999)
  1113.  81
  1114. olona nusantara tena mpanandevo mainty izay nifangaroany ra avy eo izany dia ireo nanaranaka
  1115. tanindrana indrindra! Ka amiko dia efa olona nanary koa ny hasin’ny firazanany nusantara
  1116. manokana ireo ka tsipahiko, sahala amin’ny nanipahan’ireo razantsika azy ihany rehefa nisafidy
  1117. nandao azy tamin’ny fifindra-monina taty Imerina ry zareo!
  1118. Momba ny tantara moderina kokoa indray, izany hoe ny nitranga hatramin’ny taonjato faha-16
  1119. angaha dia toy izao amiko ny fipetraky ny raharaha.
  1120. Ny soratra vazaha voalohany manonona ny anarantsika (amin’ny ny endrika hoe “hova”!) dia
  1121. noho ireo babo merina namidy toy ny andevo tany Mahajanga. Mazava amin’izany fa hatramin’io
  1122. fotoana io (sy talohany koa angaha, mety ho efa hatramin’ny nanorenantsika fonenana taty
  1123. ampovoan-tany, na dia mahalana ihany aza talohan’ny nahatongavan’ny Vazaha tany anindrana!)
  1124. dia tsy nitsahatra nanafika antsika ny tanindrana sasany ahazoana andevo. Ary indrindra moa izany
  1125. tamin’ny taonjato faha-18 izay sady potika ny firaisan’Imerina (noho ny hadisoan’
  1126. Andriamasinavalona, izay tompon’andraikitra rahateo koa tamin’ny fananganana ny “firenena
  1127. manisotra”!) no nivelatra be koa ny varotra andevo noho ny filan’ireo Vazaha (ary voalohany
  1128. tamin’izany indrindra ny Frantsay!) olona maro hampiasaina anterivozona any Amerika sy ireo
  1129. nosy kiringa ankehitriny. Ilay “mecanisme” dia mazava tsara: mila andevo ny Vazaha ary ny
  1130. fomba ahazoany an’izany indrindra dia ny fivarotana basy izay ry zareo rahateo no mpanamboatra
  1131. voalohany. Ka izay mivarotra andevo aminy ary dia mahazo basy ary izay manam-basy dia afaka
  1132. manafika ny hafa mba hananana andevo maro. Ary tsy misy fomba hiarovan-tena hafa ankoatra ny
  1133. fidirana ao amin’ilay “circuit”, izany hoe mba manafika ny hafa mitady hanafika ny tena rahateo
  1134. koa mba hananana andevo hividianana basy!... Ny vokany dia nikorontana tanteraka Madagasikara
  1135. manontolo nandritra ny taonjato faha-18. Ary tsy mahagaga raha toa ka tamin’io fotoana io
  1136. indrindra no voalaza fa imbetsaka no nanafika antsika ireo Sakalava, na koa ireo Sihanaka. Ary
  1137. anisan’izany fanafiana izany indrindra koa ary ny nataon’ireo Zazamainty izay angamba anefa efa
  1138. nanomboka hatramin’ny taonjato faha-17. Ny fahatsiarovana ny fangirifiriana tamin’izany ho
  1139. antsika dia ny fitenenana toy ny hoe “lasa any amin’ny varo-tsy-mifody” sy ny anaran-tany toy ny
  1140. Ampamoizankova (misy roa na telo manodidina an’Imerina!), Amapamoizamaso, Ampitaniankova
  1141. (“tany” > “t-om-any”), sns.
  1142. Ka eto ary no mijoro Andrianampoinimerina ary miharihary ny tokony tsy maintsy nampiraisana
  1143. indray an’Imerina. Hany ka azo lazaina fa na Andrianamboatsimarofy, mpanjakan’Antananarivo koa
  1144. aza dia efa nihevitra ny tokony hanatanterahana an’io fampiraisana io kanefa tsy nanana ny
  1145. fahendrena sy ny fahakingan’ny Ombalahibemaso izy. Ary toy izany indrindra koa Andriamary,
  1146. mpanjakan’Imamo andrefana izay, noho ny fahaleovana manohitra ny fanafian’ireo Sakalava
  1147. indrindra dia nanapa-kevitra ny hanatona izy tenany avy hatrany an’Andrianampoinimerina mba
  1148. hanampy azy hamory an’Imerina. Hany ka azo lazaina fa, raha tsy nisy an’io fanatonan’Andriamary
  1149. io (izay sady nampiakatra ny “prestige”-n’Andrianampoina no tonga dia naha-voadidina avy hatrany
  1150. an’i Marovatana sy Imamo atsinanana, ary koa nisarika an’i Vonizongo!) dia mety ho faran’izay
  1151. sarotra, raha ho vita, ny asa famoriana an’Imerina. Hita amin’izany eto ny anjara-toerana faran’izay
  1152. lehibe notanan’Andriamary amin’ny tantaran’ny fampiraisana an’Imerina izay hatramin’izao anefa
  1153. dia toa tsy mbola nisarika loatra ny mason’ireo mpandinika tantara.
  1154. Ka dia niady tokoa ary izany Andrianampoinimerina ary, mba ahazoana fiadiana dia nivarotra
  1155. andevo maro be koa (izay nantsoina indrindra tamin’izany hoe “takalombasy”!), na mainty izany
  1156. na fotsy, nikiry biby nanohitra azy. Izany hoe ny antony voalohany nahatonga ireo andevo mainty
  1157. ho maro be teto Imerina izany dia ny fampiasana azy toy ny “vola” (“vola mainty” koa hoy ny
  1158. fiteny!) na “capital” hividiana fiadiana tamin’ny Vazaha. Avy eo moa dia nanampy trotraka koa ny
  1159. fanararaotana ny fisiany ho an’ny asa an-dapa sy ny fanompoana andriana, noho ilay
  1160. “fifaninanana” mihoa-pampana nisy teo amin’ireo Andriana sy Hova!...
  1161. Nanomboka tamin’ny fanavaozana moderina nataon-dRadama anefa dia niova koa ny antony
  1162. nitohizantsika nanangona andevo avy any Anindrana. Tsy mba ny fitadiavam-basy loatra intsony
  1163. Sarasara tsy ambaka (rakitry ny Zaikabe merina, 1997-1999)
  1164.  82
  1165. mantsy eto no nanosika antsika fa ny filana olona tsotra izao. Ny antony voalohany dia satria asa
  1166. fanompoana tsy ahazoana karama (ankoatra ny fiadiana angaha) ny raharaha miaramila sy ny
  1167. fandehanana miady any anindrana, hany ka mba hamporisika ny mpiady sy hanonerana azy rehefa
  1168. azo ny fandresena dia avela handroba sy misambotra andevo ry zareo. Sady izay moa ilaina koa
  1169. izany ny andevo mba hiandraikitra ny asa sasany any an-tanana rehefa voatery miady any ivelany
  1170. ny vatan-dahy maro. Ary farany dia fomba fanasaziana izay sahy nanohitra ny fahefan’ny
  1171. fanjakana merina tsotra izao ny fanandevozana ireo olona resy.
  1172. Ka raha izany, ny tompon’andraikitra voalohany tamin’ny fampidirana andevo tamin’ny andron-
  1173. dRadama sy Ranavalona voalohany (fotoana tena nahatongavan’ny andevo maro teto Imerina!) dia
  1174. tsy inona akory fa ny tsy maintsy nanitarana ny fahefantsika tany anindrana sy “nitanana” azy
  1175. amin’ny fomba rehetra. Inona anefa moa no antony tena nanery antsika nanao izany tokoa raha tsy
  1176. ny tahotra ny ho tafian’ny Frantsay ihany! Raha tsy niseho ho tompon’i Madakasikara manontolo
  1177. isika dia tsy maintsy nanararaotra nanjanaka avy hatrany ny faritra sasany tany anindrana ny
  1178. Frantsay, izay nampiasainy avy eo toy ny toeram-pamaharana hamelezana antsika satria ny
  1179. fanjanahana an’i Madagasikara manontolo hatrany no tena tanjony.
  1180. Azo lazaina tsotra izao ary raha izany fa ny anton’ny “ampaira merina” voalohany, izay
  1181. niteraka koa ny fampidirana andevo mainty maro avy any anindrana dia tsy inona akory fa ny tsy
  1182. maintsy niarovan-tena manoloana ny Frantsay (nampian’ireo tanindrana maro mpiandany azy,
  1183. ary voalohany tamin’izany ny Sakalava!). Fantatra koa anefa ankehitriny fa ny tena “anton-
  1184. doka” (“enjeu”) tamin’io tolona fanoherana ny Frantsay io ho an’ny firenentsika dia tsy inona
  1185. akory fa ny fahafahany sy ny ainy tsotra izao! Izany hoe, ao ambadiky ny “rehareha” miseho ho
  1186. manana “ampaira” lehibe dia tolona ho an’ny ain’ny firenena merina tsotra izao no natrehan’ireo
  1187. mpialoha lalana antsika tamin’ny taonjato lasa. Ny loza dia sady resin’ny Vazaha ihany isika
  1188. tamin’ny farany no nitondrahantsika andevo mainty maro be avy any anindrana koa izany ny
  1189. tanindrazantsika manokana! Sady very ny fahafahana sy ny “légitimité” nananana hatrany
  1190. ampiandohana no lasa tsy maintsy tsinjaraina amin’ny hafa koa ity hatramin’ny fananana
  1191. an’Imerina!... Ary tsy ny fisian’ireo Mainty ihany izany no famosaviana avy amin’ny Vazaha fa
  1192. koa ny fidiran’ny ankamaroan’ny Karana sy ny Sinoa izay tsy maintsy hanana toerana lehibe
  1193. hatrany koa rahampitso amin’ny fiainan’Imerina.
  1194. Toy izany amin’ny ambangovangony ny mikasika ny tantarantsika manokana amin’io lafiny io.
  1195. Raha andramana hitarina amin’ny tantaran’izao tontolo izao indray ny raharaha dia izao no azo
  1196. ambara amin’ny teny fohy.
  1197. Tamin’ny fiafaran’ny taonjato faha-15, nanombohan’ny Vazaha nananika an’izao tontolo izao
  1198. dia toy izao ny fizarazaran’ny karazan’olona lehibe sasany teto ambonin’ny tany. Ny hany
  1199. toeran’ny Vazaha dia tany Eropa irery ihany. I Amerika manontolo dia tanindrazan’ireo olona
  1200. Amerindia. I Oseania dia teo ampelantanan’ireo olona Polynesia sy Mikronesia ary Melanesia ; i
  1201. Australia moa dia tsy nahitana afatsy ireo teratany “aborigines”. I Afrika indray dia fanjakan’ny
  1202. “Arabo-berbera” tany amin’ny faritra avarany ary an’ireo gena mainty hoditra tany amin’ny faritra
  1203. afovoany sy atsimo, hany toerana nahitana an’ireo voatonona farany ireo rahateo koa. Isika olona
  1204. Nusantara indray dia nanjaka tanteraka manerana ny ankamaroan’ireo vondronosy rehetra tany
  1205. AAA, miaraka amin’ny nosin’i Pekan/Taiwan; ny tapany atsimon’i Vietnam ankehitriny, ny
  1206. fitambaran’i Polynesia sy Mikronesia ary farany, ny afovoantanin’i Madagasikara. Araka ny
  1207. filazan’ny Vazaha maro koa anefa dia toa mbola tsy tanteraka akory angaha izany ny fitelemana
  1208. ireo taranaka nusantara sasany tany anindrana hatramin’ny taonjato faha-17 satria tany Anosy
  1209. ohatra dia mbola niavaka tsara ny “fotsy” sy ny “mainty” tamin’ny andron’i Flacourt!
  1210. Ankehitriny kosa anefa, 500 taona taty aoriana dia niova tanteraka ny raharaha. Ka ny
  1211. fanontaniana azo apetraka dia ny hoe, iza marina ary ireo maty antoka ary iza kosa no nahazo
  1212. tombony. Raha tsy tanisaina ireo foko kely maro nitsitokotoko izay ringana tanteraka ka na ny
  1213. anarany aza tsy misy mahalala loatra intsony, ny karazan’olona maty antoka indrindra dia tsy azo
  1214. Sarasara tsy ambaka (rakitry ny Zaikabe merina, 1997-1999)
  1215.  83
  1216. lavina fa ireo olona Amerindia sy ireo teratany any Australia izay zara ankehitriny raha mbola
  1217. manana toerana kely toy ny “vitsy an’isa” eo anivon’ny tanindrazany. Manaraka an’ireo anefa dia
  1218. isika olona Nusantara angamba no nahita faisana indrindra. Raha andramana tanisaina mantsy dia
  1219. ireto avy ohatra ny faritany votsotra niala teo ampelantanantsika. Tany AAA aloha dia lasan’ireo
  1220. Tsina i Pekan/Taiwan ary koa Singapura sy ny ampahany betsaka any Malaysia; toy izany,
  1221. lasan’ireo Viet i Campa manontolo, izay ny faritaniny taloha dia nandrakotra ny afovoan’i
  1222. Vietnam ankehitriny. Tany Oseania indray dia lasan’ny Vazaha ny vondronosy Hawai’i sy
  1223. Aotearoa/New Zealand, hany mba faritany midadasika teo ampelantanan’ireo olona Polynesia.
  1224. Ary farany, eto Madagasikara izany dia votsotra teo ampelantanan’ny Merina koa hatramin’ny
  1225. fahefana eto Imerina!... Ankoatr’izany moa dia saiky eo ampelanatanan’ireo mpiavy Tsina
  1226. tanteraka koa ny teokarenan’i AAA manontolo ary tsy ferana ny fahapotehan’ny kolontsaina
  1227. nentin-drazana na aiza na aiza, na noho ny fanompoana silamo izany na ny fanarahana
  1228. anjambany ny fampianarana kristiana nentin’ny mpanjanatany vazaha.
  1229. Momba an’ireo nahazo tombony indray dia izao no azo ambara. Ny voaloha-laharana moa
  1230. izany dia mazava fa ry zareo Vazaha ka tsy ilana famelabelarana betsaka akory ny momba an’io.
  1231. Manaraka izany dia eo ireo foko asiatika maro toy ireo Japana, Viet, ary koa izany Tsina izay tsy
  1232. nitsahatra nandroso sy nitombo hery ary fananana mandraka ankehitriny. Ary azo lazaina fa toy
  1233. izany koa i India izay matoa somary sahirana izany ankehitriny dia noho ny fitombon’ny mponiny
  1234. fotsiny ihany. Ho an’ireo Arabo sy ny firenena silamo hafa moa dia mazava ho azy fa namokatra
  1235. koa ny tantara ary matoa ry zareo mbola tsy afa-po dia satria aminy tokony ho tompon’izao tontolo
  1236. izao amin’ny fomba tsy refesi-mandidy tsotra izao ry zareo. Fa ny tena mahagaga ary dia ity: toa
  1237. azo ampidirina tanteraka ho anisan’ireo nahita tombontsoa koa ankehitriny ireo mainty afrikana!
  1238. Ho an’izay mandre ny fanambarana toy izany voalohany dia toa fandatsana tsotra izao no
  1239. fonosany. Moa va tsy i Afrika no tany niamparan’ny fanandevozana mafy indrindra tamin’ny
  1240. tantaran’izao tontolo izao? Hany ka heverina ankehitriny fa nanomboka tamin’ny taonjato faha-16
  1241. ka hatramin’ny fiandohan’ny taonjato faha-19, eo amin’ny 8 tapitrisa eo ho eo raha kely (ary mety
  1242. mahatratra hatramin’ny 15 tapitrisa hoy ny fiheverana sasany!) no isan’ireo Afrikana nongotana
  1243. tamin’ny taniny mba hamidy amin’ireo Vazaha nanondrana azy avy eo any ivelany. Ary taloha sy
  1244. anilan’izany moa dia mety mahatratra hatramin’ny 20 tapitrisa angamba ny fitambaran’ny Afrikana
  1245. nandalo tamin’ny fivarotan’andevon’ny Arabo izay indraindray nanondrana an-dry zareo hatrany
  1246. India, na koa izany... Madagasikara!
  1247. Rehefa mandinika tsara anefa ny vokatr’izany rehetra izany dia sarotra ny tsy ho sangane-
  1248. hana. Voalohany indrindra aloha, i Afrika mainty manontolo ankehitriny dia eo ampelantanan’ny
  1249. mainty hoditra irery ihany. Eny ka hatramin’i Afrika atsimo mihitsy aza izay faritany vao
  1250. norombahin’ny Bantu teo ampelantanan’ireo Vazaha (narian’ny havany noho ny havendranany!)
  1251. nanorim-ponenana talohany. Tsy io voatonona farany io ihany anefa no fananam-bazaha
  1252. (norombahina tamin’ny hafa talohany!) niafara taty aoriana teo ampelatanan’ireo taranaka
  1253. Afrikana fa koa faritany maro any Amerika, ary indrindra moa izany any Amerika afovoany. Ary
  1254. tsy ferana ireo mainty sy ny safiotrany any Amerika atsimo, toan’i Brazil (45% ny mponina),
  1255. Guyana, Colombia, sns. Tsy azo adinoina koa ireo any USA (12,5% ny mponina). Hany ka raha
  1256. isaina mitambatra dia mihoatra lavitra ny 100 tapitrisa ireo taranaka mainty hoditra lasa
  1257. tompontany any Amerika ireo. Marina fa mandraka ankehitriny dia mbola sahirana kokoa ny
  1258. ankamaroan-dry zareo miohatra amin’ireo taranaka mpiavy hafa karazana kanefa tsikelikely dia
  1259. hita eny ihany ny fiakarany. Hany ka raha mitohy ny fandehan-javatra toy ny ankehitriny, tsy
  1260. mahagaga ohatra raha amin’ny hoavy tsy ela dia iray amin-dry zareo no ho lasa filohan’i USA, na
  1261. koa i Brazil. Ary eo amin’ny sehatry ny fanatanjahan-tena sasany sy ny mozika moa ankehitriny
  1262. dia iaraha-mahalala ny fanjakazakan-dry zareo tsotra izao. (Ny fanatanjahan-tena noho ny vatany
  1263. sy ny talentany tokoa fa ny mozika, ary ny sarimihetsika kosa dia noho ny fisolelafan’ny Vazaha
  1264. mampiasa azy indrindra indrindra, noho ny tetika hafahafa!).
  1265. Sarasara tsy ambaka (rakitry ny Zaikabe merina, 1997-1999)
  1266.  84
  1267. Ka manoloana ny toe-javatra toy izany ary dia sarotra ny tsy ho tonga amin’ny fiheverana fa
  1268. tena anisan’ny nahita tombontsoa tamin’ny fandrombahan’ny Vazaha an’izao tontolo izao koa ireo
  1269. Afrikana! Azo lazaina mihitsy aza fa mpanaraka tao aorian’ny Vazaha hatrany ry zareo, nanompo
  1270. aloha tamin’ny voalohany dia avy eo, rehefa niataka na voatelina ny tompony, nanjary lasa
  1271. mpandova. Ireo Vazaha nanao “expansion active” ary ireo andevony afrikana kosa nanao
  1272. “expansion passive” tao andamosin-dry zareo tao. Hany ka sady nanongotana andevo sy
  1273. nozanahina i Afrika no lasa mpanani-bohitra sy mpanjanaka tsy fidiny koa tany Amerika (sy
  1274. Madagasikara!). Izany hoe tena fitaovana ary mpanampy nifarimbona tamin’ny fanjanahantany teo
  1275. antanan’ny Vazaha tsotra izao ry zareo, na tamin’ny endrika andevo izany na tamin’ny endrika
  1276. “tirailleurs”, toy ireo Sonegaly (zandrin’ny Jolofo/Wolof!) taty aoriana. Ary mba nahazo tanteraka
  1277. ny “anjarany” tamin’ny vokatry ny fandrobana ny tanin’ny hafa koa taty aoriana satria ry zareo
  1278. izany no tena “tompon’ny farany”. Ny Vazaha ohatra no nahita an’i Haiti sy nanapotika ireo
  1279. teratany amerindia kanefa ankehitriny sy amin’ny hoavy rehetra dia ny taranaka Afrikana irery ihany
  1280. no nanjary lasa tompon’io faritany io. Manoloana ny tantara dia toa zavatra nandalo fotsiny ihany
  1281. sisa ny fanjakazakan’ny Vazaha. Hatramin’izao dia mbola eo amin’ireo « nosy kiringa » any
  1282. Amerika afovoany no tanteraka izany kanefa any aoriana any dia mety mbola hoavy koa ny
  1283. anjaran’ny faritany hafa lehibe kokoa toan-dry Brazil indrindra sy USA. Momba an’io voatonona
  1284. farany io, moa va tsy efa voavinavina matetika sahady fa ao anatin’ny 50 taona any ho any ohatra dia
  1285. mety ho lasa vitsy an’isa ireo “wasp” na fotsy hoditra taranaka anglo-saksona manjakazaka
  1286. mandraka ankehitriny! Ary iza no mahalala, ao anatin’ny zato taona ohatra dia mety ireo mainty
  1287. (miaraka amin’ny fanampian’ny mpiavy vaovao avy any Afrika!) tsotra izao no hanjary maro
  1288. an’isa! Ka raha izany dia tena azo heverina toy ny farasisan’ny fanjakazakan’ny Vazaha izay
  1289. nielina fotsiny ihany tsotra izao ny fanjakazakan’ny mainty. Izany hoe, ry zareo tokoa izany
  1290. angamba no tena azo antsoina hoe... “taim-bazaha” !
  1291. Ary hita tokoa fa toa misy “tsikombakomba” hafahafa izany eo amin’ireo Vazaha sy ny mainty
  1292. hoditra. Hany ka ho an’ireo Vazaha ankehitriny, izay mazava fa manomboka lotiky ny
  1293. “décadence” tanteraka noho ny hagaigena mihoa-pampana, ny “antirasisma” sy ny “political
  1294. correctness”1 dia miseho indrindra indrindra amin’ny fanindrahindrana ireo mainty. Sahala
  1295. amin’ireny hoe tsy misy tokoa afatsy ny mainty hoditra no nahita faisana tamin’ny fanjakazakan-
  1296. dry zareo nandritra izay taonjato maro vao lasa izay !
  1297. Ka ny fampianarana azo raisina amin’izany rehetra izany ary ho antsika dia ireto avy.
  1298. 1
  1299.  Tany amboalohany, ny hoe “political correctness”, maneho ny “politically correct”, izay adikan’ny frantsay amin’ny
  1300. filaza somary maneso hatrany hoe “politiquement correct” dia indrindra indrindra fomba fiteny mba tsy handratrana ny
  1301. hambom-pon’ireo mpikambana amin’ny foko vitsy an’isa any Amerika, ary indrindra izany ireo mainty hoditra izay tsy
  1302. tokony ho antsoina intsony hoe “negro” fa kosa “Black” ary avy eo “African-American” tsotra izao. Avy eo moa dia
  1303. nitarina tamin’ireo foko na karazana hafa ilay fanao, hatramin’ireo sokajin’olona misy mampiavaka azy amin’ny
  1304. ankamaroan’ny hafa rehetra, toy ireo manana kilema na fomba fiainana “hafahafa” ohatra. Tsy tokony hoe “jamba”
  1305. intsony izany no fiteny fa “tsy mahita tsara”, tsy hoe “botry” fa “kely halavana” ary (ho fihomehezana!) tsy hoe “sola” fa
  1306. “tsy mila fihogo” (free comb). Ny tena loza anefa, vetivety foana dia tsy nijanona amin’ny fomba fiteny mavesatra lasa
  1307. feno fiatsaram-belatsihy fotsiny ny “political correctness” mba ihitatra koa amin’ny fomba fisainana sy ny fiainana
  1308. rehetra eo anivon’ny fiaraha-monina. Noho izany ohatra dia tsy misy sahy maneho hevitra manokana mety hanelingelina
  1309. ireo mpitondra tenin’ireo sokajin’olona vitsy an’isa intsony izay indraindray toa lasa mpanjakazaka tsotra izao,
  1310. manery ny mpiara-monina hafa hanaiky fa ny toetra na fanao mampiavaka an-dry zareo dia zavatra “normal” ary
  1311. mendri-kaja tanteraka na dia mety ahafaty antoka ny firenena aza izany satria mamoa-fady (izany hoe manao toy ny
  1312. tsinontsinona ny finoana sy ny fototra iorenan’ny fiaraha-monina!) na tsapa fa mety hanapoizina ny fiainan’ny
  1313. taranaka hoavy. Hita tsara izany ohatra momba an’ireo mpanelaka sy ireo mitady hamotika ny firenena amin’ny
  1314. fanambadiambadiam-poana amin’ny hafa karazana tsy tokony ho vadiany. Noho izany dia tokony ho tandremana
  1315. tokoa ny fifanajan’ny mpiara-monina (ary tsy vaovao amin’ny fisainana merina rahateo moa izany, isika izay
  1316. hatramin’ny fahagolantany dia manao hatrany izay tsy hanalana baraka na ahamenatra amin’ny tsy antony ny hafa
  1317. ifampiraharahana rehetra!) ary hajaina ny fahasamihafana mampiavaka ny karazana sy sokajin’olona tsirairay kanefa ny
  1318. tombontsoan’ny firenena dia tsy maintsy atao eo ambonin’izay rehetra izany foana.
  1319. Sarasara tsy ambaka (rakitry ny Zaikabe merina, 1997-1999)
  1320.  85
  1321. Volohany indrindra aloha dia hita eto fa, amin’io lafiny manokana io, ny zavatra niseho teto
  1322. Madagasikara dia mitaratra tanteraka ny tantaran’izao tontolo izao. Izany hoe azo alahatra eo
  1323. anilan’ireo “nosy kiringa” any Amerika afovoany tsotra izao koa ny tanindrazantsika. Ka isika no
  1324. manjary toy ny karazana Amerindia tompotany voasongon’ny mpananibohitra-mpanandevo arabo sy
  1325. vazaha, nitarika hatrany ireo Afrikana ao ariany. Hany ka tsikelikely, rehefa potika isika ka nielina
  1326. ny fanjakazakan’ireo Fotsy dia ny Afrikana irery ihany no hanjary tompon’ny farany. Moa va tsy efa
  1327. lasan-dry zareo tanteraka ankehitriny ny vondronosy Komoro izay azo hinoana anefa fa ny olona
  1328. nusantara no nanorim-ponenana tao voalohany? Ary toy izany koa, ny mainty no efa nandova
  1329. ankehitriny ny Vazaha any Seychelles, ary angamba koa rahampitso, any La Réunion. (Ary
  1330. tsetsatsetsa tsy aritra, ivelan’ireo mainty afrikana dia eo koa ireo karana mainty nasolon’ireo Vazaha
  1331. azy rehefa nofoanana ny fanandevozana ka lasa maro an’isa ankehitriny any Maurice, Fiji,
  1332. Suriname, Guyana, sy nosy kely karaiba sasany !).
  1333. Rehefa mandinika an’izany rehetra izany ary dia toa lasa mazavazava kokoa avy hatrany ohatra
  1334. ny tolon’ny Padesm/FTMK mitaky “lova” amin’ny mpanjanatany vazaha mba ahafahana mi-
  1335. songona mora fotsiny ny Merina eo amin’ny tanindrazany manokana! Ary hita misongadina koa
  1336. ny tena halehibeazan’ny tolona hatrehantsika manokana ankehitriny. Tsy hoe mba ho an’ny
  1337. “fandrosoana” na koa hitakiana kely ny “rariny” noho ny herisetran’ny mpanjanatany fa tena
  1338. tolona mihatra aman’aina, ho an’ny aina indrindra, manana ny toerany manokana eo anivon’ny
  1339. arivo-arivo taonan’ny tantara. Firenena hany sisa tavela (“survivant”) ny firenentsika ary ny tolony
  1340. dia manohy sy mamarana ny tantaran’ny firenena nusantara manontolo aty amin’ny faritra
  1341. andrefan’ny ranomasina Indonesia. Izany hoe ny faharesentsika dia midika koa fahataperana ho
  1342. an’ny tantaran’ny fisian’ny firenena nusantara aty amin’ity faritany misy antsika ity. Ary ny
  1343. anaran’Imerina dia hahampy fotsiny ny anaran’ireo tany hafa rehetra votsotra teo ampelantanan-
  1344. tsika, toan’ireo faritany any anindrana, ireo nosy Komoro, ary hatramin’ny morontsiraky Afrika
  1345. atsinanana angamba!
  1346. Ka raha izany ary dia tsy misy antony na kely aza tokony “ahamenatra” na hikosoan-tsika maso
  1347. mihitsy manoloana ireo mainty. Tsy meloka na amin’inona na inona manoloana an-dry zareo isika
  1348. (eny fa hatramin’ny raharaha momba ny fanandevozana aza!) ka tsy afaka ny hanaiky koa ny ho
  1349. hampangaina mora fotsiny mba handefitra. Raha misy firenena afaka milaza fa “natao sorona”
  1350. (“victime”) eto Madagasikara dia voalohany amin’izany ny Merina! Ary tsy hoe manoloana ny
  1351. Vazaha ihany fa koa manoloana tsotra izao ireo mainty hoditra rehetra manodidina antsika, na ny eto
  1352. Imerina izany na ny any anindrana. Marina fa raha jerena am-bolony fotsiny ihany dia toa isika
  1353. ohatra no nanafika an-dry zareo tamin’ny taonjato lasa kanefa rehefa andramana halalinina kely
  1354. kokoa ny tantara dia mora fotsiny no ahitana fa tena “valim-panafihana” tsotra izao ary fiarovan-tena
  1355. no nataontsika. Ary moa va tsy ny razantsika rahateo koa no tompontany voalohany tany anindrana
  1356. izay voatery nilaozany taty aoriana? Rehefa misaina an’izany dia miseho avy hatrany amin’ny
  1357. endrika hafa ohatra ny fahitana ny fidinan’ny tafika merina voalohany tany anindrana tamin’ny
  1358. andron-dRadama. Tsy tany vahiny no notafihina fa ny tanindrazana taloha no nodiavina indray!
  1359. Ary ny momba an’ireo tena Mainty enindreny indray dia tsy mino velively aho fa tokony afaka
  1360. hiampanga antsika mihitsy ry zareo. Taranaka fahavalo resy nitady hanapotika antsika ry zareo
  1361. kanefa nanjary nomentsika toerana ambony manakaiky indrindra ny fitondrana teo amin’ny
  1362. tanindrazantsika. Hany ka tsy mbola nandre aho ohatra olona afaka nanaporofo fa hoe
  1363. nampijaliantsika ireo Mainty enindreny tamin’ny taonjato lasa! Ary rehefa mba sendra mitaraina
  1364. ry zareo dia ny fampihenan’ny mpitondra hova ny fahefana lazainy fa nananany tamin’ny andron’-
  1365. Andrianampoinimerina no hany hitany hitomaniana. Ka raha izany, ny hany zavatra tsy
  1366. navelantsika nataony angamba dia ny manambady merina, kanefa heloka va izany? Ary na momba
  1367. ny tena andevo aza dia tsy mifankaiza loatra amin’izany koa ny nataontsika. Ny soratra vavolom-
  1368. belona rehetra mantsy dia miara-manaiky avokoa fa, na dia eo aza ny fahoriana ateraky ny
  1369. fahaverezan-jo tarihiny, raha oharina amin’ny fahita mahazatra any amin’ny toeran-kafa dia
  1370. faran’izay “nalefaka” ny fampiharana ny fanandevozana fahiny teto Imerina. Hany ka noho ny
  1371. Sarasara tsy ambaka (rakitry ny Zaikabe merina, 1997-1999)
  1372.  86
  1373. “hehamaso” ara-pitenenantsika, na ny milaza hoe “andevo” fotsiny aza matetika tsy nataontsika fa
  1374. aleontsika mampiasa teny toy ny hoe “ankizy”, “mpanompo” na “olona” tsotra izao! Ry zareo
  1375. Sakalava anefa dia tsy menatra akory ohatra miantso ny andevony (raha tsy ny vahoakany!) hoe
  1376. “hanim-boay”!1
  1377. Ary manaraka izany moa dia tsy misy afaka manda koa fa tsy isika velively ankehitriny no
  1378. manambana na mitady hanapotika an-dry zareo fa kosa ry zareo no milofo handringana antsika
  1379. tsotra izao! Ka iza tokoa ary raha izany no tokony ho menatra? Ny hany hangatahin’ny fire-
  1380. nentsika, araka ny fiheverako, dia tsy misy afatsy ny mba ahafahana mitohy miaina amin’ny maha-
  1381. merina antsika; manaranaka merina mitaratra ireo razantsika sy manohy tanteraka ny tantarany sy
  1382. ny antsika. Heloka ary ve izany? Mba efa nandrara an-dry zareo tsy hirehareha amin’ny razany
  1383. manokana na koa manandratra ny mampiavaka azy ary ve isika? Iza marina eto no tsy mamela ny
  1384. hafa hiaina?
  1385. Ka noho izany rehetra izany ary dia tsy misy antony intsony na kely aza ankehitriny tokony
  1386. hanekentsika lembenana manoloana an-dry zareo. Tolona masina satria madio mangarangarana,
  1387. tsy mitaky afatsy ny fiarovana ny zon’ny Merina ho velona amin’ny maha izy azy nentin-drazany
  1388. ny tolona hatrehan’ny firenentsika ka tsy tokony hampikoso-maso na manoloana an’iza na iza. Ary
  1389. indrindra moa izany, manoloana ireo Mainty sy ny Vazaha izay azontsika ampangaina rahateo ho
  1390. nitady hatrany, mandraka ankehitriny, tetika maizina mba hanapotehana antsika.2 Ka raha misy ary
  1391. tokony hiova dia tsy isika loatra (raha tsy hoe mba ho sahy mijoro kokoa fotsiny angaha!) fa ry
  1392. zareo. Izy ireo no tokony ho menatra sy hanetri-tena noho ny ratsy efa nataony tamintsika, ary
  1393. indrindra moa izany ny tetiny ankehitriny handringana tsotra izao ny firenentsika.
  1394. Izany hoe tokony amin’ny fahasahiana mijoro ho merina sy ny fatokisan-tena tanteraka izany
  1395. no hanatonantsika an-dry zareo Mainty mba hitaomana azy hijoro amin’ny maha-mainty azy raha
  1396. toa ka ny fiaraha-monina sy ny fiaraha-miasa tokoa no tadiaviny fa tsy ny fomba hanapotehana
  1397. antsika. Ary anjarany no manaiky amim-pahatsorana fa isika tokoa no tena tompontany voalohany
  1398. 1
  1399.  Cf. L.Molet, “Le vocabulaire concernant l’esclavage dans l’ancien Madagascar”, in Perspectives nouvelles sur le
  1400. passé de l’Afrique noire et Madagascar. Mélanges offerts à Hubert Deschamps, Paris : Publ. de la Sorbonne, 1974,
  1401. tkl. 52-53 izay manambara indrindra toy izao : « Les princes considéraient tous leurs sujets comme des esclaves et se
  1402. débarrassaient de tous leurs opposants en les vendant. L’ordre régnait ainsi et tout le monde semblait satisfait de cette
  1403. situation. Ce peuple a absorbé un grand nombre d’anciens esclaves, souvent d’origine africaine et que l’on appelait
  1404. naguère par dérision ‘hanim-boay’, nourriture de crocodile ».
  1405. 2
  1406.  Ho an-dry zareo Mainty moa izany dia sarotra afenina na dia tsy tena izany aza eto ny zava-kinendry izay ny
  1407. marina dia ny faniriana indrindra indrindra mba tsy ho mainty, na farafaharatsiny, tsy ho mainty loatra. Ho an-dry
  1408. zareo Frantsay indray, ny manosika voalohany eto dia ny “fahazaran-dratsy” tsotra izao, ny fiheverana hatrany fa,
  1409. amin’ny raharahan’i Madagasikara dia fahavalon-dry zareo ny Merina miohatra amin’ireo mainty hoditra amin’ny
  1410. ankapobeny. Ivelan’izany anefa, amin’ny fomba tsy tsaroana mazava (“inconsciente”) dia tsy maintsy mahana hatrany
  1411. amin’ny Merina (ary ny Melayu rehetra amin’ny ankapobeny!) ny Frantsay, noho ny antony efa nandramako
  1412. novelarina kely tao amin’ny Valin-kitsaka!. Izany hoe ny “tahotra” ny tena foko-firenena manoloana ny “firenena
  1413. namboarina” na “sarim-pirenena” angaha (toy ny zaza sary!), sahala amin-dry zareo indrindra. Ary maika moa fa noho
  1414. ny ratsy efa nataon-dry zareo tamintsika indrindra, na ho ela na ho faingana, raha velona sy tafarina soamantsara ihany
  1415. ny firenentsika dia tsy maintsy hiampanga mafy an-dry zareo tokoa indray andro any. Hany ka lasa mihitsy ny eritreritro,
  1416. na izao aza dia tokony efa hivonona sahady amin’izany isika, amin’ny alalan’ny fitakiana “fanenken-keloka” sy “fialan-
  1417. tsiny” avy amin-dry zareo ohatra, sahala amin’ny efa azon’ireo havana Maoli (Hawai’i) indrindra manoloana ny
  1418. fitondrana amerikana tamin’ny taona 1993 noho ny famotehana tsy an-drariry ny fanjakan’i Hawai’i zato taona teo aloha.
  1419. Fanenken-keloka, tsy hoe izany manoloana ny “vahoaka malagasy” izay “entité” sandoka novolavolain-dry zareo samy
  1420. irery fa kosa ny firenena merina, “les Hova” araka ny filazany, natsangan-dry zareo ho fahavalo tsy mainty ambaniana
  1421. (ravaler !) sy potehina! Ka alohan’ny mitakarina lava izao ny voalaza fa “fanampiana” avy amin’ny Frantsay dia aleo
  1422. mitaky onitra tsotra izao... Tsy anisan’ny tompon’andraikitra voalohany amin’izay fahoriana tsy hita noanoa niharan’ny
  1423. firenentsika nandritr’izay taonjato lasa izay (ary tsy ferana ny sotasota sy ny fanalikana tamin’ny taonjato faha-19!)
  1424. tokoa ve ny Frantsay! Tsy ry zareo ve no namotika ankeriny, ary tsy an-drariny tanteraka (“illégalement”, satria noho
  1425. ny fanapahan-kevitry Gallieni irery, izay nankasitrahan’ny antenimiera frantsay avy eo !) ny Fanjakana Merina ? Ary
  1426. mbola eo ambonin’izany koa moa ny fanazimbazimbana ireo masin’ny Merina sy ny fanitsakitsahana hafa rehetra.
  1427. Noho izany dia rariny tanteraka raha toa ka tsy ataontsika toy ny tsinontsinona mihitsy io raharaha io !
  1428. Sarasara tsy ambaka (rakitry ny Zaikabe merina, 1997-1999)
  1429.  87
  1430. eto Imerina, ka noho izany dia manana zo manokana hiaro ny vakoka sy ny hasin’ny
  1431. tanindrazantsika, ary indrindra moa izany, ny fihavahan’ny firazanantsika, hany tena maha-isika
  1432. antsika. Araka ny fomba filazan-dRabearivelo, ny rovantsika efa rovantsika ihany fa ny
  1433. firazanantsika dia mba rova koa! Rova velona sy masina mendrika ny ho arovana satria tady
  1434. mampiray ireo taranaka nusantara sy merina mifandimby, antoky ny faharetan’ny ain’ny
  1435. firenentsika, mitaratra ny “mandrakizay” hany azon’ny ny olombelona takarina (io ilay hoe “notre
  1436. éternité à dimension humaine”!).
  1437. Ka amin’izay vao tena afaka hifampiresaka aminy isika, mba hikarakarana ny fomba mety
  1438. indrindra ahamora ny fiaraha-monina sy ny faraha-miasa eto Imerina. Ny “zom-paritany” mantsy
  1439. no iarahantsika mizara aminy fa ny zom-pirenena dia samy manana ny azy. Ary ny fitantanana ny
  1440. raharahan’ny “tsangam-pitondrana” hajoro eto Imerina no tsy maintsy hifarimbonana fa tsy ny
  1441. mikasika kosa ny firenentsika manokana (na ny azy, ho azy!) izay tsy azon’iza na iza avy any
  1442. ivelany tsabatsabahina intsony.
  1443. Ny hamaranako ny resaka dia teny indraim-bava momba ny toeran’ny mainty hoditra eo
  1444. anivon’izao tontolo izao. Ankehitriny dia toa mirentirenty fatratra ny maro amin-dry zareo satria
  1445. asandratry ny Vazaha noho ny antony manokana mifandray amin’ny fisafotofotoan-kevitra sy ny
  1446. fikorontanan’ny feon’ny fieritreretan-dry zareo. Ka ho an’izay marivo salosana dia toa azo antoka
  1447. sahady fa ny hoavin’izao tontolo izao dia tsy maintsy ny fanjakan’ny “antirasisma” manafoana
  1448. faingana ny “fanavakavahan-pirazanana”, ary koa izany, ny fahasamihafan’ny olombelona noho
  1449. ny tsy fitovizan’ny fiaviana. Mazava ho azy anefa fa ny toe-draharaha “artificiel” toy itony dia tsy
  1450. afaka aharitra ela satria na amin’ny fomba ahoana na ahoana dia tsy maintsy hiverina ihany ny
  1451. faniriana hiaro indrindra indrindra ny maha-izy azy ny tena manokana. Ary na ny fifaninanana
  1452. fotsiny momba ny fahombiazana ara-toekarena aza dia tsy maintsy hamerina vetivety foana an’io
  1453. fiheverana io. Miharihary loatra mantsy fa ny karazan’olona mahay mifanampy ihany no tonga dia
  1454. mahomby avy hatrany, ary tsy ry zareo Jiosy, eo an-kilany anefa mpitari-tolona faran’izay mafana-
  1455. fo amin’ny “antirasisma” ankehitriny no afaka hanohitra an’izany! Ny antoky ny fifanampiana
  1456. voalohany anefa dia ny fifampatokisana izay moramora foana ho an’ireo atambatry ny fihavanana
  1457. ara-pirazanana manoloana ny hafa hifaninanany. Fa ny tena tsy maintsy hamerina amin’ny laoniny
  1458. faingana ny raharaha dia ny fiakaran’ireo firenena any Asia. Na dia eo aza mantsy ny “krizy” kely
  1459. madinika, tsy maintsy ho tafakatra ihany io faritany io, ary koa izany, hihena arakarak’izany
  1460. indrindra ny lanjan’ny Vazaha, manao antsangory ankehitriny ny mainty. Tsy misy anefa na kely
  1461. aza antony tokony ahafahana mihevitra fa mety hanandratra toy izany koa ny mainty hoditra ireo
  1462. olona Asia. Izy samy izy aza tsy mifampiraharaha (ary mifampiavona tsy mifanambady akory
  1463. ohatra raha mbola azony atao foana, satria samy mirehareha amin’ny azy nentin-drazany avy!) ka
  1464. mainka moa izany ny Afrikana, ny “devoly mainty” (na ny “andevon’ny devoly” fahiny!) araka ny
  1465. fitenin-dry zareo Tsina indrindra, izay zara raha mihevitra azy toy ny olombelona. Ary sahiko ny
  1466. manambara fa tsy mikankaiza amin’izany koa ny fijerin’ireo Japana, Korea, Viet, Thai, ary tsy
  1467. ferana ireo Melayu... I India moa dia efa paradisan’ny fanavakavahana araka ny “kasta” rahateo ka
  1468. ho gaga dia gaga aho raha toa ka ry zareo any no hanjary hanasohaso amin’ny tsy antony ny
  1469. Afrikana sy ny taranany!...
  1470. Ka noho izany rehetra izany ary dia tsy tokony hilefitra noho ny fahaverezan-toky mihitsy isika
  1471. satria sady manana ny rariny no afaka manantena tanteraka koa fa tsy maintsy hitondra amin’ny
  1472. fandresena, izany hoe ny fahavelomana sy ny firoborobohana amin’ny maha-merina indray, ny
  1473. lalana arahintsika.
  1474. Izay indray ary aloha.
  1475. Tefy.
  1476. Sarasara tsy ambaka (rakitry ny Zaikabe merina, 1997-1999)
  1477. 88
  1478. [Imerina faha-18 Desambra 1997]
  1479. Tsaratsara ary tsy ho voambaka anie ny mpizaika rehetra!
  1480. Noho izao fisian’ny mpizaika vaovao izao dia mba manararaotra kely aho mandalina kokoa ny
  1481. fanao efa mahazatra. Tsy inona ary izany fa momba an’ity fomba lasa fiarahabantsika hoe
  1482. sarasara tsy ambaka ity. Ka rehefa nikaroka kely ary aho dia izao no tsikaritro.
  1483. Ao amin’ny Tantaran’ny Andriana, ny hitako ampisehoana azy voalohany dia avy amin’i
  1484. Trimofoloalina miarahaba an’Andriamasinavalona amin’ny endrika hoe Sao-tsara tsy ambaka
  1485. tompokolahy. Toa efa nahatsikaritra koa aho endrika hafa hoe “tsaratsara tsy ambaka... ” kanefa
  1486. tsy hitako intsony ilay “référence”! Ka io no mahatonga ahy hihevitra fa angamba ny tena
  1487. niavian’ny hoe “sarasara”, izay tsy misy dikany manokana fantatra intsony amin’ny tenintsika dia
  1488. tena “tsaratsara” tsotra izao tokoa! (Tsara ho fantatra anefa fa io “tsara” io dia toa avy amin’ny
  1489. teny sanskreta “acara”, midika hoe “fomba”, “fanao”!). Ka raha izany, ny hoe “sarasara tsy
  1490. ambaka” dia mety midika fotsiny hoe “tsaratsara tsy ho voambaka”, izany hoe tsy ho voafitaka na
  1491. ho diso fiheverana.
  1492. Ary tsy mahagaga mihitsy io “fanovan-teny” amin’ny fiarahabana io satria efa fahita mahazatra
  1493. koa amin’ny fomba fiarahabantsika hafa rehetra. Moa va na ny fiarahabana andriana hoe “Tsara va
  1494. tompoko” aza tsy efa nivadika matetika hoe “Tsara ava tompoko”! Ny amin’ny fiarahabana hova
  1495. moa dia vao mainka niova tanteraka kokoa indray satria niainga tamin’ny “Manakory izatsy izy
  1496. tompoko” ary lasa niafara indraindray amin’ny “Kaosy tompoko” raha tsy “akoresy tompoko”!
  1497. Ny fomba fampiasana azy indray fahiny dia toa mizara roa. Ny voalohany dia fomba
  1498. fiarahabana andriamanjaka tsotra izao io, atao manoloana ny “trarantitra” sy ny “tsara va”. Ka eto
  1499. dia toa “Sarasara tompoko” no tena mahavantana ary ny mpampiasa azy indrindra indrindra dia
  1500. ireo mifanerasera matetika amin’ny Andriamanjaka izay raha vao hitany na amin’ny andavanandro
  1501. aza dia antsoiny hoe “Sarasara Tompoko e!”. Ka avy eo ny andriana dia mamaly kosa hoe “Tsara
  1502. ihany!” na koa “Sarasara”!
  1503. Ny fampiasana azy faharoa indray dia ho an’ny olon-tsotra rehefa miarahaba vahiny tiana
  1504. omem-boninahitra. Ka eto ny tena endriny dia “Sarasara tsy ambaka tompoko!” ary ny valiny kosa
  1505. dia “Tsy ambaka arahaba”!
  1506. Dinika hafa tanteraka. Miverina kely amin’ilay resaka efa nataontsika kely ihany volana maro
  1507. lasa aho momba ny diamanga amin’ny maha “art martial” merina azy, iray karazana amin’ny pencak
  1508. silat indonesia ary, somary lavidavitra kokoa, amin’ny “wushu/kungfu” tsina. Rehefa nikaroka kely
  1509. tamin’ireo naoty noraisiko fahiny mantsy aho dia sendra nifanena indray tamin’izay nosoratako
  1510. rehefa namaky ny tezy nataon’i Charles Randriamanantenasoa mitondra ny lohateny hoe : Les
  1511. pratiques corporelles traditionnelles à caractère sportif dans le milieu rural malgache. 1 Toa tsy misy
  1512. ho raisina loatra ny fandinihana ao amin’io thèse io izay karazana “catalogue” faran’izay maivana
  1513. momba ny “fanatanjahantena” fahita eran’i Madagasikara fotsiny ihany. Na izany aza anefa dia mba
  1514. misy takila vitsivitsy (4 angaha izany, takila 73-77) momba ny “daka” sy ny “diamanga” merina
  1515. ihany izay toy izao no notsongaiko tao.
  1516. - Ny diamanga dia teknika mampiavaka ny Merina indrindra indrindra satria tsy dia fanao
  1517. loatra any anindrana izay manana fomba fiady hafa toy ny “ringa”, “moraingy”, sns.2 Ny tena
  1518. 1
  1519.  Paris VII, mars 1978, 198 p.
  1520. 2
  1521.  Noho ny tsy fahitana fomba fiadiana azo ampitovizina amin’ny moraingy any Afrika anefa dia azo heverina fa ny
  1522. tena loharanon’io dia mbola ny kolontsaina nusantara ihany koa. Ka raha izany dia sampan’ny diamanga, natao
  1523. hifanojo kokoa amin’ny toe-tsaina nentin-drazan’ny mponina any anindrana fotsiny ihany ny moraingy, indrindra
  1524. angamba amin’ny fampivelarana kokoa ny lafiny fandihizana sy ny fitolomana (?). Eo ambonin’izany dia azo apetraka
  1525. koa ankehitriny ny fanontaniana momba izay mety ho fiparitahan’ireo fomba fiady avy aty Madagasikara ireo any
  1526. Sarasara tsy ambaka (rakitry ny Zaikabe merina, 1997-1999)
  1527.  89
  1528. ivelan’ny nosy, tamin’ny andron’ny fanondranana andevo fahiny. Azo hinoana mantsy fa noho ny fivelaran’ny
  1529. fampianarana miady teo amin’ny Ntaolo dia tsy maintsy maro be tamin’ireny olona namidy tamin’ny vazaha ireny no
  1530. kinga tamin’ny fanaovana diamanga na moraingy ary avy eo dia afaka nampita ny fahalalany tany amin’ny tanim-
  1531. panandevozana nametrahana azy. Ka ny porofo tonga dia azo raisina avy hatrany moa izany dia i La Réunion izay
  1532. fantatra fa mbola nahatana hatramin’ny filazana hoe moringue (miaraka amin’ny voanteny na anarana maro be hafa
  1533. avy amin’ny teny aty Madagasikara : Mahafate-Mahafaty, Cilaos-Tsilaozana, Tampon-Tampony, Salazie-Tsara lasy,
  1534. Tévelave-Tevy lava, Cimendef-Tsy mandefa/mandefitra, la sousou-sosoa, la tay, sns.) hilazana dihy sy fomba fiady.
  1535. Fantatra fa toy izany koa any Komoro izay ahitana ny m’rengue, kanefa tokony tsy asiana resaka io noho ny fisian’ny
  1536. taranaka Sakalava maro monina any Mayotte. Fa ny tena mampanontany tena ankehitriny dia ny fifandraisana mety misy
  1537. eo amin’ny moraingy (na ny diamanga) amin’ireo dihy sy fomba fiady sasany hita any Amerika eo amin’ireo taranaka
  1538. mainty hoditra nandevozina. Ka ny malaza indrindra amin’izy ireo ary dia fantatra fa ny capoeira any Brazil kanefa
  1539. mbola azo tanisaina koa ny agya/ladjia na danmye/damier any Martinique, ny mayole any Guadeloupe, ny mani any
  1540. Cuba, ary asa izay mbola tsy fantatro anarana. Eo anivon’ny dihy fotsiny dia tsy afaka ny tsy hiserana ao an-tsaina avy
  1541. hatrany koa ny merengue any Haiti sy ny Repoblika Dominikana. Ny soson-kevitra ary eto dia hoe samy mpandova, na
  1542. tamin’ny fomba mivantana izany na tsia, ny moraingy sy ny diamanga avokoa angamba ireo fanao voatonona rehetra
  1543. ireo ary ny nampiely azy dia tsy iza akory fa ireo andevo maro be (hatramin’ny taonjato faha-17 !) avy aty
  1544. Madagasikara izay ny sasany dia niafara tany Amerika (ary tsy ferana ireo niafara tany Eropa sy Asia !). Ary ny
  1545. fahafantarana indrindra ohatra ny tantaran’ny capoeira dia toa manamafy an’io eritreritra io.
  1546. Ny anarana avy amin’ny teny portugesy hoe capoeira aloha izany dia toa ahitana ny foto-teny capão hilazana
  1547. akoho vositra (capon na chapon hoy ny teny vazaha hafa sasany) ary ny dikany mahazatra dia hoe “garaba”,
  1548. “tranon’akoho”, ary avy eo, “mpangalatra akoho”, “jiolahy mpanendaka”, sns. (Tsy raisiko eto ireo etymolojia
  1549. manodikodin-dresaka mody mikaroka fiaviana “mihaja” kokoa, avy amin’ny teny tupi ohatra !). Tamin’ny fiafaran’ny
  1550. taonjato faha-18 hono no niseho mazava voalohany tany Rio (Brazil) ny hoe capoeira hilazana ny fanazaran-tena hiady
  1551. ataon’ny jiolahy mainty sasany. Taorian’ny ady nampifandramatra an’i Brazil sy Paraguay tamin’ny taona 1865-70
  1552. anefa vao nanomboka tena fantatra ny momba azy noho ny fandraisan’ireo capoeiresta sasany anjara indrindra
  1553. tamin'ny ady. Kanefa izany ho an’ireo manam-pahefana dia mbola noheverina toy ny fanaon-jiolahimboto mpangalatra
  1554. sy mpiady anelakelatrano fotsiny ihany aloha ny capoeira izay, tamin’ny taona 1890 dia nanjary voarara tsotra izao,
  1555. miaraka indrindra amin’ny fanenjehana ireo andian-jiolahy malaza ho mpanao azy. Tany ambadimbadika tany anefa dia
  1556. tsy nitsahatra izany ny filalaovana capoeira, raha tsy amin’ny maha teknika fiadiana azy (tsy hoe ary amin’ny tanam-polo
  1557. loatra akory fa miaraka amin’ny fiadiana, indrindra izany ny antsy !) dia amin’ny endriny mampiseho tsinjaka sy
  1558. tsambikina rehefa mandihy. Toy izany ary ny toe-draharaha hatramin’ny taompolo faha-20, nanomboan’i “Mestre
  1559. Bimba” (Manoel Dos Reis Machado), mpampianatra mainty hoditra nampirindra sy nampivelatra ireo teknikany,
  1560. indrindra izany tamin’ny fangalana tahaka ny fanao maro ao amin’ny “kung fu” tsina. Ka hatreo ary vao tena nanomboka
  1561. tokoa ny lazan’ny capoeira izay, tamin’ny taona 1937 dia lasa nampaherezin’ny fitondrana braziliana mihitsy ny
  1562. fandrosoany. Ary farany, hatramin’ny taona 1972 dia nasandratra tsotra izao ho tonga “fanatanjahantenam-pirenena”
  1563. braziliana ilay fomba fiady ka vetivety foana dia niely eran-tany ny lazany. Hany ka ankehitriny dia toa ahitana “club”
  1564. mampianatra capoeira avokoa ny “tany mandroso” rehetra. Ho an’ny olona maro mantsy dia misarika ny saina ny
  1565. capoeira noho izy dradradradraina hatrany fa hoe hany fomba fiady tranainy mitovitovy amin’ny hita any Asia kanefa
  1566. hono izany tsy mba noforonon’ny Asian velively fa kosa ny mainty hoditra samy irery. Sady izay izany olona
  1567. nandevozina mihitsy ary mba hiarovany tena manoloana ireo mpanandevo tsivalahara no namoronany azy antsokosoko
  1568. avy amin’ny dihy nentin-drazany izay nampiasainy indrindra mba hanakofany azy. Maika rahateo moa fa tsy azo lavina
  1569. ny maha tena “spectaculaire” tokoa ny capoeira noho ireo tsambikimbikina sy tsingolobatita tsy misy farany (amiko diso
  1570. tafahoatra ka mandreraka ary mampanontany tena ny fahombiazany amin’ny maha fitaovana enti-miady azy !), arahina
  1571. aponga sy mozika hatrany. Cf. B.Almeida, Capoeira, A Brazilian Art Form; History, Philosophy, And Practice,
  1572. Berkeley : North Atlantic Books, 1986 ; B.Bachmann, Le capoeira du Brésil. La lutte des esclaves dans le Brésil d'hier et
  1573. d'aujourd'hui, Lausanne : Favre Documentum, 1989 ; Nestor Capoeira, The Little Capoeira book, Berkeley : North
  1574. Atlantic Books, 1995 (fandikana frantsay : Le petit manuel du joueur, Paris : ed. Atabac, 1997).
  1575. Toy izany ary raha fintinina ny tantara sy ny azo lazaina hoe anganon’ny capoeira. Ary mba hanamafisina ny
  1576. maha “lova afrikana” azy moa dia niniavina nantsoina mihitsy hoe Capoeira Angola ny “style tranainy” aminy. Ny
  1577. tena marina anefa dia anarana fotsiny ihany io satria tsy misy ifandraisana mivantana amin’i Afrika velively akory ny
  1578. tena fiaviany izay raha ny fiheverako izany dia mety ny moraingy na ny diamanga tsotra izao. Na dia ny moraingy aza
  1579. mantsy no tena mampifantoka avy hatrany ny eritreritra eto (noho ny efa fielezan’ilay anarana indrindra, ary anisan’ny
  1580. porofon’izany koa amiko ny dihy merengue an’i Haiti izay sarotra hinoana fa avy amin’ny karaza-mofo “meringue”
  1581. tokoa ny anarany, araka ny fiheverana mahazatra any an-toerana !) dia tsy azo adinoina mihitsy koa fa maro be ireo
  1582. Merina naparitaky ny fanandevozam-bazaha eran’ny vazan-tany. Manaraka izany, raha toa ka tena tranainy tokoa dia
  1583. toa manondro kokoa ny diamanga ireo endrika mampahatsiahy “kung-fu” hita ao amin’ny capoeira. Kanefa moa izany
  1584. tsy misy afatsy ny fampitahana ny tena “style” tranainy hita ao amin’io fomba fiady io (sy ireo hafa mitovitovy aminy
  1585. hita any Antilles ?) amin’izay tena mampiavaka ny moraingy amin’ny diamanga eto no hany fomba ahafahana
  1586. Sarasara tsy ambaka (rakitry ny Zaikabe merina, 1997-1999)
  1587.  90
  1588. mampiavaka ny diamanga na daka moa anefa izany dia ny fampiasana indrindra indrindra ny
  1589. tongotra, amin’ny “tsipaka ambadika” ohatra. Ka noho izany indrindra no nahatonga ny fiteny
  1590. betsileo iray hoe : Masiaka an-tongotra ireo Ambaniandro ireo!
  1591. - Ny filaza ny sasany amin’ireo teknika ireo dia toy izao: tsipakakoho, kapatokana, tsipaka
  1592. ambadika, kopala, kopala manatrika, kopala miamboho.
  1593. - Ny “fifaninanana” (“match”) dia antsoina hoe dakabe ary ireo “champion” dia lazaina fa
  1594. andrarangy na olomangan’ny daka!
  1595. Araka ny fahafantarako azy (satria na izahay aza fahazaza dia mbola nanao kely toy izany
  1596. ihany!), ny fifaninanana dia mampifandrafy andinin-jatovo roa mifanatrika dia avy eo, rehefa avy
  1597. mifampihantsy dia “mifampi-kopala” (na “mifampi-pala” fotsiny sisa hoy isika!). Taterin’ny
  1598. vazaha tamin’ny taonjato lasa koa (toan’i Lars Vig, izay misionary tany Betafo!) fa eo
  1599. ambavahady ivelan’ny tanana hono no mifampitana matetika ireo tovolahy ary ny antony mazana
  1600. dia noho ny... tovovavy ihany! Ary eo koa ny misionary hafa izay manamarika fa rehefa mandaka
  1601. ny Merina taloha dia matetika mitodika aloha ary mamely andamosina.
  1602. Kanefa moa, araka ny efa nolazaiko, mino tanteraka aho fa raha tena karohina dia tsy maintsy
  1603. mbola ahitana fahatsiarovana betsaka momba ny daka sy ny diamanga any ambanivohitra
  1604. mandraka ankehitriny. Na amin’ny maha daka azy na lasa mifangaro kely amin’ny dihy (tsinjaka)
  1605. hifampianaran’ireo mpilalao.
  1606. Ka hita mazava ary izany hoe inona avy no “fitaovana” nampiasain’ireo razantsika tamin’ny
  1607. ady sy ny fomba fiadiana izay nanaraka hatrany ny fahalalan’ny vatan-dahy rehetra hatramin’ny
  1608. fahagolan-tany:1
  1609. - Ny fiadiana: lefona sy ampinga, antsibe sy kalaza (ary ao anatin’ izany ny antsy lava zara toy
  1610. ny “katana” araka ny asehon’ireo fiadian’Andriananmpoinimerina!), japy, antsamotady ary, ho
  1611. an’ireo akaiky ala, tsirika na “sarbacane”.
  1612. - Ny fomba fiadiana: daka sy diamanga, miaraka amin’ny totohondry sy ny tolona. Amin’ny
  1613. tena ady anefa dia natao hitana fiadiana ny tanana ka izany indrindra no nampivelarana ny teknika
  1614. fiadiana mampiasa tongotra. Izany hoe mifanampy eto ny tanana mitondra fiadiana toy ny antsibe
  1615. na japy sy ny diamanga!
  1616. Farany, rehefa avy namaky ilay taratasin’i Jonah farany aho dia lasa eritreritra fa tsy hatrany
  1617. Andriba ihany hany no nihitaran’Imerina taloha fa hatrany Maevatanana mihitsy e! Ankehitriny
  1618. anefa moa dia toa manonofy ny hihevitra hampiditra ao Imerina an’io tanana io izay ny
  1619. ankamaroan’ny mponiny dia toa Tsimihety sy mpiavy betsileo. Ary raha ny marina dia tokony
  1620. mbola hifampizarana amin’ny Sakalava koa iny faritra andrefana iny izay zara raha nisy mponina
  1621. ary ny Vazaha irery ny nanapa-kevitra ny hampiditra azy ao amin’ny faritanin’i Mahajanga sy
  1622. Toliara. Kanefa eto koa dia ahiako fa mety ho zava-tsarotra ary angamba tsy ahitantsika tombony
  1623. mamantatra ny marina. Na ny moraingy anefa moa izany na ny diamanga dia samy mbola avy amin’ny lovan-tsaina
  1624. nusantara ihany amin’ny ankapobeny. Hany ka raha marina tokoa ireo voalaza ireo dia miharihary indray eto ny maha
  1625. diso tanteraka ny filazana mahazatra ankehitriny fa hoe tsy misy ifandraisana mivantana amin’ny “hainady” (martial
  1626. art) avy any Asia hono ny capoeira. Mety efa hatrany ampotony mihitsy mantsy izany no hitondrany ny mariky ny
  1627. “kolontsain’i Asia” ary tsy ferana avy eo ny “findramana” mivantana nataon’i Mestre Bimba tamin’ny kung-fu, na eo
  1628. anivon’ny teknika sy ny “style” izany na ny “ritual”. Amin’ny filazana hafa, anisan’ny angano moderina momba ny
  1629. fiavian’ireo “hainady” (izay fantatra fa efa manenika tanteraka koa ny lahatsoratra vazaha momba ny tantaran’ny
  1630. “hainady” isan-karazany fahita any Asia!) fotsiny ny filazana fa vokatry ny kolontsaina afrikana ny capoeira. Angano
  1631. vaovao mifanentana amin’ny filan’ny “affirmative action” sy ny fanefahefana mainty hoditra ataon’ireo vazaha
  1632. mpisolelaka ankehitriny ! Fa ny tena mampalahelo ho antsika dia ity : ny zafikelin’ny diamanga na ny moraingy
  1633. angamba izany dia lasa niely tsy satry eran-tany noho ny fanandevozana kanefa ny “raibeny” indray ity no zara raha
  1634. mbola velona mitsilopilopy any ambadimbadika tsy misy miraharaha loatra intsony any !...
  1635. 1
  1636.  Cf. R.Decary, Coutumes guerrières et organisation militaire chez les anciens malgaches. vol. 2: Histoire
  1637. militaire des Merina. Paris: Ed. Maritimes et d'Outre-Mer, 1966.
  1638. Sarasara tsy ambaka (rakitry ny Zaikabe merina, 1997-1999)
  1639.  91
  1640. loatra ny mbola hiady faritany amin’ny tanindrana. Raha azo atao moa ny hifanarahana dia tsara
  1641. loatra kanefa ahiako fa tsy hanaiky na oviana na oviana ry zareo satria ho lazainy fa
  1642. “tanindrazany” hono io! Azo atao koa anefa ohatra ny milaza fa ma-naiky “de facto” ary amin’ny
  1643. fomba “provisoire” ihany isika mba tsy hifandirana kanefa am-pahatsiahivintsika fa manana zo
  1644. amin’ireo faritany ireo isika!... Iza no mahalala indray andro any!
  1645. Kanefa amiko, araka ny efa nolazaiko ihany, ny tena firenena aloha dia ny olona ka noho izany
  1646. dia tokony tsy afantoka loatra amin’ny faritany ny saina. Tsy midika akory izany fa tsy raharahiana
  1647. io satria tena “faritra fampiaran-dalàna” (“espace de juridiction”) sarobidy hatrany ny faritany
  1648. kanefa ny olona no zava-dehibe kokoa amiko, antoky ny zava-drehetra. Ary ny “intégrité
  1649. ethnique” merina amiko dia ambony lavitra noho ny “intégrité territoriale” satria amin’ny hoavy
  1650. dia tsy maintsy ny “firenena” ho hanjary tena “frontière” vaovao mampiavaka ny karazan’olona
  1651. tsirairay avy.
  1652. Ka raha izany, ny mamaritra ny tena “firenena merina” amiko dia maika kokoa noho ny
  1653. “faritanin’Imerina” izay tsy maintsy efa hifampizarana amin’ireo Mainty rahateo, ary tsy ferana
  1654. ireo tena vahiny efa niorim-paka ka mety ho tsy azo ongotana tanteraka intsony na dia tsy maintsy
  1655. atao ihany aza ny fomba hampihenana lanja azy amin’ny fanesorana eo am-pelantanany ny toerana
  1656. “stratégique” rehetra, indrindra moa ara-tantara sy ara-kolontsaina.
  1657. Izany hoe amiko, ny fomba “ahazoana” indray ireo mety ho tanintsika dia ny fanamafisana
  1658. indrindra indrindra ny firenena merina izay avy eo afaka miorim-paka any “ivelany” noho ny
  1659. fahombiazany ara-toekarena sy fahaizana ary kolontsaina. Sahala amin’ireo Jerman ihany
  1660. manolona ireo taniny nomena an-keriny an’i Poland/Polska sy Tsekia hatramin’ny taona 1945. Tsy
  1661. azony atambatra mivantana amin’i Jermania intsony kanefa kosa azony “vidiana” tsikelikely
  1662. indray hiverina eo ampelantanany!
  1663. Resaka hafa farany, mahatsiaro ilay vaovao navoakan’ny FNM tamin’ny 5/12 teo aho momba
  1664. ny “Fanjakan’ny Sakalavan’i Menabe”. Toa tena manondro mantsy io amiko fa eo ampiheverana
  1665. ny hanambara ny fahaleovantenany koa izany iny faritra iny ary ny endrika ho raisiny dia
  1666. “Monarkia” tsotra izao! Sady izay tokoa moa tany aminy dia tsy mba nofoanan’ny Vazaha ny
  1667. fahefan’ireo Mpanjaka ary hatramin’izao dia toa mitohy mankalaza ny “fandroany” ry zareo
  1668. amin’ny alalan’ny Fitampoha! Ary mety ho toy izany koa angamba na ry zareo Tankarana aza izay
  1669. fantatro fa mbola manana ny mpanjakany koa. Izany hoe mety amin’ireo taona ho avy manaraka
  1670. dia ahita sahady “restauration monarchique” isika any anindrana! Ary noho ny fiheverana an’izany
  1671. tokoa angamba no nahatonga ilay hoe R.D. hamoaka an’io filazana io [momba ny fanarenana
  1672. “monarkia merina”] tamin’ilay resany nampitain’i Jonah. Kanefa raha izaho dia tokony ho mahana
  1673. hatrany amin’ny “fihantsiana” ataon’ireo mpanenjika “fanjakana andriana” isika!...
  1674. Ny fahaleovantenan’Imerina sy ny fahazoana ny fahefana ho antsika no tena maika alohan’ny
  1675. endrika mety ho raisin’ny fitondrana ao Imerina ary ny “resaka monarkia” dia tokony ho raharaha
  1676. manokan’ny samy Merina ihany ka tsy ilaina hifandirana na “hiadiavan-barotra” amin’ny vahiny
  1677. hafa fiaviana mihitsy!...
  1678. Izay indray ary aloha!
  1679. Tefy.
  1680. Sarasara tsy ambaka (rakitry ny Zaikabe merina, 1997-1999)
  1681. 92
  1682. [Imerina, faha-20 Desambra 1997]
  1683. Sasasara tsy ambaka isika mianakavy!
  1684. Tsetsatsetsa tsy aritra mikasika ilay adi-hevitra notaterin’i Jonah momba an-dRakotondrabe
  1685. Samuel ihany ity. Ny mahagaga ahy kely ary amin’ny fiheveran’ilay hoe A. dia izy toa mitsikera
  1686. antsika fa hoe angaha izany aminy dia mi-“récupérer” amin’ny tsy antony an-dRakotondrabe isika
  1687. satria na dia merina tokoa aza rangaha io dia mpitolona indrindra indrindra ho an’ny
  1688. fahaleovantenan’i Madagasikara. Ka raha izany aminy dia tsy tokony hitaky ny lovan’ny VVS sy
  1689. ny an’ny MDRM manontolo koa isika satria ireo fikambanana roa ireo dia samy tsy nisy niseho ho
  1690. merina avokoa fa “malagasy” aloha?
  1691. Ny toa tsy fantatr’ilay tanindrana (na hodiany tsy fantatra!) dia tsy mitovy velively ny “contexte”.
  1692. Marina tokoa mantsy fa nandritra ny fanjanahantany, ary azo atao mihitsy aza angamba hoe
  1693. hatramin’ny taona 1995 dia nifangaro tanteraka tamin’ny tolona hanafahana an’i Madagasikara ny
  1694. tolon’ny Merina manokana. Nino hatrany ny mahatsara ny “firaisam-pirenena malagasy” ireo
  1695. mpialoha lalana antsika, ary saiky isika rehetra koa dia mbola toy izany avokoa, taona na volana
  1696. vitsivitsy lasa fotsiny izay. Hany ka azo lazaina fa sady manambara ny “bonne volonté”-ntsika
  1697. manoloana ireo mpiray nosy hafa io no mampiseho koa ny fahajambantsika ara-politika satria rehefa
  1698. tena dinihana ankehitriny dia toa tsy “normal” loatra izany. Ny tena antony anefa amiko, tsy hoe
  1699. akory sanatria ny fahavendranantsika rehetra, na koa noho ny fahombiazan’ny fanasana atidoha
  1700. nataon’ny Vazaha (maro tamin’ireo tao amin’ny VVS ohatra no lehibe talohan’ny fanafihana
  1701. frantsay!) fa kosa ny fisafotofotoan-kevitra noho ny lova politikan’ny fanjakana merina tsotra izao.
  1702. Hany ka ho antsika dia lasa nifangaro tanteraka ny tombontsoan’ny Merina sy ny an’i Madagasikara.
  1703. Na ny marimarina kokoa angaha, mifangaro ny Merina sy ny “malagasy” ary i Madagasikara
  1704. manontolo dia toa lasa fihitaran’Imerina somary hafahafa kely fotsiny. Hany ka na dia ao ampon’ny
  1705. maro (raha tsy ny rehetra!) aza dia ny maha-merina azy indrindra indrindra no heveriny sy tena tiany
  1706. arovana, aminy io dia tsy afaka miseho intsony raha tsy amin’ny “maha-malagasy”. Iray
  1707. Madagasikara ary Imerina dia toa ny “fony” sy ny tampony ihany sisa. Toy izany koa ary, iray ny
  1708. “vahoaka malagasy” ary ny Merina dia “karazana hafakely” ary tokony ho “lohany voajanahary”
  1709. hatrany fotsiny ihany ao anatiny. Sady izay moa, izay mety ho voatarika tsy hanaiky an’izany dia
  1710. sady voapepon’ny fampianaran’ny Vazaha (izay ekena avy hatrany fa sady “manam-pahaizana” no
  1711. “civilisé” ka tsy azo toerina ara-tsaina mihitsy!) no matahotra rahateo koa ny tsy maha-“viable”
  1712. an’Imerina izay efa voadidin’ny manodidina tanteraka! Moa va tsy noho izany indrindra no
  1713. namaritan’ny Vazaha ny faritr’ireo “provinces” ankehitriny!
  1714. Ka noho io fiheverana io ary no nahatonga antsika handefitra hatrany na inona na inona natao
  1715. antsika. Ny hany fanantenana ho antsika dia ny hoe indray andro any mbola ho azontsika ny
  1716. fitondrana iombonana ary amin’izay dia mba anjarantsika indray no manararaotra manjakazaka
  1717. any amin’ny faritany hafa. Sady izay moa, na dia nikororosa aza ny firenena merina (izay
  1718. nanomboka hadinontsika rahateo hatramin’ny fisiany sy ny tena maha izy azy manokana!) dia mba
  1719. afaka nanararaotra kely hatrany ny “bordel ambiant” ny Merina sasany mety hanakorontana ny
  1720. raharaha. Ary ireo izay tsy afaka nanao izany tany an-tanindrazana dia afaka nialokaloka aty
  1721. ivelany, izay toerana ahitana mora foana rahateo koa fa “tokana” tokoa i Madagasikara noho ny
  1722. findramana avy hatrany ny “fijery vazaha”!
  1723. Hatramin’ny fahadisoam-panantenana nateraky ny tsy fahombiazan’ny “Hery velona” nahazo
  1724. fitondrana anefa, ary indrindra moa izany ny nandorana an’Anatirova (ary tsy ferana ny
  1725. fampaherezana nateraky ny fiovan-javatra aty ivelany, namaha ao an-tsain’ny maro ny
  1726. fanagejan’ny “état-nation”!) dia nanomboka nivoha amin’izay ny mason’ny maro. Ary ankehitriny
  1727. dia miseho tokoa ho antsika fa ny tena fanalahidin’ny fahafahana dia tsy inona akory fa ny
  1728. fanariana tanteraka an’io fiheverana momba ny maha-tokana ny “firenena malagasy” io!
  1729. Sarasara tsy ambaka (rakitry ny Zaikabe merina, 1997-1999)
  1730.  93
  1731. Ka raha izany, na dia marina tanteraka tokoa aza fa nitolona amin’ny maha-“malagasy” ary
  1732. nilaza hatrany fa ny fahafahan’i Madagasikara tsy ankanavaka no hany tanjon’ireo mpialoha lalana
  1733. antsika, tsy midika akory izany fa tsy nihevitra ny tombontsoan’ny Merina Manokana ry zareo.
  1734. Ary na dia eo aza ny fisafotofotoan-kevitra dia azo lazaina ihany fa, ho an’ny ankamaroan-dry zareo
  1735. (raha tsy izy rehetra!), ny ao ambadiky ny hoe “malagasy” dia indrindra indrindra ny Merina!
  1736. Sahala amin’ireo Rosiana nitolona tamin’ny Ady Lehibe faharoa amin’ny anaran’ny “Firaisana
  1737. sovietika” ihany io!
  1738. Noho izany ary amiko, ireo Merina nitolona amin’ny maha-“malagasy” azy taloha rehetra dia
  1739. mahery-fon’ny firenena merina tanteraka ary ireo hafa fiaviana dia mahery-fon’ny foko niaviany
  1740. tsirairay avy. Ny fanoherana ny Vazaha sy ny faniriana hanafaka an’i Madagasikara misy ny
  1741. firenen’ny tsirairay avy no niombonana fa tsy ny faniriana mihitsy hoe hanapotika ny firenena
  1742. manokana rehetra. Raha tsy hoe tokoa angaha nisy Merina ohatra niteny fa tsipahiny ary tiany ho
  1743. potika ny maha-merina azy mba hampijoroana firenena malagasy vaovao tanteraka. Kanefa mino
  1744. aho fa tsy nisy velively nihevitra an’izany akory. Eny ka hatramin’ireo komonista aza angamba
  1745. izay, raha toa ka faran’izay “extrémiste” tokoa izy dia tsy ny “nationalité malagasy” loatra no tiany
  1746. hajoro fa ny “identité prolétarienne” ohatra!
  1747. I Rakotondrabe izany dia mahery fon’ny Merina ary i Monja Jaona kosa dia mahery-fon’ny
  1748. Tandroy(?), toy ny maha mahery fon’ny Sakalava an’i Venance Manifatra izay VVS. Samy
  1749. mpiara-mitolona manohitra ny Vazaha mba hanafaka ny taniny manokana avy ireo amiko. Ary ny
  1750. tena porofo azo hanamafisana an’izany angamba dia ny fomba nanoheran’ny Padesm indrindra ny
  1751. MDRM sy ireo antoko miafina teo anilany toy ny PANAMA sy ny Jiny. Nijoro amin’ny maha-
  1752. “malagasy” azy ary tsy nikendry afatsy ny fanafahana an’i Madagasikara ireo Merina tao amin’ny
  1753. MDRM kanefa tonga dia noheverin’ireo mpanenjika azy avy hatrany fa tsy misy afatsy ny
  1754. tombontsoan’ny Merina no tena nokatsahiny. Tamin’ireo mpitolon’ny MDRM anefa dia maro be
  1755. ny tanindrana, indrindra izany ny Betsimisaraka ary anisan-dry zareo rahateo Rabemananjara
  1756. Jacques. Tsy misy afaka milaza velively anefa fa ny tombontsoan’ny Merina no nokatsahin’ireo
  1757. tanindrana MDRM ireo! Raha izany dia mazava fa tao ambadiky ny tolona iombonan’ny MDRM
  1758. dia samy nitolona ho an’ny tombotsoan’ny fireneny manokana avy ireo mpikambany. Ka hoy
  1759. indray ary aho hoe, ireo Merina namoy ny ainy dia antsika ary ireo hafa fiaviana kosa dia an’izay
  1760. firenena tsirairay niaviany avy izay ny fahafahany rahateo no tena antony nitolomany sy
  1761. namoizan’ny sasany aminy ny ainy!
  1762. Izay indray ary aloha!
  1763. Tefy
  1764. Sarasara tsy ambaka (rakitry ny Zaikabe merina, 1997-1999)
  1765. 94
  1766. [Imerina faha-23 Desambra 1997]
  1767. Sarasara tsy ambaka ny mpizaka firenena merina rehetra!
  1768. Efa ho roa volana izao no nahavitan’ilay fihaonana tamin’ireo havana melayu ka ataoko fa mba
  1769. tonga amin’izay koa ny fotoana hibanjinina amin’ny fijery tsy misorona ny tena ventin-dresaka ao
  1770. ambadiky ny kabary aty ivelany. Raha mijery an-draviny fotsiny mantsy dia mety hihevitra fa mora
  1771. sy mandeha ho azy ny zava-drehetra: manana havana matanjaka tsy manadino antsika any AAA
  1772. isika ka ny hany sisa tokony hatao dia ny manatevina ny fifandraisana sy ny fiaraha-miasa mba
  1773. hanamafy tanteraka indray ny tady mamatotra ny roa tonta. Rehefa manandrana mandalina kokoa
  1774. anefa dia tsikaritra vetivety foana fa mbola maro dia maro ny olana mipetraka na avy aty amintsika
  1775. izany na any amin-dry zareo ka mitaky hatrany fandinihina sy fitandremana sao manaonao foana
  1776. tokoa ka tsy maintsy ho diso fanantenana.
  1777. Ka ny tiako hiverenana kely eto ary dia ny heveriko fa tokony ho fantatsika mazava momba an-
  1778. dry zareo Melayu ireo. Inona marina no atao hoe Orang Melayu, inona no fiaviany, ahoana ny
  1779. tantarany sy ny mampiavaka an-dry zareo ankehitriny? Ka manoloana an’izany rehetra izany, toy
  1780. ny ahoana ny toerantsika manokana ary inona no azontsika antenaina amin-dry zareo? Inona koa
  1781. no tokony ho tandremantsika mba tsy ahafaty antoka antsika amin’ny fifandraisana aminy?
  1782. Araka ny efa nazavaiko kely ihany volana vitsivitsy lasa izay dia maro karazana ny hevitra azo
  1783. apetraka ao ambadik’io filazana hoe melayu io. Ara-pirazanana ary dia tafiditra ao anatin’izany isika
  1784. merina sy ny ankamaroan’ny mponin’i Indonesia, Filipina ary Malaysia; ara-administratif anefa dia
  1785. ireo bumiputra na “teratany” nusantara manaraka fivavahana silamo any Malaysia ihany no tena
  1786. melayu. Raha miankina amin’ny fizaram-pitenenana indray dia azo heverina ho toy ny karazana
  1787. melayu avokoa ireo foko mpampiasa tanteraka ny fiteny melayu, izany hoe ireo mponin’ny
  1788. morontsiraka atsinanan’i Sumatera, ny ankamaroan’ny bumiputra any Malaysia ary koa ireo
  1789. mponina any amorontsirak’i Kalimantan, sns. Ka eto ary dia ity voalaza farany ity no ho raisintsika
  1790. toy ny tena Orang1 Melayu satria io koa angamba izany no dikany mifanakaiky indrindra amin’ny
  1791. fiheverana nolovaina tamin’ny tantara.
  1792. Raha ny tantara tranainy ahitana porofo an-tsoratra no heverina, ny loharanon’ny hoe melayu dia
  1793. ny anaran’ny fanjakana iray (noho ny anaran’ny ony kely ao amin’ny faritaniny!) niseho tany
  1794. amin’ny faritra atsinanana-afovoan’i Sumatera tamin’ny taonjato faha-7. Ka ny dikan’ilay anarana
  1795. ary eto dia “malaky” tsotra izao. Ivelan’io anefa dia toa efa ahitana an’ilay anarana, amin’ny endrika
  1796. hoe “maliu” sahady ao amin’ireo soratra tsina tranainy hatramin’ny taonjato faha-3, miresaka
  1797. momba an’ireo mpiantsambo tatsimo any amin’ny morontsiraky Indocina na Campa izay karazana
  1798. melayu indrindra. Ary farany dia ao no mihevitra fa mety ho anarana nentin’ireo razambe nusantara
  1799. hatrany ampiandohana izy io ka ny dikana dia “olombelona” tsotra izao ihany koa.
  1800. 1
  1801.  Ny orang izany dia midika tsotra izao hoe “olona”. Tamin'ny teny proto-nusantara dia toa nisy karazana
  1802. voambolana efatra ilazana ny olombelona. 1) *huRaN; 2) */t/awu/h; 3) *DiRih; 4) *hulun. Ny voalohany, izay
  1803. fampiasa indrindra any amin'ny faritra avaratr'i Indonesia sy Malaysia, dia toa very amin'ny tenintsika, raha tsy hoe
  1804. angaha tafajanona kely ao ambadiky ny hoe “rangaha” izay mety ho avy amin'ny “ra-orang”? Ny faharoa koa, izay
  1805. fandre indrindra indrindra any afovoan'i Indonesia sy Filipina dia tsy hita mazava loatra intsony raha tsy hoe angaha
  1806. ao amin'ny “tan-“ , ny “tantsaha”, “ntaolo” ary “Tanosy”?... Ny fahatelo dia tsy miasa raha tsy ao amin'ny hoe “rery”
  1807. hilazana ny “tena irery”, ary mifanojo indrindra amin'ny melayu diri. Ary farany izany dia eo ny *hulun izay fahita
  1808. indrindra indrindra ankehitriny any Kalimantan, matetika amin'ny endrika toy ny ulo na ulon toy ny amin'ny
  1809. ma'anyan. Na amin'ny teny melayu-indonesia aza anefa dia mbola fantatra tsara ihany ny ulun na dia miseho toy ny
  1810. fampiasa tranainy aza ary matetika maneho fanetren-tena, hany ka indraindray dia midika mihitsy hoe “andevo”.
  1811. Sahala amintsika miteny taloha ihany hoe “olon-dRabe” ilazana ny “andevon-dRabe”. Mety ho marina koa anefa fa io
  1812. ulun ao amin’ny melayu tranainy io dia vokatry ny findramana avy amin’ireo teny any Kalimantan (sy ny antsika!)
  1813. izay anisan’ny... nandevozin’ireo Melayu indrindra ny olony ! Ary farany, azo heverina fa tany ampiandohana ela be
  1814. tany dia mety ho voambolana tokana ihany no niavian'ny orang sy ny hulun, angamba zavatra toy ny *huRun.
  1815. Sarasara tsy ambaka (rakitry ny Zaikabe merina, 1997-1999)
  1816.  95
  1817. Ka asa ary izay tena marina. Ny hany azo antoka dia anarana niantsoana ireo olon’i Srivijaya1
  1818. hatrany ny Melayu na Malayu, angamba miaraka amin’ny hoe “Jawa” izay azo hinoana fa toa tena
  1819. anarana nentin’ireo razambe nusantara indrindra koa. Ka noho io ohatra no mahatonga mandraka
  1820. ankehitriny an’ireo Arabo hiantso ny olona Nusantara avy any AAA rehetra hoe “Jawa”, filaza izay
  1821. mandova ny “Zabag” (avy amin’ny “Javaka” ampiasaina any India), voalazan-dry zareo fa
  1822. nifanerasera betsaka tamin’ireo “Komr” razantsika fahiny.
  1823. Hatramin’ny taonjato faha-16 moa dia nanomboka niparitaka tany amin’ireo fiteny Tandrefana
  1824. ilay anarana, amin’ny endrika hoe “malay”, “malais”, “malese”, “malaie”, sns. Eto koa anefa ny
  1825. dikany dia tsy mazava loatra hatrany satria matetika dia ampiasaina toy ny anarana iombonana,
  1826. iantsoana ireo mponina teratany any amorontsirak’i AAA izy io, ary indrindra moa ireo silamo
  1827. izay matetika koa, eo imason’ny Vazaha, dia “pirates”!2 Ka io no nahatonga ny filaza toy ny
  1828. “malayo-polynesian”, na koa “archipel malais” sy Malaysia.
  1829. Momba ny mampiavaka ireo Orang Melayu indray dia izao no azo ambara vetitevy. Ho an’izay
  1830. tsy mandalina dia toa karazam-poko nusantara iray anisan’ny maro ry zareo, sahala amin’ireo
  1831. olona Jawa, na koa isika Merina ohatra. Izany hoe karazana olona miavaka amin’ny hafa rehetra,
  1832. manana ny faritaniny, ny fiteniny ary ny fombany manokana nolovainy tamin’ny razany izy samy
  1833. irery hatramin’ny fahagolan-tany. Rehefa mandinika be be kokoa anefa dia hita misongadina avy
  1834. hatrany fa manana endrika tsy hitovizany amin’ny foko nusantara hafa rehetra ry zareo. Tsy inona
  1835. ary izany fa ny maha karazam-poko “mivoha” azy, izany hoe ny fahafahany mampiditra vahiny ho
  1836. “lasa melayu”. Ho antsika ohatra, ary toy izany koa ireo olona Jawa, Sunda, Bugis, Bali, sns. dia
  1837. tsy misy afatsy ny fandovam-pirazanana avy amin’ny raiamandreny no ahafahana ho tonga
  1838. merina. Hany ka na inona na inona fanirian’ny vahiny iray, na inona fahafantarany ny fiteny sy ny
  1839. fanao merina, na koa ny fanambadiany amina merina dia tsy afaka ho lasa tena merina mihitsy izy.
  1840. Ho an-dry zareo melayu anefa dia misy ny lazaina indrindra hoe masuk melayu na “miditra ho
  1841. melayu” (ny “misoko” amin’ny tenintsika dia toa iray fiaviana amin’io masuk io!). Ny te hanao
  1842. izany dia mandray ny fiteny sy ny fanao melayu rehetra, ary indrindra moa izany ankehitriny ny
  1843. fivavahana silamo. Ara-teoria, na inona na inona fiavian’ilay olona, ary hatramin’ny vazaha ohatra
  1844. dia azony atao no “misoko ho melayu” kanefa ara-pratika dia ny olona manana firazanana
  1845. nusantara ihany no tena voatondro amin’izany. Nisy fotoana anefa, tamin’ny taonjato faha-14 sy
  1846. 15 ohatra izay maro be ny mpiavy Tsina nivadika ho melayu ary hatramin’izao ireo taranany
  1847. (sahala amin’ny sasany amin’ireo mponin’i Palembang, Sumatera, nisy ny renivohitry Srivijaya
  1848. malaza indrindra!) dia mihevi-tena ary eken’ny rehetra ho tena orang Melayu iringiriny na dia hita
  1849. eny amin’ny endriny eny ihany aza ny tena fiaviany!
  1850. Mampiseho ary izany fa efa hatramin’ny andron’ny prehistoria no karazam-poko manokana,
  1851. niforona avy amin’ny fidiran’ny olona avy amin’ny foko nusantara hafa isan-karazany ny “foko me-
  1852. layu”. Ary rehefa mandinika kely dia tsy mahagaga loatra ny fisian’io “karazana iombonana" na
  1853. “mpanelanelana” io satria na dia niparitaka eran’ny nosy maro be aza ireo foko nusantara ka nanjary
  1854. samy manana ny mampiavaka azy avy ara-pomba sy fiteny dia sady olona iray fiaviana ihany no
  1855. nitohy nifampikasoka hatrany koa noho ny fahakingany miantsambo. Ka ny fiteny melayu ary no
  1856. lasa “fiteny fifandraisana” (“langue véhiculaire”) ho an’ireo rehetra tsy afaka mifankahazo resaka
  1857. mivantana intsony noho ny fotoana ela efa niforonan’ny fokony isany avy. Ary noho izany indrindra
  1858. no mahatonga an’io fiteny io ho sady tsotra kokoa hatrany ara-drafitra no, amin’ny lafiny fonolojika
  1859. sy ny endriky ny voambolana fototra, dia toa mifanakaiky indrindra amin’izay heverina ankehitriny
  1860. fa fiteny proto-nusantara.
  1861. 1
  1862.  Ampaira an-dranomasina niseho tany Sumatera indrindra tamin'ny taonjato faha-7 ary tsy rava raha tsy tamin'ny
  1863. taonjato faha-13 rehefa nanomboka nikororosa tsikelikely hatramin'ny taonjato faha-11.
  1864. 2
  1865.  Izany hoe bajak na “vazaha” indrindra hoy ny teny melayu! Ny “vazaha” anefa ankehitriny dia antsoina hoe bule
  1866. na bulai, izany hoe “bobo”, amin'ny teny melayu.
  1867. Sarasara tsy ambaka (rakitry ny Zaikabe merina, 1997-1999)
  1868.  96
  1869. Izany hoe raha fintinina dia efa hatramin’ny arivo-arivo taona maro angamba izany no
  1870. nampiasaina toy ny “teny fifandraisana” tany AAA ny teny melayu, sahala amin’ny teny latina
  1871. tany Eropa fahiny. Ka noho izany indrindra dia saiky avy amin’ny fanelanelanany ihany ohatra no
  1872. nindraman’ireo fitenim-paritany rehetra any Indonesia (ary ao anatin’izany ny antsika!) ny
  1873. voambolana sanskreta hita ao aminy. Ka tsy mahagaga koa ary raha toa ka ny teny melayu no lasa
  1874. avy hatrany fitenin’i Srivijaya izay azo atao hoe “ampaira iraisam-pirenena” nusantara angaha,
  1875. afaka nanitatra ny fahefany saiky eran’ny morontsiraky AAA manontolo, ary mety hatraty
  1876. Madakasikara sy ny morontsiraky Afrika atsinanana mihitsy.1
  1877. Hatramin’ny voalohandohan’ny Andron-Tsika, noho ny antony tsy mbola tena mazava kanefa
  1878. azo vinaniana ihany dia nivadika ho bodista ireo mpitondra melayu.2 Ny “lova” ara-kolontsaina
  1879. miharihary indrindra navelan-dry zareo ary dia ny Candi Borobudur (candi = “tempoly-
  1880. fasan’andriana” miendrika tendrombohitra!) any Jawa afovoany izay heverina koa fa “tempoly
  1881. bodista” lehibe indrindra eran-tany. Ny olona “misoko ho Melayu” ary tamin’izany fotoana izany
  1882. dia ny olona mivadika ho lasa bodista sy mampiasa fiteny melayu. Nanomboka tamin’ny taonjato
  1883. faha-15 eo ho eo anefa, noho ny antony tsy tena mazava ihany koa dia nivadika tsikelikely ho
  1884. silamo ireo Melayu. Nisy fotoana anefa dia ireo mpiavy tsina indrindra indrindra no tena
  1885. mpanaraka fivavahana silamo ary azo hinoana fa maro tamin-dry zareo no nandray anjara betsaka
  1886. (miaraka amin’ny mpitsao-ponenana cam sasany!) tamin’ny fanaparitahana voalohany an’io
  1887. fivavahana io teo anivon’ireo Melayu. Hatramin’ny nahatongavan’ny Vazaha anefa dia lasa ireo
  1888. Melayu sy foko nusantara hafa ihany sisa no hany nijanona ho silamo mba ahafahany indrindra
  1889. indrindra miaro-tena manoloana ireo mpanani-bohitra izay miseho rahateo toy ny kristiana!
  1890. Hany ka tamin’ny alalan’ny fiteny melayu indrindra indrindra izany no niparitaka tany AAA ny
  1891. fivavahana silamo. I Srivijaya moa dia rava hatramin’ny taonjato faha-13 ary, rehefa nihelina ny
  1892. fanjakazakan’i Majapahit (ampaira jawa, taonjato faha-13-15) nisongona azy dia nosoloin’ireo
  1893. “fanjakana silamo” (“sultanat”) maro madinika izay ny sasany, sahala amin’ireo any Malaysia sy
  1894. Berunai dia mbola tafajoro mandraka ankehitriny.
  1895. Noho io fitaran’ny fampiasana ny fiteny melayu io 3 ary dia tsy nisalasala nampiasa azy koa ireo
  1896. mpanjanatany belanda/dotsa. Hany ka na ny fitenin-dry zareo manokana aza dia niniaviny tsy
  1897. nampianariny an’ireo tompontany fa aleon-dry zareo indray izy tenany no mianatra sy mampiasa
  1898. teny melayu. Sady izay moa ry zareo koa tsy “assimilateur” sahala amin’ny Frantsay mihitsy, hany
  1899. ka na ny fampielezana ny fivavahana kristiana aza nisy fotoana nosakanan-dry zareo! Aleony mahita
  1900. ireo tompontany donton’ny fivavahana silamo any!...
  1901. Ka noho izany rehetra izany dia tsy mahagaga raha toa ka ny teny melayu koa no tonga dia
  1902. noraisin’ireo tanora tia-tanindrazana teratany nanao zaikabe tamin’ny taona 1928 ho tenim-
  1903. pirenen’i “Indonesia” mahaleotena, amin’ny fiantso vaovao hoe bahasa indonesia na “fiteny
  1904. indonesia”, alohan’ny fiteny jawa izay be mpampiasa kokoa anefa ohatra.
  1905. Toy izany ary momba ny fiteny sy ny fivavahana izay azo lazaina fa maha-melayu voalohany
  1906. indrindra ireo Melayu. Raha ny fiavian’ny olona indray no topaza-maso dia mazava avy hatrany fa,
  1907. hatrany ampiandohana, ireo olona Melayu ireo dia taranaka olona nusantara avy amin’ny “fokom-
  1908. 1
  1909.  Ireo mpiantsambo “wak-wak” tonga nanafika ny morontsiraky Afrika tamin'ny sambo miisa “arivo” tamin' ny
  1910. taona 945-946 ohatra dia azo hinoana tanteraka fa olon'i Srivijaya, nampian'ny razantsika. Ny filazana mantsy fa
  1911. nahatratra “erintaona” hono ny dian-dry zareo dia manambara fa avy any AAA no fiaviany ary nisy fotoana avy eo
  1912. nijanonany tamin’ny toerana namana tsy lavitra an’i Afrika, izay tsy maintsy i Madagasikara sy Komoro, izay
  1913. tamin’izany fotoana dia mety mbola nitoetra indrindra koa teo ampelatanan’ny olona Nusantara.
  1914. 2
  1915.  Izay ny fianakavian'ny mpanjakany, araka ny anarana ahafantarana azy aty aoriana kely dia ny Sailendra na
  1916. “Mpanjakan'ny Tendrombohitra”! – Hita eto ny fanajana ny hasin'ny tendrombohitra na dia ho an'ny firenena
  1917. mpiantsambo iringiriny aza!.
  1918. 3
  1919.  Indraindray hatrany amin'ny morontsiraka atsimon'i Tsina sahala amin'i Hong Kong! – Izany hoe ny fiteny
  1920. iraisam-pirenena nosoloin'ny anglisy ankehitriny any AAA dia ny fiteny melayu tsotra izao!
  1921. Sarasara tsy ambaka (rakitry ny Zaikabe merina, 1997-1999)
  1922.  97
  1923. paritany” isan-karazany. Ary ny ohatra mampiseho tsara indrindra an’izany dia ny omen’i Malaysia.
  1924. Fantatra mantsy fa, ankoatr’ireo mponina efa teo hatramin’ny andron’ny prehistoria1 dia vokatry ny
  1925. fifangaroan’ny mpiavy nusantara eran’i AAA ireo bumiputra any Malaysia ireo. Ny sasany amin’ny
  1926. razany efa teo hatramin’ny andron’i Srivijaya ary ny sasany vao taty aoriana no nanorim-ponenana.
  1927. Ny namorona ny fanjakan’i Selangor (misy an’i Kuala Lumpur) ohatra dia ireo Bugis avy any
  1928. Sulawesi, ary ny ankamaroan’ny mponin’i Negri Sembilan dia Minangkabau avy any Sumatera
  1929. andrefana. Toy izany koa, maro be amin’ireo mponin’i Kelantan sy Terengganu (ary Johore, toerana
  1930. ahitana taranaka Bugis sy Makasar koa) no taranaka mpiavy avy any Jawa ary koa angaha izany
  1931. cam nitsao-ponenana.
  1932. Ka ny “simenitra” mampiray ireo foko hafa fiaviana rehetra ireo ary dia ny teny melayu nasolo
  1933. ireo fitenim-paritany isan-karazany ary koa ny fivavahana silamo, izay manome finoana sy fomba
  1934. amam-panao vaovao iombonana. Sady izay moa any Malaysia dia eo koa ny fifaninanana
  1935. amin’ireo mpiavy vahiny maro be (lasa maro an’isa raha miaraka amin’i Singapura!), ary indrindra
  1936. izany ireo Tsina sy India nampidirin’ny fanjanahantany anglisy. Hany ka, mba ahafahany miaro-
  1937. tena dia voatery nanao izay hiraisana hina be be kokoa hatrany ireo bumiputra melayu, amin’ny
  1938. alalan’ny famikirana indrindra indrindra amin’ny “identity silamo”. Ary marina tokoa fa sady
  1939. mampiray eto ny fivavahana silamo no mampiavona koa manoloana ireo “kafiry” tsy silamo avy
  1940. any ivelany izay ataony ny tsy ifandraisana be loatra aminy ary tsy mahamenatra azy tsotra izao
  1941. koa ny mamono azy raha sendra misy ‘occasion’ hanaovana an’izany. Ireo vahiny ireo rahateo
  1942. moa, noho ny antony samihafa (ny “dynamisme”-ny mpiavy, ny fiaraha-miasa amin’ny
  1943. mpanjanatany vazaha nampiditra azy, sns.) dia lasa nahomby lavitra kokoa ara-ekonomika. Hany
  1944. ka ny vokany dia ny fisehoan’ny fanambaniana sy ny fankahalana tsotra izao eo amin’ny roa tonta.
  1945. Ho an’ireo vahiny, ny Melayu dia olona donto tery saina sy mahery setra ary ho an’ireo Melayu
  1946. indray, ireo mpiavy Tsina sy India dia olon-tsy vanona mpanararao-paty no barbariana sy “kafiry”
  1947. tsy mino an’i Allah rahateo fa ny vola ihany sisa no lasa nataony andriamanitra ivavahana (io ilay
  1948. hoe “moneytheism”!). Hita eto fa ampiasaina toy ny “rindrina” na “manda” ialokalofan’ireo
  1949. Melayu tokoa ny fivavahana silamo; sady fomba fiarovan-tena mampiataka ny mpanani-bohitra
  1950. vahiny mety hisisika (amin’ny alalan’ny fanambadiana ohatra!) amin’ny fokon’ny tena no
  1951. fitaovana afaka mampirehareha sy mampiavona (noho ny finoana ho hany mahafantatra ny
  1952. “marina” tokana ara-pivavahana!) koa ny resy sy mahantra.
  1953. Toy izany indrindra indrindra ny fisehoan-javatra any Malaysia. Any amin’ny toeran-kafa
  1954. ahitana koa Melayu anefa dia mitovitovy amin’izany ihany koa ny fipetraky ny raharaha na dia
  1955. somary malefaka kokoa aza matetika ny famikirana amin’ny fivavahana silamo noho ny
  1956. fahamaivanan’ny fanerena avy amin’ny mpiavy vahiny. Ka eto, sahala amin’ny any amin’ny
  1957. morontsiraky Kalimantan ohatra, ny tena manosika hiseho ho toy ny “silamo mafana-fo” dia ny
  1958. faniriana hiavaka amin’ireo Daya tompon-tany ary loharano nipoiran’ny maro rahateo koa. Hita
  1959. mivandravandra izany eo amin-dry zareo Banjar(masin) izay fantatra fa karazana melayu tsy vao
  1960. ela loatra no niforona, avy amin’ny fifangaroan’ny teratany mifanakaiky fiaviana amin’ny
  1961. razan’ny Ma’anyan (ary koa izany ny antsika!) sy ireo mpiavy Jawa sy Bugis-Makasar.
  1962. Ka raha fintinina sy hanaovana fijery bango-tokana ary izany dia toy izao ankehitriny ny
  1963. fisehoan’ny Melayu any AAA. Ny matanjaka sy “extremiste” indrindra aminy dia ry zareo any
  1964. Malaysia noho ny antony efa voalaza. Any Indonesia ary izany dia mipirimpirina kokoa ry zareo
  1965. satria sady vitsy an’isa (eo amin’ny 20 na 30 tapitrisa eo ho eo angaha?) no miparitaka ary manana
  1966. “tendance” hihevitra ho tena teratanin’ny faritany honenany. Tsy inona ary ireo faritany ireo fa ny
  1967. morontsiraka atsinanan’i Sumatera, miaraka amin’ireo nosy mifanila (vondronosy Riau, Linga,
  1968. Bangka) eo andaniny ary ny morontsiraky Kalimantan eo ankilany. Ankoatr’izay dia misy koa
  1969. 1
  1970.  Sahala amin'ireo voalaza fa orang asli, mainty hoditra mampiasa karazam-piteny mon-khmer any afovoan-tany,
  1971. ary koa ireo Jakun, foko nusantara tompon-tany any Johor.
  1972. Sarasara tsy ambaka (rakitry ny Zaikabe merina, 1997-1999)
  1973.  98
  1974. toerana mitsitokotoko hafa toy ny any Maluku (Ambon, Halmahera), na koa ankehitriny, Irian.
  1975. Amin’ny lafiny iray anefa dia azo heverina koa ho karazana Melayu ihany ireo olon’ny pesisir
  1976. (“sisiny”) any amin’ny morontsiraka avaratry Jawa, na dia mampiasa fiteny jawa aza, ary koa ireo
  1977. mponin’ny tanan-dehibe “very tanindrazana” maro, ary indrindra izany Jakarta (ireo no voalaza
  1978. fahiny amin’ny fiteny maneso hoe orang Betawi asli!). Toy izany koa ireo tanora indonesia maro
  1979. moderina tsy mahafantatra intsony ny lovan’ny faritany niavian’ny raiamandreniny (ary indrindra
  1980. moa raha toa ka tsy mitovy foko niaviana ry zareo) ka mihevi-tena indrindra indrindra ho “olona
  1981. Indonesia”! Ka eto dia azo lazaina fa ny politika “fanaovana ho Indonesia” (indonesianisasi na
  1982. “fanindonesianiana”!) dia tsy mifankaiza loatra amin’ny “famadihana ho melayu” ihany. Ary hita
  1983. rahateo koa izany amin’ny fomba fiteny satria any Indonesia ohatra, ny voambolana hoe melayu dia
  1984. saiky nosoloina tanteraka amin’ny hoe indonesia, manomboka amin’ny fiteny (bahasa indonesia
  1985. alohan’ny bahasa melayu), ny firazanana, ary hatramin’ny momba ny tantara tranainy satria toa
  1986. mampahatsiaro loatra ny andron’ny fanjanahantany no efa norombahin’i Malaysia rahateo ka aleo
  1987. hoy ny sasany avela ho azy irery any! (Ireo orang Malaysia moa matetika dia tsy hananan’ireo olona
  1988. Indonesia haja loatra fa heveriny toy ny “zandrikely” maivandoha mampitsiky vendrana fotsiny,
  1989. sahala amin’ireo Frantsay manolona ny Belge ohatra!).
  1990. Ny fivavahana silamo indray dia efa hatramin’ny ela no tsy mampiavaka manokana ireo Melayu
  1991. intsony satria, noho ny fanjanahantany sy ny faneren’ny fifaninanana tamin’ireo mpiavy Tsina izay
  1992. matetika “fitaovana” nampiasain’ireo Vazaha indrindra (azo lazaina koa anefa fa ry zareo Tsina no
  1993. tena nampiasa ny Vazaha!) dia maro be ny foko nusantara hafa lasa silamo mafana-fo. Ary
  1994. anisan’izany ary ohatra ireo mponin’ny pesisir jawa, ary koa ireo olona Sunda, Madura, Aceh,
  1995. Minangkabau ary Bugis-Makasar (ny Bugis sy ny Makasar dia foko roa miavaka tanteraka kanefa
  1996. aty ivelany dia miara miasa hatrany, hany ka lasa fanao mahazatra ny manambatra toy izany ny
  1997. anarany!). Ankehitriny anefa, ny tena dikan’io fanarahana silamo io dia toa lasa fomba fiarovan-tena
  1998. indrindra indrindra manoloana ny fampitahoran’ny “tontolo moderina”. Ho an’ny olona Indonesia
  1999. maro dia tsapa toy ny “identity manelanelana” eo amin’ny “identity” nentin-drazana sy ny
  2000. “dépersonnalisation moderne” ny “identity” silamo. Fomba tsy hilavoana lefona tanteraka
  2001. manoloana ny fanao moderina izay tsapa amin’ny maha fomba kristiana sy vazaha (ireo fahavalo
  2002. nentin-drazana indrindra!) azy indrindra indrindra. Ho antsika dia toa famatoran-tena tanteraka
  2003. amin’ny fanandevozan’ny kolontsaina arabo izany kanefa ho an-dry zareo dia ny “fanambanana”
  2004. vazaha, izay fantany koa anefa fa tsy maintsy hihatra aminy ihany no mampatahotra indrindra.
  2005. Hita tsara izany ohatra rehefa mandinika ny fomba fitafian’ny vehivavy ankehitriny, indrindra
  2006. any Malaysia (izay tsikelikely dia mihitatra any Indonesia koa satria amin’ny “resaka silamo” dia
  2007. lasa mpanome lesona ankehitriny i Malaysia!). Fahiny, ary hatramin’izao any ambanivohitra dia
  2008. sarong (= “sarona”) sy lobaka kebaya, miaraka amin’ny lamba manify atao saron-doha kely
  2009. (selendang) no fitafy mahazatra. Ankehitriny anefa, ho an’ireo te hiseho ho “moderina” sy silamo
  2010. dia niova ho baju kurung lava (“robe sac-poubelle” hoy ny vavan’ny mpanenjika “intégriste”
  2011. any Frantsa!) izy io ary ny selendang dia nivadika lasa tudung na cadar (“chador” na “voile
  2012. musulmane”) mandrakotra ny loha rehetra ankoatra ny tava. Ny antony izany, ankoatra ny
  2013. fanarahana anjambany ny “lamody silamo” avy any Iran dia ny disadisa hanaraka tsotra izao ny
  2014. fomba fitafy vazaha! Ary satria ny sarong nentin-drazana toa tambanivohitra loatra (na koa any
  2015. Indonesia, “cérémonial” loatra!) ka tsy mifanentana intsony amin’ny fiainana andavanandron’ny
  2016. “tontolo moderina” dia tsy misy afatsy ny “fitafy silamo” sisa no azo hamaharana!
  2017. Noho izany dia hinoako fa fisehoan-javatra mandalo fotsiny ihany io, mampiseho indrindra
  2018. indrindra ny “crise d’identité” goavana mihatra ankehitriny amin’ireo olona Melayu sy silamo
  2019. indonesia rehetra manoloana ny tontolo moderina tsy maintsy hatrehany. Ary azo lazaina avy
  2020. hatrany koa eto fa ny meloka voalohany dia ireo mpitondra (sy ireo avara-pianarana vendrana tsy
  2021. mahalala loatra ny tena fomba sy tantara nusantara akory noho ny fiondrehan-tsaina manolona ny
  2022. fampianarana vazaha mahazatra!) izay tsy nahay nampianatra ny vahoakany mba hirehareha
  2023. amin’ny tena lovan-drazany manokana. Mamikitra amin’ny “identity silamo” izay heveriny koa fa
  2024. Sarasara tsy ambaka (rakitry ny Zaikabe merina, 1997-1999)
  2025.  99
  2026. tena “identity”-ny manokana ankehitriny ny olona Nusantara maro (ary tsy ferana ireo mamikitra
  2027. amin’ny “identity kristiana”!) noho ny tsy fahafantarany tsotra izao ny tena mahamendrika ny
  2028. “identity nusantara” nentin-drazany!
  2029. Ka mba toy ny ahoana kosa indray ary ny tena toeran’ireo Melayu ireo manoloana antsika
  2030. merina? Eto, mba hampazava tsara ny resaka dia ilaina angamba ny miverina kely indray amin’ny
  2031. tantaran’ny fiantsamboana nusantara.
  2032. Tany amboalohany izany, rehefa nandao ny tanindrazana iombonana (ny morontsiraky Tsina
  2033. atsinanana ankehitriny io!) ireo razambe nusantara ireo dia lasa mpiantsambo avokoa. Ny sasany
  2034. taminy ary dia nanorim-ponenana tany amin’ny morontsirak’ireo nosy (na ny sombin’ny benua/
  2035. “tanibe” hafa sahala amin’i Campa/Vietnam!) ary avy eo dia nilentika indraindray any ampovoan-
  2036. tany ho tonga Daya. Ireo nijanona teny amorontsiraka anefa dia sady nanangam-panjakana no nitohy
  2037. niantsambo hatrany hiany noho ny varotra indrindra indrindra. Teo anilan-dry zareo koa dia nisy ireo
  2038. foko tsy narisika hanorim-ponenana tanteraka amina faritany iray fa aleony nitohy hatrany monina
  2039. eny ambonin’ny lakana sy fiara ary “mirenireny” teny amin’ny ranomasina sy morontsiraka rehetra
  2040. teny. Ireo no mpialoha lalana ireo foko Bajau (teny toa niavian’ny... Vezo!) na orang laut (“olon-
  2041. dranomasina” na “alaotra”!) mbola fahita eny ihany mandraka ankehitriny any AAA, ary indrindra
  2042. manodidina ny ranomasin’i Sulawesi. Ary farany izany dia eo koa ireo Melayu izay tsy foko mano-
  2043. kana fa karazana niforona taty aoriana (“groupe de formation secondaire”) avy amin’ireo foko hafa
  2044. ireo. Noho ny antony tsy mbola tena mazava ary, kanefa toa misy ifandraisana mivantana amin’ireo
  2045. fanjakana nusantara niforona taloha tany Tsina (ireo voalaza fa Yue ohatra!) dia ireo Melayu ireo no
  2046. lasa mpiantsambo matanjaka indrindra tany AAA. Ny fanjakan-dry zareo malaza indrindra izany dia
  2047. i Srivijaya kanefa talohan’io dia toa efa an-dry zareo koa ilay fanjakana antsoin’ny soratra tsina hoe
  2048. “Funan” nitoetra fahiny tany atsimon’i Vietnam-Kamboja ankehitriny.
  2049. Ka ireo karazana mpiantsambo telo ireo izany no nanenika ny ranomasina tany AAA nandritra
  2050. ny arivo-arivo taona. Ry zareo Bajau, noho ny tsy fananany fanjakana manokana mitoetra amina
  2051. faritany iray no malemy indrindra hatrany ary nanamparan’ireo karazana roa hafa (mandraka
  2052. ankehitriny!) ny fanjakazakany. Na dia matetika nandevozina aza anefa ry zareo dia sarotra
  2053. potehina tanteraka satria “malama” noho ny firenireneny indrindra. Ireo mpiantsambo avy amina
  2054. foko sy firenena manokana manana fanjakana ireo koa anefa izany dia voatery mihatra ny
  2055. fifaninanan’ireo Melayu izay nanomboka tamin’ny taonjato faha-7 dia niseho ho faran’izay
  2056. matanjaka indrindra. Ary ny antony nampahery an-dry zareo dia tsy inona izany akory fa noho ry
  2057. zareo bodista “assimilateur” ka mitombo isa hatrany noho ny fanatevenan’ireo olona avy amin’ny
  2058. foko hafa “misoko ho melayu” rehetra. Tamin’ny fiafaran’ny taonjato faha-13 dia nanomboka
  2059. resi-tosik’ireo mpiantsambo jawa (nanao an’i Majapahit, izay fanjakana lehibe indrindra avy
  2060. amina foko manokana!) izany ireo Melayu ary avy eo dia nisedra koa ny fifaninanan’ireo Bugis
  2061. sy Makasar ary koa, tany atsimon’i Filipina, ireo Tausug avy any Sulu. Fa ny tena nisongona an-
  2062. dry zareo tanteraka dia ireo mpiavy tsina izay azo heverina mihitsy raha toa ka atao bango-
  2063. tokana ny mibanjina ny arivo-arivo taonan’ny tantara fa tena karazana “melayu vaovao”! Ary
  2064. amin’io lafiny io, ny “réseau” tsina ankehitriny dia sady mandova no misolo koa ny “réseau”
  2065. melayu fahiny, tsy hoe eo anivon’i AAA ihany fa eran’izao tontolo izao mihitsy.
  2066. Talohan’izany anefa dia efa nisy karazam-poko iray hafa koa nifaninana ela tamin’ireo Melayu
  2067. ireo asehon’ny tantara. Vao miseho masoandro amin’ireo soratra navelany tamin’ny vato voasokitra
  2068. mantsy i Srivijaya (taona 682-686) dia manambara ny fandreseny tamin’ireo fanjakana hafa
  2069. manodidina ireo selat (“détroit” an’i Melaka sy Sunda – mety misy ifandraisana amin’io “selat” io
  2070. ny salaka-ntsika !) izay sahy nanohitra ny fahefany. Ka mba hampazava tsara ny resaka dia toa
  2071. nataony tsotra izao tamin’ny tenin’ireo fahavalony ireo ny fampitahorana sy ny fanozonana azy raha
  2072. toa ka mbola sahy manohitra ihany ry zareo. Hany ka ao afovoan’ilay soratra amin’ny teny melayu
  2073. tranainy hita tany Kota Kapur (Nosin’i Bangka, taona 686) ary dia ahitana teny toy ny : « ni
  2074. paihumpaan namuha ulu lavan tandrun luah makamatai tandrun luah vinunu paihumpaan hakaira
  2075. Sarasara tsy ambaka (rakitry ny Zaikabe merina, 1997-1999)
  2076.  100
  2077. muah kayet ni humpa unai tunai umentem bhakti ni ulun... ». Tsy tena melayu ny ankamaroan’ireo
  2078. voambolana ireo ary efa hatramin’ny taona 1930, nanombohana namaky azy no nipetraka ny
  2079. fanontaniana hoe teny inona ireo ary inona no tena dikany. Avy hatrany anefa i G.Ferrand1 (izay
  2080. fantatra fa niasa ela teto Madagasikara dia nahatsikaritra ny fitovizan’ny voambolana sasany
  2081. amin’ny tenintsika (“ni = ny”, “ulu = man-olo-ana”, “lavan = lavina/manda/fahavalo", “makamatai
  2082. = mahamati/mahafaty”, “vinunu = vinono/voavono”, “humpa/paihumpaan = ompa/ozona/fanom-
  2083. pana”, “ ulun = olona”, sns.) ary vao tsy ela dia nanamarina ny fiheverany koa i O.C.Dahl.2 Hany ka
  2084. mihevitra mihitsy aza ity voatonona farany ity fa karazana “old maanyan” ilay fehezanteny ary
  2085. manambara angamba izany fa mbola tany Sumatera hono ny razantsika tamin’ny taonjato faha-7.
  2086. Amiko anefa dia fiheverana tsy mitombona loatra io satria maro koa ny antony ahafahana milaza fa
  2087. efa ela be talohan’izany no nanomboka tody hatraty Madagasikara ry zareo.3
  2088. Na izany aza anefa dia toa manambara tokoa ireo soratra ireo (miaraka amin’ilay hafa avy any
  2089. Karang Brahi, avofoan-tanin’i Sumatera, mitovy betsaka aminy) fa tamin’ny taonjato faha-7 dia
  2090. mbola nisy karazan’olona iray fiaviana mivantana amintsika nifampitana tamin-dry zareo Melayu
  2091. tany Indonesia. Ary raha izany dia azo hinoana mihitsy aza fa nandritra ny taonarivo voalohany (“1er
  2092. millénaire”) manontolo ka hatramin’ny nahatonga ho melayu ireo olona Banjar (taonjato faha-14-16)
  2093. dia anisan’ny firenena mpiantsambo matanjaka indrindra tany AAA ireo iray fiaviana amintsika.
  2094. Izany hoe ny fifindrantsika monina hatraty Madagasikara dia mampiseho fotsiny ny fahakingana sy
  2095. ny hery nananan-dry zareo hatramin’ny andro fahagola, manodidina ny fiandohan’ny Andron-Tsika.
  2096. Ka manomboka hita soritra mazava ary raha izany ny tena toerantsika merina eo anivon’ny
  2097. tantaran’i AAA ary indrindra manoloana ireo Melayu. Sady havana iray fiaviana amintsika
  2098. tanteraka ireo no “fahavalo” nifaninanan’ny razantsika (ary indrindra moa ireo nitohy nipetraka
  2099. tany AAA!) koa nandritra ny taonjato maro. Ny tena anton-dresaka anefa eto dia tsy hoe akory ny
  2100. faniriana te hiseho ho matanjaka noho ny hafa fotsiny ihany fa kosa ny fahafahana mitazona tsotra
  2101. izao ny “identity” nentin-drazan’ny tena. Efa eo amin’ny roa arivo taona eo ho eo izao no nila-
  2102. vaniny tamin’ireo foko nusantara hafa rehetra ry zareo Melayu-very-foko ireo. Nandritra ny arivo
  2103. taona mahery dia tamin’ny alalan’ny bodisma no fomba nitaomany ny sasany “hisoko ho melayu”
  2104. 1
  2105.  “Quatre textes épigraphiques malayo-sanskrits de Sumatra et de Bangka”, Journal Asiatique, 221, 1932, tkl. 271-
  2106. 326. Azo jerena koa : G.Coedes, “Les inscriptions malaises de Srivijaya”, Bulletin de l’Ecole Française d’Extrême-
  2107. Orient, XXX, 1930, tkl. 29-80.
  2108. 2
  2109.  Migration from Kalimantan to Madagascar. Oslo : Norwegian University Press, 1991.
  2110. 3
  2111.  Raha andramana tanisaina vetivety, ny sasany amin’ireo antony lehibe tokony hampihevitra fa manodidina ny
  2112. fiandohan’ny Androntsika (AT) no nanorim-ponenana voalohany taty Madagasikara ny razantsika dia ireto avy : a) Ny
  2113. fitovizan’ny endriky ny fitaovana maro ampiasaintsika, toy ny lelan’angady sy lefona ohatra, amin’ny fitaovana fahita
  2114. tany AAA manodidina ny fiandohan’ny Androntsika ; b) ny fiheverana ny fahalaviran’ny fitenintsika amin’ireo fiteny
  2115. any Kalimantan izay, raha marina ny tsangan-kevitra hijoroan’ny glottochronology dia manondro fisarahana eo amin’ny
  2116. 2 arivo taona eo ho eo ; d) ny fiheverana fa efa hatramin’izany fotoana izany (rehefa nanomboka taloha elabe kokoa,
  2117. angamba hatramin’ny fiandohan’ny taonarivo farany TK !) no niparitaka tany Afrika ireo zava-maniry maro avy any
  2118. AAA toy ny akondro, voanio, oviala, soanambo, sns. Tsy voatery ny razantsika mivantana anefa no tompon’andraikitra
  2119. tamin’ny fampidirana ireo zava-maniry ireo satria teo koa ny fiantsamboana melayu sy jawa na foko nusantara hafa ; e)
  2120. ny fiheverana ny tantaran’ny fiantsamboana tany AAA izay mampiseho fa tamin’izany fotoana dia maro dia maro ny
  2121. fivezivezena sy ny fifindra-monina ; f) ny fahafantarana fa tamin’izany koa no tena nanomboka ny fandraisan’ny foko
  2122. sasany any AAA ny sombin’ny kolontsain’i India, indrindra moa izany momba ny fivavahana ; ny fifandraisan’i AAA sy
  2123. India anefa moa dia efa nisy elabe talohan’izany ary azo hinoana fa tsy ny olona India loatra akory no tonga nitsidika an’i
  2124. AAA fa kosa ireo mpiantsambo avy amin’io faritany farany io no namangy matetika an’i India, na noho ny varotra
  2125. tamin-dry zareo izany na noho ny fandalovana rehefa miankandrefana lavitra kokoa ; g) aty Madagasikara, ny
  2126. fahafantarana fa efa hatramin’ny taonjato faha-7 AT no ahitana porofo manambara fisiana voly nampidirin’ny
  2127. olombelona aty ampovoan-tany (Itasy). Ka raha izany ary dia azo hinoana fa efa taonjato maro talohan’io no nanomboka
  2128. nisy mponina tany amorontsiraka. Maika rahateo moa fa vao santatra fotsiny ihany hatramin’izao ny fikarohana
  2129. arkeolojika natao teto Madagasikara (ary indrindra moa Imerina !) ary matetika dia « manalavitra » be ke kokoa hatrany
  2130. ny daty vokatry ny fandalinana. Ary eo ambonin’ny arkeolojia moa dia mbola eo koa ny fikarohana hafa toy ny
  2131. fandalinana ny fiteny sy fomba izay tsy maintsy hitondra fampianarana maro tsy ampoizina loatra.
  2132. Sarasara tsy ambaka (rakitry ny Zaikabe merina, 1997-1999)
  2133.  101
  2134. ary taty aoriana, hatramin’ny taonjato faha-15-16 dia lasa ny fivavahana silamo no fitaovana
  2135. nampiasainy. Azo hinoana anefa fa tamin’ny andron’ny bodhisma dia tsy nanaliaka loatra ry zareo
  2136. noho ny “tolérance” be be kokoa misy eo amin’io karazam-pivavahana io. Hatramin’ny nahalasa
  2137. ho silamo an-dry zareo anefa dia niova tanteraka izany. Ary farany ankehitriny dia miasa kely
  2138. amin’izany tsotra izao koa ny “intégration nationale” ao amin’ny “firenena Indonesia” sy ny
  2139. “firenena Malaysia”!
  2140. Manoloana ireo mpiray fiaviana mivantana amintsika any Indonesia moa izany dia hita mi-
  2141. songadina kely koa ny tena fisehoan-javatra. Hatramin’ny taonjato faha-7 any ho any dia na-
  2142. nomboka voatosika tany amin’ny morontsiraky Sumatera atsinanana ry zareo. Toa naharitra ela
  2143. ihany anefa ny fanoherany satria mandraka ankehitriny dia ahitana foko kely tsy mbola “nisoko ho
  2144. melayu” antsoina hoe “Lom” na “Belom” (anarana toa avy amin’ny hoe “olom-belona” araka ny
  2145. fiheveran’i Dahl) any avaratry Bangka izay ahitana fifandraisana amin’ny tenintsika ny fiteniny
  2146. manokana. Ary fantatra izany fa ry zareo tany Kalimantan atsimo-atsinanana dia nitohy niharitra
  2147. koa hatramin’ny taon-jato faha-15 any ho any. Avy eo anefa, rehefa “nisoko ho melayu” sy lasa
  2148. orang Banjar ry zareo dia izy indray no lasa fahavalon’ireo Ma’anyan mitohy mitana ny “identity”
  2149. nentin-drazana mahery vaika indrindra, amin’ny alalan’ny fanaparitahana ny fivavahana silamo.
  2150. Ary fantatra fa hatramin’izao dia mbola mitohy hatrany io “fanenjehana” io izay azo lazaina fa tena
  2151. “olana laharana voalohany” mipetraka amin’ireo Ma’anyan sy foko daya hafa rehetra any
  2152. amin’iny faritany iny mihitsy.
  2153. Teo amin’ny tena razantsika manokana anefa dia toa tsy nahery vaika loatra angamba ny
  2154. “fanenjehana” nataon’ireo Melayu. Tsy maintsy nisy fotoana nifaninanantsika betsaka ihany taminy
  2155. kanefa noho ny fahalaviran’i Madagasikara dia mety nifanampy indrindra indrindra ny roa tonta.
  2156. Sady izay koa angamba, ny varotra melayu dia niseho indrindra indrindra tany amin’ny
  2157. morontsiraky Afrika fa tsy teto Madagasikara loatra. Toa maro ihany anefa ny “influence”-dry zareo
  2158. tamin’ny kolontsainantsika sahala amin’ny asehon’ireo voambolana sanskreta hita amin’ny
  2159. tenintsika. Mety ho betsaka koa ny voambolana nindramintsika mivantana avy amin’ny teny melayu
  2160. (ohatra angamba, ny “bako”, avy amin’ny bagus, ny “misoko” indrindra, ny “ranto” avy amin’ny
  2161. rantau, ny “sehatra”, avy amin’ny sekat, sns.) kanefa somary mbola sarotra tsongaina izany izy ireo
  2162. noho ny maha samy nusantara ny fiavian’ny tenintsika roa tonta indrindra. Azo hinoana anefa fa
  2163. amin’ny hoavy manaraka dia hiha-mazava kokoa hatrany io toe-draharaha io noho ny fandrosoan’ny
  2164. fahalalana mampitaha karazam-piteny nusantara. Tsara koa ny manamarika fa toa tsy tokana akory
  2165. ny foko nusantara niavian’ny razantsika satria na tamin-dry zareo mbola tany Indonesia aza, noho ry
  2166. zareo mpiantsambo mivezivezy dia tsy maintsy nisy ny fifangaroana tamin’ny foko hafa. Ka azo
  2167. hinoana sahady ohatra fa ankoatra an’ireo tany Kalimantan dia toa nandray anjara tamin’ny
  2168. fiforonan’ny razambe merina koa ny mponin’i Sulawesi sasany, ary tsy ferana izany ireo Bajau sy ny
  2169. avy any amin’ny toeran-kafa nandalo tamin’ny “fidirana” ho melayu.
  2170. Rehefa mieritreritra an’izany rehetra izany ary dia sarotra no tsy ho lasa vinany sy “manonofy”
  2171. koa amin’ny karazana tantara tsy maintsy niainan’ireo razantsika. Hany ka mino aho fa rahampitso
  2172. antenaina fa tsy ho ela, rehefa voalalina kokoa ary miparitaka eo amin’ny sarababem-bahoaka ny
  2173. fahalalana momba an’izany dia tsy maintsy ho avy ny “famoronana tantara” (amin’ny alalan’ny
  2174. “roman” na “film” ohatra!) ataon’ny sasany amintsika (ary angamba koa ry zareo any AAA!)
  2175. manandrana mampiseho indray hoe toy ny ahoana tokoa ny mety ho fisehoan-javatra tamin’ny
  2176. andavanandro. Ny fanaovana “film” miresaka momba an’izany ohatra dia tena asa azo
  2177. hifarimbonana tanteraka amin’ireo havantsika any AAA mihitsy satria tsy maintsy ahitan’ny rehetra
  2178. tombontsoa tokoa. Ary koa fampianarana betsaka satria mazava ho azy fa na ho an-dry zareo koa aza
  2179. dia tena zava-baovao tanteraka tsy mbola nosahanin’iza na iza ny “sujet” toy izany!
  2180. Ka eto ary no tena mipetraka ny fanontaniana momba ny fijery sy ny tokony ho fifandraisan-tsika
  2181. indray amin-dry zareo. Noho ny kisendrasendra, ary koa ny fandrosoan’ny toekarenany
  2182. ankehitriny (ka mampitady azy “débouché” sy “champ d’expansion” vaovao!) dia ireo Melayu
  2183. Sarasara tsy ambaka (rakitry ny Zaikabe merina, 1997-1999)
  2184.  102
  2185. avy any Malaysia no nanomboka nifandray tanana amintsika indray. Tsara ampahatsiahivina
  2186. anefa fa tamin’ny taompolo faha-60 dia efa nanatona antsika i Indonesia tamin’ny
  2187. fanelanelanan’i Yamin ary koa izany i Filipina, notarihin’i Macapagal filohany fa isika no tsy
  2188. vonona velively noho ny fahajambana nateraky ny fanjanahantany ary ny toe-draharaha koa
  2189. angamba tsy mbola matotra amin’izany rahateo.
  2190. Ho antsika izay efa manomboka “taitra” amin’izay ankehitriny dia tsy azo lavina fa mamoha
  2191. fanantenana betsaka io fifandraisana io. Noho ny fahantrana sy ny fahazaran-dratsy miantehitra
  2192. amin’ny vahiny nolovaina tamin’ny taonjato faha-19 sy ny fanjanahantany dia ny lafiny toekarena
  2193. no tonga dia misarika ny masontsika. Ho antsika, ankoatra ny maha havana azy dia olona manan-
  2194. karena kokoa aloha ireo Melayu ireo! Na farafaharatsiny, manomboka manan-karena i Malaysia
  2195. ary any indray, miaraka amin-dry zareo no tena toerana mety ahazoana manao “afera” mamokatra.
  2196. Moa va tsy izany indrindra no manosika koa an-dry zareo Betsileo sy ny tanindrana sasany
  2197. mihevi-tena ho matsilo sy fetsy hibosesika mankany amin’io faritany io ankehitriny? Sady izay
  2198. moa ho an-dry zareo Melayu rahateo (ary tsy ferana ireo Tsina sy India mitana indrindra ny vola
  2199. sy ny toekarena any an-toerana!) dia tsy misy afatsy izany aloha no hilana ireo firenena any
  2200. ivelany rehetra, ary ao anatin’izany indrindra koa ny antsika.1 Hany ka ny maha iray fiaviana
  2201. antsika sy ry zareo dia tokony ahamora kokoa fotsiny ny fifandraisana sy ny fiarahana manao
  2202. “afera” ; ry zareo ohatra mivarotra ary isika mividy na manampy azy mamokatra tsara sy be be
  2203. kokoa ary avy eo mamela azy “handraoka” ny fisaorana sy ny fankatelemantsika noho ny
  2204. “fanampiana” kely madinika atorany aty amintsika!
  2205. Mazava anefa fa ho an’ny fanarenana ny firenena merina dia toa tsy izany loatra no zavatra tena
  2206. tadiavintsika ankehitriny. Araka ny mba fiheverako mantsy, ny tena ilaintsika indrindra indrindra
  2207. dia tsy mpanampy be fitia na mpamatsy vola mitovy endrika amintsika kokoa fotsiny fa kosa
  2208. fifandraisana amina karazana olona afaka manampy antsika hamoha ny herim-po sy ny herin-
  2209. tsaintsika manokana amin’ny maha-merina antsika. Ny hikarohantsika rohim-pihavanana dia tsy
  2210. ny hananana olona akaiky ahafahana “mialokaloka” na “mitakarina” fa kosa mba ahafantarantsika
  2211. be be kokoa hoe iza marina isika, inona no tena tantarantsika sy ny toerantsika eo anivon’izao
  2212. tontolo izao. Ka ny tsy maintsy ho vokany voalohany indrindra dia ny fiverenan’ny rehareha
  2213. maha-merina antsika ary koa izany ny toky ananantsika amin’ny vintantsika manokana. Eo
  2214. anilan’izany moa dia tokony hanaraka avy hatrany koa ny fivelaran-tsaina sy ny fitomboan’ny
  2215. fahalalantsika, izany hoe ny fandrosoana ara-kolontsaina, ary koa ny firoboroboana ara-toekarena.
  2216. Tsy hoe satria noho ny fanampiana nomena antsika loatra fa kosa ny fifohazan’ny firenentsika sy
  2217. ny fahombiazany manoloana ny tolona tsy maintsy hatrehany.
  2218. 1
  2219.  Miharihary eto ny fisian’ny azo lazaina fa karazana tetika “imperialista” arahin’ny fitondrana any Malaysia (ary
  2220. tsy ferana izay mbola ho asehon’i Indonesia sy ny firenena nusantara hafa afaka manao toy izany amin’ny hoavy!)
  2221. izay tarika ny hanararaotra ny hetahetan-tsika hamelombolo indray ny fihavanana nentin-drazana mba ahazoana mora
  2222. fotsiny “client” sy “mpanotrona” vaovao, na inona firazanany marina sy fiaviany, na toy ny ahoana mety ho endriny...
  2223. Amin’ny filazana hafa, ny mody hoe “resaka nusantara” amintsika eto dia mila ho lasa fitaovana politika fotsiny eo
  2224. ampelatanan’izay sendra mahery kokoa hampitomboany ny “influence”-ny manokana... Ka manoloana ny toe-javatra
  2225. toy izany (izay tsy tokony ahagaga rahateo akory satria moa ny olombelona olombelona ihany!...) ary dia mba
  2226. anjarantsika indray no mahay mitaky hatrany ny hanajana ny tena mba zon-tsika eo anivon-dry zareo ary raha ilaina,
  2227. miseho mihitsy ho saro-piaro sy “mpanome lesona”, mitsikera ny ataony, manameloka ny “cynisme”-ny sy ny
  2228. fitiavan-tenany raha tsy ny fahambanian-tsainany tsy menatra ny manararao-paty mba hamelezan-kavana, izany hoe
  2229. mandrora mitsilany tsotra izao. Ny hevitra ilaina hamikirana sy asandratra hatrany moa izany dia ny momba ny
  2230. “hasin’i Nusantara” ihany, ny maha sarobidy ny fihavanana mampiray antsika manokana ho an’ny tombontsoa
  2231. iombonana, ary voalohany amin’izany indrindra ny aim-pirenen-tsika isany avy. Maika rahateo moa fa azo vinaniana
  2232. avy hatrany fa ny resabe tsy maintsy ho aroson’ny sasany hanakonany ny teti-dratsiny dia ny mody fanamelohana ny
  2233. “rasisma” sy ny ampangaina ho “fanakavahana” tsy mendrika, na koa raha ilaina, ny filazana ohatra fa ny hany tena
  2234. zava-dehibe eo imasony dia tsy ny fiaviana na ny firazanana loatra fa kosa ny fihavanan’ny “samy silamo” na koa ny
  2235. “samy kristiana”, sns. Izay manambara indray koa ary ny vesatry ny fiondrehana ara-tsaina manoloana ny fiheverana
  2236. avy any ivelany, na vazaha izany na arabo, ho an’ny olona Nusantara maro.
  2237. Sarasara tsy ambaka (rakitry ny Zaikabe merina, 1997-1999)
  2238.  103
  2239. Izany hoe raha fintinina, ny tena ilantsika voalohany an’ireo firenena nusantara hafa ankehitriny
  2240. dia ny hanaovana azy toy ny “fitaratra”, mamerina aty amintsika ny tena endritsika nentim-paha-
  2241. razana manokana. Ny “melayu” tena tadiavintsika mantsy dia tsy mitoetra loatra any AAA fa kosa
  2242. ao anatintsika irery ihany, ao amin’ny tantara sy ny lovan-drazana rehetra maha merina antsika. Ary
  2243. ny fihaonana indray amin-dry zareo dia tokony hamoha ny fahatsiarovantenantsika, ny fahafantarana
  2244. ny tena tantarantsika marina mba hampatoky tena sy hampahery antsika be be kokoa hatrany.
  2245. Ka ny fanontaniana azo apetraka ary dia ny hoe mba inona kosa ary ohatra no mety ho vitan’i
  2246. Malaysia ankehitriny mba hamaly indrindra ireo fanontaniantsika ireo? Raha ny fahafantarako ary
  2247. dia toa tsy hitako loatra, ankoatra ny... endriky ry zareo angaha! Ary koa ny “prestige” kely ananany
  2248. amin’ny maha firenena nusantara mba manomboka tena mivoatra ara-teknika sy toekarena azy. Eo
  2249. anilan’izany anefa dia eo koa ny endrika asehony izay tena manelingelina sy mahasorena. Ny voa-
  2250. lohany dia ry zareo tsy tena tompon’ny fahefana any amin’ny taniny akory satria izany ny mponina
  2251. tena matanjaka indrindra any Malaysia dia ry zareo Tsina sy India. Fa ny tena manorisory dia ny
  2252. fisolelafan-dry zareo diso tafahoatra ny fomba amam-panao arabo noho ny fiondrehana manoloana
  2253. ny fivavahana silamo (muslim = “mpanoa”) izay ny loza dia heveriny fa tena lasa “azy” tanteraka
  2254. koa hono. Hany ka raha angatahina ohatra ry zareo hanokatra trano-kolontsaina aty amintsika dia ho
  2255. sarotra dia sarotra aminy ny tsy hanandrana hampianatra indrindra indrindra fivavahana silamo.
  2256. Sahala amin’ireny hoe mila azy isika hampianatra ny fanao efa fahitatsika mahazatra (ary maha-
  2257. tsiravina indrindra koa!) eo amin’ireo Komoriana sy Karana! Ary noho ny efa fahafantarako an-dry
  2258. zareo dia mino mihitsy aza aho fa tsy maintsy mba nahadiso fanantenana kely ny sasany amin’ireo
  2259. tonga nitsidika antsika ny nahita antsika tsy silamo ka ny nofinofiny dia ny mba “hampisoko”
  2260. antsika ho “melayu” any aoriana any! Sady izay moa izany ilay nanova anarana hoe Mohamed Taibe
  2261. nandika teny dia efa nanome oha-dratsy azon-dry zareo raisina momba an’io rahateo.
  2262. Ary hita miharihary tanteraka koa ny tsy fahavononan-dry zareo rehefa mandinika kely ohatra
  2263. ilay kabarin’i Dato Ismail Hussein teny Ankatso. Ankoatra ny “fanambarana” momba ny “malayo-
  2264. polineziana” izay mazava fa notovozana avy aty amintsika ihany mantsy, ny tena ventin-dresany
  2265. azo hamaharana dia ny hoe: hovohainy amintsika ny varavaran’i AAA – amin’ny fanaovana
  2266. “afera” angamba izany! – ary isika kosa dia tokony hanampy azy hamoha ny varavaran’i Afrika.
  2267. Sahala amin’ireny hoe eo ampelantanan-dry zareo tokoa ny fanalahidin’i Asia ary aty amintsika ny
  2268. fanalahidin’i Afrika! Na dia noho ny “réflexe” fotsiny ihany aza anefa no namohahany an’io
  2269. hevitra tsy mitombona loatra io dia mazava fa tsy azony velively ny olana tena mipetraka amin’ny
  2270. firenentsika. Ary tsy hoe satria akory, sanatrian’izany, “vendrana” izy, fa kosa, amin’ny maha
  2271. olona Melayu azy dia olana lavitra ny fieritreretany ny hetahetantsika amin’ny famerenana ny
  2272. hasina tena maha firenena nusantara tokoa ny firenentsika. Ary sahala amin’ny tsy hitomaniany ny
  2273. fahapotehan’ny kolontsaina nentin-drazan’ireo Daya any Kalimantan ihany raha toa ka manatevina
  2274. ny laharan’ireo “nisoko ho melayu” izany no tsy hiraharahiany loatra koa ny ahavery ny maha-
  2275. merina antsika raha toa ka “misoko ho melayu” isika. Sady izay moa, ahoana tokoa re no fomba
  2276. hamikirantsika amin’ny maha-firenena nusantara iringiriny antsika raha toa ka tokony hatao
  2277. fitaovana hamoha ny varavaran’i Afrika isika e? Tsy asa mifanentana kokoa amin’ny toetran’ireo
  2278. mainty hoditra eto Madagasikara va izany?...
  2279. Mazava raha izany fa, ankoatra ny filana manokana momba ny toe-karena dia toa tsy any
  2280. Malaysia loatra isika no tokony hitodika, na koa any amin’ireo olona Melayu rehetra amin’ny
  2281. ankapobeny. Ara-kolontsaina mantsy dia tsy manan-kambara mankaiza amintsika mihitsy ry zareo,
  2282. raha tsy hoe hampianatra ny teniny amin’ny maha fitaovana fifanakalozan-kevitra sy
  2283. fampihavanana voalohany any AAA azy angaha.1
  2284. 1
  2285.  Tsy tanisaiko eto ny antsipirihiny amin'ny teknika kely madinika sahala amin'ny fampiadiana tandrimo, ny
  2286. fandefasana papangohazo, fanaovana silat sasany sy fanatanjahantena na lalao hafa (toy ny sepak takraw, karazana
  2287. “volley” amin’ny tongotra izay tena mahavariana ka tsy maintsy mba ianarantsika!), ny famolahana gidro haka
  2288. voanio, ny fampisotroana ranom-boasary mafana, sns. izay tena mahakinga an-dry zalahy any Malaysia ireo!
  2289. Sarasara tsy ambaka (rakitry ny Zaikabe merina, 1997-1999)
  2290.  104
  2291. Ka raha izany, mba aiza kosa ary no tokony hafantoka ny masontsika?
  2292. Ny valiny amiko dia tsotra: any amin’ireo tena foko sy firenena nusantara isan-karazany manana
  2293. ny maha-izy azy nentin-drazany avy. Izany hoe indrindra indrindra ireo mitoetra any Indonesia sy
  2294. Filipina ary avy eo, lavidavitra kokoa, ireo olona Mikronesia sy Polynesia any Oseania. Amin’ireo,
  2295. ny manana kolontsaina malaza sy mampitolagaga indrindra moa izany dia iaraha-manaiky fa ry
  2296. zareo any Jawa sy Bali. Ny mifanakaiky fiteny na fomba amam-panao amintsika indrindra anefa dia
  2297. ireo Daya any Kalimantan sy ireo mponin’i Sulawesi rehetra. Tsy azo hodian-tsy hita koa i Filipina
  2298. na dia somary mahasanganehana izany aza indraindray ireo “Pilipino”1 misary adala amin’ny
  2299. fanarahana anjambany loatra ny fanao espaniola sy amerikana. Hany ka mampanontany tena mihitsy
  2300. hoe iza tokoa re no tena maharikoriko e, i Haji Mohamed bin Haji Abdallah mitondra satro-bory any
  2301. Shah Alam (Malaysia) sa i Pablo Evangelista del Pilar II midoroka labiera San Miguel any Trece
  2302. Martires (Atsimon’i Maynila) ary miandry hatrany ny fahatongavan’ny fotoana ahafahana mifindra
  2303. monina mankany Amerika. Kanefa tsara ho fantatra fa ao ambadiky ny fisehoan-javatra aty ivelany
  2304. dia velona tsara ny fitazomana tenin-drazana ary koa ny fanao maro sy ny fomba fisainana nusantara
  2305. eran’i Filipina manontolo. Ary amin’ny lafiny firazanana koa, na dia eo aza ireo nifangaro ra
  2306. amin’ny Tsina sy ny Vazaha (raha betsaka dia eo amin’ny 20 % ny mponina eo ho eo hono), ny
  2307. ankamaroan’ny olona dia nahatana tanteraka ny tena firazanana nusantara.
  2308. Amin’ny lafiny pratika izany dia tokony amin’i Indonesia isika indrindra indrindra no mamikitra.
  2309. Raha afaka manararaotra ny fanampian’ny mpitondra fanjakana moa dia tsara loatra kanefa na dia
  2310. tsy mbola eo aza izany dia efa tena zava-dehibe sahady ny mahafantatra sy mifampikasoka amin’ireo
  2311. karazan’olona avy amin’ny faritany isan-karazany any. Manoloana ireo foko ireo mantsy dia manana
  2312. avy hatrany ny toerantsika manokana isika. Sady izay moa amin’ny lafiny fivavahana dia tsy voatery
  2313. velively hipirimpirina hatrany manoloana ireo silamo isika noho ny fisian’ireo foko kristiana, ary tsy
  2314. ferana ireo mpanaraka fivavahana “hindu” sahala amin-dry zareo Bali,2 na koa mbola manaja ny
  2315. 1
  2316.  Ny hoe “pilipino” (na “pilipina” ho an’ny vehivavy – Io fanavahana ny “masculin” amin’ny “féminin” io dia
  2317. findramana tanteraka ny fanao vazaha ary tsy voatery arahin’ny rehetra tokoa rehefa mampiasa fitenim-paritany !)
  2318. indraindray dia avahana amin’ny “Filipino” eo andaniny ary ny “Indio” eo ankilany. Ny “Filipino” – tsara marihina
  2319. koa moa fa ny feo “f” dia vahiny tanteraka amin’ireo karazam-piteny nentin-drazana rehetra any an-toerana! – ary dia
  2320. ireo mizaka zom-pirenena filipina rehetra, na tena teratany na tsia, sahala amin’ireo olona Tsina ohatra. Ny “Pilipino”
  2321. indray dia ireo “teratany” amin’ny ankapobeny, indrindra ireo mponin’ny tanan-dehibe somary safiotra na tsy fantam-
  2322. piaviana mazava loatra intsony ara-poko. Ary farany, ny hoe Indio, izay fiteny somary tranainy anefa, dia ilazana ireo
  2323. miharihary amin’ny endriny fa tena teratany iringiriny no mbola manana foko sy fitenim-paritany mazava rahateo koa.
  2324. Eto izany dia mitovy amin’ny “native” na “indigène” ny indio ka tsy mahagaga raha toa ka iavonan’ny “Pilipino”
  2325. maro. Fa ny somary mahatsikaiky, any Indonesia indray, ny hoe “Indo” (fanafohezana avy amin’ny “indo-eropa” !)
  2326. dia teny ilazana fotsiny ireo safiotram-bazaha. Ny teratany dia “orang Indonesia” na “orang Malaysia asli” (ary
  2327. indraindray, ho an’ireo efa zokiolona na any Indonesia aza, “orang Melayu” !) ivelan’ny fiantsoana azy manaraka ny
  2328. foko niaviany, indraindray “takonana” ao ambadiky ny tanan-dehibe malaza ao amin’ny faritaniny (toy ny hoe
  2329. “mponin’Antananarivo” hilazana ny Merina). Ny hoe Orang Padang na Orang Sumatera Barat izany dia fantatra fa
  2330. olona Minang(kabau) ; ny Orang Surabaya dia olona Jawa Timur, ny Orang Manado dia olona Minahasa, ny Orang
  2331. Banjar moa dia ireo Melayu an’i Banjarmasin sy ny morontsiraka atsimo-atsinanan’i Kalimantan, sns.
  2332. 2
  2333.  Io filazana ireo olona Bali ho “hindoista” na “brahmanista” io moa dia miankina indrindra indrindra aloha
  2334. amin’ny fiheverana vazaha momba ny karazam-pivavahana. Ny tena marina mantsy dia ny finoana nentin-drazana
  2335. nusantara no tena arahin-dry zareo miaraka amin’ny fanehoam-pivavahana sy fomba sasany izay nindrana fanao maro
  2336. na koa ny filazana na sombin-tantara avy amin’ny fampianarana hindoista. Ary tsy tokony ahagaga akory izany satria
  2337. endrika mampiavaka ny hoe “hindoisma” indrindra koa ny fahalalahana tanteraka amin’ny fisafidianana izay andria-
  2338. manitra tiana hivavahana (amin’ireo marobe tsy hita isa hinoana fa misy eran-tany aman-danitra!) sy ny fomba
  2339. hanaovana an’izany. Maika rahateo moa fa tsy mba ampanerena na noho ny fanarahana ny fampianarana “misionary”
  2340. avy any ivelany no nahatongavan’ireo firenena (ny tena marina, ireo mpitondra fanjakana sy ny manodidina azy!) any
  2341. AAA ho lasa “hindoista” na “bodista” fa kosa an-tsitrapo tanteraka, noho ny filana manokana sy ny tanjona ara-politika
  2342. na ara-kolontsaina tian-dry zareo tratrarina. Hany ka any Bali ary dia marobe tokoa ireo andriamanitra (dewa na hiang)
  2343. tompoina, na dia ankehitriny aza, noho ny fanarahana ny filan’ny fitondrana indonesia momba ny “monotheism” dia
  2344. tadiavin’ny sasany asandratra toy ny andriamanitra tokana ny hoe Sang Hiang Widhi. Ivelan’izany moa, ny tena misarika
  2345. ny saina momba ny fivavahana any Bali dia izy mampahatsiahy ny mety ho endriky ny fivavahana tranainy nisy tany
  2346. Sarasara tsy ambaka (rakitry ny Zaikabe merina, 1997-1999)
  2347.  105
  2348. fivavahana nentin-drazany manokana sahala amin’ireo Daya sasany mitohy mamikitra amin’ny
  2349. Kaharingan (anarana ofisialy hiantsoana ny finoana nentin-drazana). Ny silamo maro be rahateo koa
  2350. moa, indrindra ohatra izany ireo Jawa dia toa tsy miraharaha loatra ny “fivavahany”. Ireo matetika
  2351. no mahatonga ny filazana hoe islam statistik na koa islam abangan,1 miantso ny fanao “tsy mivaky
  2352. loha” mampiavaka ireo tantsaha jawa izay misimisy aminy mihitsy hatramin’izao no aleony
  2353. mivadika ho lasa kristiana. Hany ka any Indonesia (ary indrindra izany Jawa) angaha izany
  2354. ankehitriny no ahitana olona “silamo” be indrindra mivadika lasa kristiana, matetika protestanta!
  2355. Mazava raha izany fa ny fanambarana mahazatra hoe 85 na 90 % ny olona Indonesia dia silamo dia
  2356. propagandy tanteraka, ataon’ireo silamo ary averimberin’ireo Vazaha mora fotsiny avy eo! Ny
  2357. marina mantsy dia “fourre-tout” ny hoe “silamo” any Indonesia ka izay tsy milaza mazava fa hoe
  2358. kristiana, hindu-bali na hafa ohatra dia atambatra ao anatin’io filazana tokana io avokoa. Fantatra
  2359. anefa fa maro be ohatra ireo Jawa no mpankasitraka ny kebatinan na kepercayaan ( = finoana) izay
  2360. tena fivavahana mifanakaiky amin’ny fanao nentin-drazana nusantara kanefa heverina fotsiny avy
  2361. aty ivelany toy ny “filosofia” na “mysticisme”.2
  2362. Ampahatsiahiviko ary fa 9 na 10 % ny mponin’i Indonesia, izany hoe eo amin’ny olona miisa 20
  2363. tapitrisa eo ho eo ankehitriny (1997) dia kristiana. Io no tarehy-marika ofisiaky kanefa maro ny
  2364. mpandinika mihevitra fa “sous-évalué” tanteraka io satria mety mahatratra hatramin’ny 25 na 30
  2365. tapitrisa no tena isan-dry zareo marina. Izany hoe manaraka an’i Filipina izany dia i Indonesia no
  2366. firenena kristiana mitana ny laharana faharoa any Asia atsinanana. Sady izay moa, ilaina ihany
  2367. angamba ny mampahatsiahy fa, amin’ny lafiny ofisialy dia tsy “firenena silamo” sahala amin’i
  2368. Malaysia akory i Indonesia. Na ny marimarina kokoa, samy “fivavahana ofisialy” any ny fivavahana
  2369. silamo, kristiana, hindu-bali, bodista ary kaharingan.
  2370. Amin’ireo kristiana indonesia ireo, ny androatokony dia protestanta ary ny sisa dia katolika. Ny
  2371. ampahany lehibe amin’ireo katolika ireo indray anefa dia, na olona somary mainty hoditra any
  2372. amin’ireo nosy tatsinanana (Flores, Timor), na ireo mpiavy tsina. Matetika mantsy rehefa
  2373. mivadika ho kristiana ireo Tsina any Indonesia (ary saiky efa toy izany tanteraka ry zareo
  2374. ankehitriny!) dia aleony miditra ho katolika. Toa toy izany ihany koa anefa ny kristiana jawa maro,
  2375. noho ny faniriany hiavaka amin’ireo foko daya indrindra angamba, na dia eo ihany koa aza ireo
  2376. protestanta (maro an’isa?) eo aminy.
  2377. Fa ny tena maro indrindra amin’ireo protestanta izany dia ireo foko daya na ny iray karazana
  2378. aminy. Toy izany ohatra, ny fiangonana protestanta matanjaka indrindra any Indonesia dia ny
  2379. an’ireo Batak tavaratra (Karo sy Toba) any Sumatera (ny Batak tatsimo toy ny Angkola sy
  2380. Mandailing anefa dia silamo ny ankabeazany). Eo anilany dia eo koa ny an’ireo Toraja/Toraya sy
  2381. Daya isan-karazany (azo tanaisaina ao anatin’izany eto ry zareo Niha/Nias, Simalur ary Mentawai)
  2382. izay matetika manambatra ny 90 % ny mponiny isany avy (ny sisa dia katolika na kaharingan, ary
  2383. indraindray koa, silamo). Ny maro an’isa amin-dry zareo Menado na Minahasa any avaratry
  2384. Sulawesi koa dia protestanta, sahala amin-dry zareo Ambon any Maluku.
  2385. Jawa sy ny morontsiraky Sumatra ary Malaysia sasany, miaraka amin’ny fironana ho “bodista” izay tokony ho hentitra
  2386. na “universalista” kokoa. Izany hoe karazam-pivavahana sahala amin’itony izany no mety narahan’ireo olona Melayu
  2387. sy Jawa na foko nusantara sasany nifampiseraseran’ireo razantsika tamin’ny taonarivo voalohany ka nahatonga
  2388. indrindra ny findramantsika avy amin-dry zareo voambolana avy amin’ny teny sanskreta.
  2389. 1
  2390.  Ny abang amin’ny teny jawa dia “mena” ary hilazana eto ireo olona tantsaha na mponin’ny afovoan-tany, miohatra
  2391. amin’ireo any amin’ny pesisir (“sisiny”) na morontsiraka avaratra malaza ho putih (fotsy) na santri. Ny maha abang
  2392. indray moa dia noho ny akanjo maloto na miloko antitr’ireo tantsaha (toy ny hoe “menalamba” ihany !) eo andaniny ary
  2393. ny somary maha “mainty” kokoa ny volonkoditry ny olona miohatra amin’ny an’ireo any amin’ny pesisir izay sady tia
  2394. mitafy lamba fotsy noho ny fivavahana silamo no indraindray koa fotsy hoditra kokoa mihitsy satria ahitana fifangaoan-
  2395. drà amin’ny mpiavy avy any ivelany, indrindra izany ireo Tsina hatramin’ny taonjato faha-14.
  2396. 2
  2397.  Cf. C.Geertz, The Religion of Java, Chicago: University of Chicago Press, 1976. Boky hafa, maivana lavitra
  2398. kokoa : W.Stöhr & P.Zoetmulder, Les religions d’Indonésie, Paris : Payot, 1968 (nadikan’i L. Jospin avy amin’i Die
  2399. Religionen Indonesiens, Stuttgart, 1965, ).
  2400. Sarasara tsy ambaka (rakitry ny Zaikabe merina, 1997-1999)
  2401.  106
  2402. Hita amin’izany fa tena miorim-paka tanteraka any Indonesia koa ny fivavahana kristiana ary
  2403. indrindra izany protestanta izay lasa fivavahan’ny foko maro. Ankoatra ny eo amin’ireo olona
  2404. Jawa mantsy izay afaka mizarazara amin’io resaka io dia tsy miankina loatra amin’ny safidin’ny
  2405. olona tsirairay ny fanarahana fivavahana any Indonesia fa kosa ny fanao mampiavaka ny
  2406. fokon’ny tena, araka ny fifandraisany amin’ny hafa. Izany hoe eo izany ny foko na faritany
  2407. heverina avy hatrany fa silamo ary eo ny sasany, ekena fa protestanta na katolika. Hany ka noho
  2408. izany ohatra, raha toa ka mahazo fitondrana ireo silamo mitady hanangana “repoblika islamika”
  2409. dia tsy vondron’olona kristiana tsirairay ihany no mety hanohitra azy fa kosa karazam-poko sy
  2410. faritany maro mihitsy. Sady izay moa, na dia vitsy an’isa aza ireo kristiana ireo dia tsy ny
  2411. olomanga velively ankehitriny no mahory azy. Hany ka amin’ny sehatry ny teknika na kolon-
  2412. tsaina moderina maro (sahala amin’ny fanaovana sinema na koa ireo hira moderina manenika ny
  2413. radio sy ny TV ohatra!) dia toa ry zareo indray no tena manjakazaka. Toy izany koa eo amin’ireo
  2414. mpampianatra any amin’ny oniversite sy ny “institut” manao fikarohana siantifika maro. Ary
  2415. farany, na hoe ao amin’ny tafika aza angaha izany dia mihoatra lavitra ny 10 % ny isan-dry
  2416. zareo, indrindra eo amin’ireo manam-boninahitra sy teknisiana nahavita fiofanana lalina.
  2417. Ka amin’ireo foko kristiana (miaraka amin’i Bali!) ireo ary no tokony hitady handrindra
  2418. fihavanana isika, na amin’ny alalan’ny fikambanana misahana resaka kolontsaina izany na ireo
  2419. “fiangonana” isan-karazany. Na dia izany aza anefa dia aoka tsy ho heverina mihitsy fa “fahavalo”
  2420. na vahiny ireo foko na olona silamo satria ny maro aminy dia mahatsiaro tena indrindra indrindra
  2421. ho olona nusantara fotsiny. Ary matetika dia amin-dry zareo “silamo” indrindra (ireo “tsy
  2422. mpivavaka” loatra anefa!) no tena ahitana ny olona nusantara faran’izay tia-tanindrazana ary mety
  2423. hafana-fo tanteraka amin’ny fiaraha-miasa amintsika. Moa va tsy olona avy amin’ny foko silamo
  2424. avokoa ireo rehetra fantatra anarana hatramin’izao fa nampahafantatra antsika any Indonesia? I
  2425. Mohamad Nazif sy Muhamad Yamin mantsy dia samy Minangkabau (Sumatra andrefana) ary i
  2426. Suardi Tasrif dia olona Sunda (Jawa andrefana). Hany ka indraindray dia ireo krisitiana indray aza
  2427. amin’io lafiny io no toa “tery saina” izany satria “pratiquant” kokoa angaha noho ny fahatsiarovan-
  2428. tena ho voambana manoloana ireo silamo maro an’isa. Sady izay moa any amin’ireo foko silamo
  2429. koa matetika no tena voatana ny kolontsaina nusantara tranainy mety hisarika ny sain-tsika.1 Ary,
  2430. ivelan’ireo Jawa dia voalohany amin’izany ohatra ireo Bugis sy Makasar any Sulawesi atsimo
  2431. (ampian-dry zareo Gorontalo sy Tomini any avaratra izay silamo koa ; ireo foko Sulawesi hafa :
  2432. Bolaang, Balantak, Mian, Loinang, sns. matetika dia mizarazara ho kristiana sy silamo ary
  2433. “kaharingan”). Tsy ambakan’izany koa anefa ry zareo Sunda sy Madura, na koa any Sumatera, ry
  2434. zareo Minang(kabau), Aceh, Gayo, Rejang, Abung/Lampung, sns. ; any Lombok ry zareo Sasak, any
  2435. Sumbawa ry zareo Semawa sy Bima, sy ny sisa maro hafa rehetra tsy ho voatanisa. Raha mbola tsy
  2436. zatra dia toa mibosesika mifangaro voraka izany ireo anarana ireo2 kanefa ho antsika dia tsara ho
  2437. 1
  2438.  Ny antony moa dia satria, ho an’ny ankamaroan’ny olona dia fampisehoana avy aty ivelany fotsiny ny fanarahana
  2439. fivavahana silamo, izany hoe, raha betsaka, fanajana fadin-kanina sy fanatanterahana “vavaka” amin’ny fomba mekanika
  2440. (tsy maintsy amin’ny fotoana sy fihetsika voafetra miaraka amin’ny tsianjery amin’ny teny tsy fantatra!) fa tsy famikirana
  2441. mankaiza amin’ny finoana manokana mihitsy, ivelan’ny fiheverana angaha fa “ambony” noho ny hafa rehetra ny silamo
  2442. ka sady tsy mahazo mifanambady amin’ny tsy silamo no afaka manangam-piadiana koa amin’izay heveriny fa faha-
  2443. valony. Noho izany, ao ambadiky ny fivavahana silamo dia saiky tafajanona hatrany ny ventin’ny tena finoana sy fanao
  2444. nentin-drazana nusantara ho an’ireo havantsika, ankoatra ny antsipirihiny sasany miharihary fa toa mifanipaka loatra
  2445. amin’ny fomba silamo. Tsy mahagaga ary raha toa ka saiky mbola voatazona foana ny “fanasinana” isan-karazany sy ny
  2446. melohin’ny be saina sasany sendra nahavaky boky kely fa hoe “finoanoam-poana” hono; toe-draharaha izay tsy
  2447. mifankaiza rahateo koa amin’ny fahita mahazatra any amin’ny ankamaroan’ny firenena silamo rehetra eran-tany
  2448. 2
  2449.  Ary maika moa raha toa ampiana ireo any Filipina: Tagalog, Bisaya/Sebu, Ilokano, Ilonggo, Bikol, Pangasinan,
  2450. Pampangan, Waray, Tinggian, Ifugao, Bontok, Kalinga, Kankanay, Ilongot, Ibaloi, Gaddang, Ibanag, Bukidnon,
  2451. Bagobo, Manobo, Mandaya, Mamanua, Subanun, Yakan, Tausug, Sama, Bajao, Maranao, Magindanao, Tiruray,
  2452. T’boli, Yakan, sns. na koa ireo foko teratany sisa tavela any Pekan/Taiwan: Paiwan, Ami, Bunun, Atayal, Sedik,
  2453. Kuvalan, Puyuma, Pazeh, Rukai, Saisiat, Tsou, Saaroa, Kanakanabu, Thao, Yami (na ireo efa lany tamingana :
  2454. Ketagalan, Luilang, Papora, Favorlang, Hoanya, Taokas, Siraya, Basay, Kulun, sns.). Ireo foko nusantara any Campa
  2455. Sarasara tsy ambaka (rakitry ny Zaikabe merina, 1997-1999)
  2456.  107
  2457. fantatra fa ao ambadiny avy dia misy foko manana ny mampiavaka azy tanteraka amin’ny karazam-
  2458. piteniny sy ny tantara ary ny fomban-drazany, izay matetika koa dia mahasaro-piaro fatratra azy ny
  2459. fiarovana azy. Ary eo anilan’ireo foko tsirairay avy ireo izany no tokony hilahatra ny Merina (ary
  2460. hanao izay fampitahana ilaina rehetra eo anivon’ny kolontsaina, fitenenana, sns.) fa tsy eo anilan’ny
  2461. voalaza fa “olona Indonesia” na “Filipina” na “Malaysia” akory izay raha ny marina dia tsy
  2462. mifankaiza loatra amin’ny hoe “malagasy” ihany!
  2463. Ireo toe-javatra ireo ary raha atao indray mijery no tokony ataontsika an-tsaina hatrany rehefa
  2464. mandinika ny tokony ho karohintsika any AAA isika. Marina fa eo koa ny filana ekonomika sy
  2465. teknika izay tsy azo atao ambanin-javatra satria antoky ny fandrosoana sy ny hoavy ihany koa
  2466. kanefa raha izany ihany no tadiavina dia tsy voatery mitodika miantsinanana akory isika. Ka anja-
  2467. rantsika ary ny mamantatra hoe inona tokoa no mety ho tena tombontsoa ho azon’ny firenentsika
  2468. amin’ny fifandraisana indray amin’ireo havana iray fiaviana ary mpizara lova tanteraka amintsika
  2469. ireo.1 Ary manaraka izany dia aoka koa hazava tsara amintsika fa tsy hoe “hakana” ho antsika
  2470. fotsiny ihany no ilantsika an’ireo firenena nusantara hafa ireo fa koa “hitondrana” zava-tsoa avy
  2471. aty amintsika. Tsy inona ary izany fa ny fisiantsika tsotra izao, ny tantarantsika, ny rehareha sy ny
  2472. hambompon-tsika niaro sy namikitra hatrany amin’ny maha-firenena nusantara antsika, na inona
  2473. fahasarotana voatery nosedraina, na inona fahoriana tsy maintsy nozakaina. Vavolombelon’ny
  2474. (Vietnam sy Kamboja) indray moa izany dia ny Cam, Jarai, Edde/Rade, Haroy, Raglai ary Curu. Ireo anaram-poko (na
  2475. fiantsoana mahazatra avy amin’ny manodidina ka tsy voatery hifanojo hatrany amin’ny tena filazan’ny tompontany
  2476. amin’ny teniny manokana !) sy firenena nusantara ireo dia tokony hitoetra ao an-dohan’ny avara-pianarana nusantara
  2477. rehetra hatrany amin’ny hoavy satria anaran-kavana afaka mampirehareha sy mamoha avy hatrany firaisankina, indrindra
  2478. moa manoloana ny hafa fiaviana. Ahitana filazana fohy momba an’ireo foko nusantara any AAA ireo, zahao F.M.Lebar,
  2479. ed. Ethnic Groups of Insular Southeast Asia. 2 vol. New Haven : HRAF Press, 1972 sy S.A.Würm & Shirô Hattori, eds.
  2480. Language atlas of the Pacific area. 2 vol. Canberra: The Australian Academy of the Humanities, 1981. Azo topaza-maso
  2481. koa I B.F.Grimes, ed. Ethnologue. Languages of the World. Dallas: SIL, 1996. (Internet: http://www.sil.org/ethnologue/)
  2482. sy D.T.Tryon, ed. Comparative Austronesian Dictionary. An Introduction to Austronesian Studies. 5 vol., Berlin & New
  2483. York : Mouton de Gruyter, 1995, izay mampiseho ny “bilan” ny fahafantarana momba ny fampitahana ireo fiteny
  2484. nusantara isan-karazany ankehitriny.
  2485. 1
  2486.  Ka amin’ny fianarana tokony ho azontsika raisina amin’ny fifandraisana indray amin’ireo firenena nusantara hafa
  2487. ireo ary dia azo tanisaina koa ny findramana fanao, teknika na fanehoana artistika nentin-drazana. Heveriko mantsy fa
  2488. raha misy karazam-pirenena tokony tsy ahamenatra antsika mihitsy ny maka tahaka ny fanaony sasany ara-kolontsaina
  2489. mba hampivelatra kokoa ny antsika manokana dia ireo indrindra. Moa va tsy iray fototra amin’ny an-dry zareo ihany ny
  2490. kolontsain-tsika nentin-drazana rehetra? Ka raha izany ary dia azo heverina fa noho ny kisendrasendran’ny tantara sy ny
  2491. faneren’ny zava-misy manodidina fotsiny ihany matoa niafara toy ny ankehitriny ny antsika miohatra amin’ny an-dry
  2492. zareo rehefa nisy fahaverezana maro (ohatra, ny fampiasana keris, gong, batik, mba tsy hitanisana ireo fitaovana
  2493. fiantsamboana) sy famoronana fomba vaovao araka ny filana manokana. Maika rahateo fa nifindra monina lavitra aty
  2494. amina nosy manirery (no Imerina koa moa mbola toerana afovoan-tany mangatsiaka kokoa indray!) isika no lasa mpiara-
  2495. monina amin’ny hafa fiaviana. Tsy mahagaga loatra ary raha toa ka somary manivaka ny kolontsain-tsika ary indraindray
  2496. koa miseho toy ny “vasoka” izany miohatra amin’ny an’ireo foko nusantara maro, ary indrindra moa ireo malaza
  2497. indrindra. Na izany aza anefa dia tsy tokony ho adinoina koa fa toa maromaro ihany ny fanaontsika nentin-drazana no
  2498. very tamin’ny taonjato faha-19 noho ny fakana tahaka anjambany ny fanaom-bazaha. Toy ny lasa very roa izany isika eto
  2499. satria ny mamin’ny haren-tsika sasany levona ho azy kanefa ny “modernisation” nantenaina fa hitondra soa koa ity
  2500. nandamokany be ihany. Noho izany dia tokony havaozintsika sy velarintsika ny kolontsaina merina manokana amin’ny
  2501. fanovozana indray ao amin’ny rakitr’ireo foko havan’ny antsika, sahala amin’ny mety nataon’ny razantsika ihany
  2502. angamba raha toa ka mbola afaka nifampikasoka indray tamin’ireo firenena nusantara hafa ry zareo. Ka ny ohatra mora
  2503. raisina indrindra ary eto dia ny momba ny fitafiana nentin-drazana izay sady faran’izay mampahantra antsika no tena
  2504. mampanankarena koa ny firenena nusantara maro. Fantatra mantsy fa ivelan’ny lamba angamba dia tsy misy tena antsika
  2505. intsony ny fitafiana heverina ankehitriny fa tena “merina” satria na ny malabary aza izany dia efa findramana avy any
  2506. amin’ny vazaha. Raha izany, inona ohatra no manakana antsika tsy hamerina ny “sarimbona” amin’ny alalan’ny “sarong”
  2507. isan-karazany! Ary toy izany koa, hanampy ny lamba, mindrana ny “selendang” sy ny “senteng”-dry zareo Jawa sy Bali.
  2508. Ivelan’ny fitafiana moa dia eo koa ny fanaovan-tsakafo, ny tao-zavatra, ny dihy sy ny lafin’ny kolontsaina isan-karazany
  2509. rehetra mety hisarika antsika. Ataoko fa sady faran’izay ahasoa antsika izany no tsy ahafaty antoka an-dry zareo olona
  2510. nusantara hafa mihitsy koa izay vao maika indray aza tsy maintsy ho voadoka fatratra ka hanome lanja be be kokoa ny
  2511. lovan-drazan-dry zareo manokana avy.
  2512. Sarasara tsy ambaka (rakitry ny Zaikabe merina, 1997-1999)
  2513.  108
  2514. herim-po sy ny fahakingan’ireo razana iombonana nusantara isika ka tsy maintsy mampirehareha
  2515. ireo mpiray firazanana amintsika rehetra. Hany ka ny fanomezana lehibe indrindra azontsika
  2516. atolotra ireo havantsika dia ny fampahatsiahivana aminy ny tena halehibeazan’ny tantarany, ny
  2517. fampaherezana azy ho saro-piaro amin’ny hasin’ny lovan-drazany manokana izay tsy inona akory
  2518. fa sombin’ny lovan-drazana nusantara iombonana ihany.
  2519. Izany hoe tsy tonga hitakarina na hanararao-paty velively akory isika ary tsy mila misisika na
  2520. mitalaho koa mba ho hampandrosoana satria tena tompontrano tanteraka, efa nanana hatrany ny
  2521. toerany voatokana izay tsy azon’iza na iza lavina na rombahina eo anivon’ny tontolo nusantara. Ka
  2522. noho izany no tokony tsy hanekentsika mihitsy ohatra “hisoko ho melayu”! Tsy mila miditra ho
  2523. melayu isika satria, amin’ny maha merina antsika dia efa “melayu” sy olona nusantara iringiriny!
  2524. Sady izay rahateo, mba inona tokoa re ny tombontsoa mety ho azon’ny firenentsika amin’ny
  2525. “fisokoana ho melayu” e? Noho ny fisolelafana an’i Malaysia sy ny “fanampiany” ara-toekarena
  2526. ve no tokony ahatongavantsika ho lasa zandrikely mpanara-dia ireo Komoriana sy Karana? Ka
  2527. raha izany, tsy aleo indray ve mitodika mankany Arabia avy hatrany, raha toa ka menatra ny
  2528. hitodika mankany Komoro sy Pakistan? Hany ka mampahatsiaro kely ahy ny resaka efa nataoko
  2529. tamin’ireo namana Indonesia io raha sendra nanazava taminy ny antony tsy mahasarika ahy
  2530. amin’ny “influence” vahiny any Indonesia aho. Ka hoy indrindra ary aho: « Niaina tany Eropa aho
  2531. kanefa tsy afa-po ka dia nanapa-kevitra ny hanatona anareo. Teny an-dalana dia nandalo tany
  2532. Arabia aho kanefa tsy nijanona satria tsy ny Arabo na ny silamo no tadiaviko. Avy eo aho dia
  2533. nandalo koa tany India kanefa tsy namaha entana satria tsy izany no anton-diako. Mbola afaka
  2534. nivily lalana indray aho avy eo nankany Tsina kanefa tsy nanao izany satria tsy misy hiraharahiako
  2535. manokana an-dry zareo Tsina mihitsy. Ka ny tadiaviko ary dia ny tena olona Nusantara eto AAA
  2536. amin’ny maha-izy azy nentin-drazany. Ary tsy hizaha-tany ihany na haka fahafinaretana kely no
  2537. hahatongavako fa hamangy havana, hitsidika ny tanindrazana fahiny. Tsy “touriste” akory aho fa
  2538. “pèlerin”! Ny fahatsiarovana ny tantaran-drazana, ny endriky ny Merina tarafin’ny endrikareo
  2539. havana mifanapa-tsinay aminay no karohiko aty aminareo. Ka noho izany dia tsy mila
  2540. fanelanelanam-bahiny mihitsy aho, na amin’ny endrika inona izany na inona, hampiray antsika.
  2541. Ny hany hitako manelanelana an’i Madagasikara sy AAA dia ny ranomasina sy ny habakabaka
  2542. kanefa tokony tsy hampisaraka antsika io fa kosa hampiray hatrany ».
  2543. Raha toa ary ka mitaona antsika “hisoko ho melayu” tokoa ohatra ireo havana Melayu ireo, ny
  2544. hany tokony havalintsika azy dia hoe: Mari kita masuk nusantara! “Andao isika hiara hiditra ao
  2545. amin’i Nusantara”. Aoka izy no ahatsiaro-tena amin’izay mba hiverina amin’ny rehareha sy ny
  2546. fanajana tanteraka ny lovan-drazana nusantara iombonana alohan’ny hitakarina lava izao amin’ny
  2547. kolontsaina vahiny. Omaly India sy ny bodisma na koa ny hindoisma, ankehitriny ny Arabo sy ny
  2548. fivavahana silamo, ary tsy ferana izany ny Vazaha. Ary ny tokony ho fiarovantenany manoloana
  2549. an’ireo fahavalony tsina sy vazaha amin’ny hoavy dia tokony tsy ny fiafenana intsony ao ambadiky
  2550. ny saron-tava arabo fa kosa ny fahasahiana mijoro sy mirehareha tsotra izao amin’ny lovan-drazana
  2551. nusantara. Ka raha mitady tokoa “fanalahidy” avy aty amintsika ary izy dia io ihany no mety ho
  2552. azontsika atolotra azy. Marina tokoa mantsy fa isika merina angamba ankehitriny no anisan’ny ma-
  2553. nana indrindra ny fanalahidin’ny tantaran’i Nusantara, ary koa izany, ny hoaviny! Io varavarana io
  2554. ihany no azontsika vohaina miaraka amin-dry zareo, ho an’ny tombontsoa iombonana. Ary
  2555. alohan’ny hifandray tanana hanao “afera” fotsiny dia aoka ny fihavanana sy ny fandalinana ny
  2556. tantara ary ny kolontsaina mampiray no atao ventin-dresaka voalohany. Tsy maintsy hanaraka mora
  2557. fotsiny ihany mantsy avy eo ny fandrosoan’ny toekarena.
  2558. Izay indray ary aloha fa amin’ny taona ho avy tohizana ny resaka. Ka samia tratry ny taona sy
  2559. mahita fahombiazana. Ary enga anie mba ny taona 1998 no ahitana indray ny fiverenan’ny
  2560. fahaleovantenan’Imerina.
  2561. Tefy.
  2562. Sarasara tsy ambaka (rakitry ny Zaikabe merina, 1997-1999)
  2563. 109
  2564. [Imerina, faha-28 Febroary 1998]
  2565. Sarasara daholo!
  2566. Samy nahaliana ahy avokoa ilay taratasy vao notaterin’i Bary sy ny an’i Jonah ka ho valiako.
  2567. Ny tonga anefa dia ni-“inspiré” avy avy hatrany aloha dia ity an’i José ity ka dia io no ho valiako
  2568. avy hatrany eto.
  2569. Ny tena marina dia hatramin’izao aho mbola tsy manana famaritana mazava ny atao hoe
  2570. “andriana”. Misy ve ny andriana 100 %, 75%, 50%. 25 % (arakaraky ny momba ny ray sy
  2571. renin’ilay olona izany ohatra), dia hihitatra be io raha mijery mihemotra hatrany (raibe,
  2572. rain’ny raibe, sns). Raha misy olona iray milaza fa andriana izy, iza no afaka manaporofo fa
  2573. milaza ny marina izy na mandainga, sns ? Hatraiza ny fetra (seuil) ahafahana milaza fa
  2574. andriana (50 %, 75 %, sns). Na hoe tsy maintsy manana ny ampy ve eo amin’ny fiainana ? sns ?
  2575. Marina tokoa fa io resaka momba ny andriana (sy hova!) io dia faran’izay tena manahirana
  2576. mihitsy. Tsy hoe noho ny fifaninana politika sy ny fisaraham-bazana aterany ihany (izay efa ampy
  2577. manorisory tanteraka sahady anefa!) fa eo anivon’ny fahafantarana ny tantara sy ny fomban-
  2578. drazana koa. Ary indrindra moa izany ankehitriny, zato taona mahery aty aorinan’ny
  2579. nanafoanan’ny vazaha teo anatrehan’ny lalanany ny sata nentim-paharazana mampiavaka ny
  2580. karazana olona teto Imerina. Kanefa izany rehefa tena mandinika akaiky tokoa, na dia ny fipetraky
  2581. ny raharaha tamin’ny andron’ny Fanjakana aza dia tsy mazava araka ny fiheveran’ny
  2582. ankamaroan’ny olona azy mihitsy.
  2583. Efa hatramin’ny herintaona lasa aho no nikasa hanokana lahatsoratra momba an’io kanefa
  2584. hatramin’izao dia tsy mbola tapa-kevitra satria misy lafin-javatra maro tsy mbola tena mazava
  2585. tanteraka amiko foana. Tsy inona ary izany fa ny momba ny tena toeran’ireo andriana hafa tany
  2586. ivelan’ny faritra avaratra-atsinanan’Imerina. Rehefa mitohy mandinika mantsy aho dia tonga hatrany
  2587. amin’ny fiheverana fa ilay rafitra ofisialy mizara ohatra ny andriana ho karazana enina (fa tsy fito
  2588. araka ny filaza mahazatra, noho ny fampisarahana ny zanakandriana izay ny marina dia sangan’ny
  2589. zazamarolahy afaka manjaka fotsiny!) dia tsy tena mitaratra ny zava-misy iainana any amin’ny toko
  2590. isany avy. Ny antony dia satria tsy misy afatsy ny andriana tampony teo amin’ireo faritany nanoa no
  2591. natao andriamasinavalona (ary ny tany Imamo moa izany dia natao iray karazana amin’ny
  2592. zazamarolahy, izany hoe ny marolahinandriamary!) kanefa kosa ireo andriana manaraka rehetra, izay
  2593. indraindray anefa mbola nitohy nitana menakely dia tsy nomena toerana mazava. Izany hoe raha
  2594. tsorina, na dioa tsy tafiditra ao anatin’ny lisitra ofisialy aza dia nekena “de facto” ho andriana izy
  2595. ireo, indrindra izany eo anivon’ny “protocole” (ny fiarahabana sy ny fanasinana ohatra!) sy ny
  2596. fanambadiana. Ny olana dia tsy mazava eo amin’ireo toko ireo koa hoe aiza ho aiza ny fetra
  2597. mampisaraka tokoa ny andriana sy ny olon-tsotra tany aminy izay nampidirina “par assimilation” ho
  2598. anisan’ny “hova” daholo.
  2599. Manaraka izany dia fantatra koa ny maha hafakely ny toeran’ireo tena Hova an’Avaradrano, ary
  2600. indrindra moa izany ireo Tsimahafotsy avy ao Ambohimanga (amin’ny filazana hafa, indrindra
  2601. indrindra ireo taranak’Andriamborona sy Ampanarifito) izay nialoha laharana tsotra izao ny
  2602. andriana amin’ny fitantanana ny toko misy azy. Sady izay, moa va tsy niavona mihitsy ny ho
  2603. ataon’Andrianampoinimerina (ary koa hono Andriamasinavalona izy tenany, noho ny fiheverana
  2604. fotsiny ary angamba ny fiavian-ny razan-dry zareo) ho tonga andriamasinavalona ry zareo, ary
  2605. amin’ny maha-taranaka zanakandriamasoandro avy any Imamo azy (izay ekena indrindra ary ho
  2606. andriana hatrany koa any aminy!) dia heverina ho toy ny andriana rehefa mankany amin’io
  2607. faritany io. Ny ankamaroan’ny olon-tsotra any Imamo anefa dia nampitovizina sata indrindra
  2608. amin’ny Tsimahafotsy (na indraindray koa, amin’ny Tsimiamboholahy)!
  2609. Sarasara tsy ambaka (rakitry ny Zaikabe merina, 1997-1999)
  2610.  110
  2611. Hita miharihary avy amin’io ohatra io sahady ny fisafotofotoan’ny raharaha ary manahirana
  2612. tanteraka ny manavaka ny andriana sy ny lazaina fa “hova” raha vao mandao tokoa ny faritra
  2613. avaratra-atsinanan’Imerina. Ary na ao amin’ity faritra farany ity aza dia miseho koa fa, ankoatra
  2614. ny andriamasinavalona no miakatra dia “clan” indrindra indrindra ireo karazana andriana.
  2615. Sarasara tsy ambaka (rakitry ny Zaikabe merina, 1997-1999)
  2616.  111
  2617. Kanefa moa izany ny fifandraisan’ny andriana sy ny hova (ary hatramin’ny sata mitantana azy!)
  2618. no somary mampisalasala (ary anisan’ny nitondra indrindra ilay fifaninanana nampidi-doza!), fa
  2619. manoloana ireo mainty sy andevo mainty kosa dia mazava hatrany ny resaka: ny fiavahana
  2620. tanteraka! Hafa ny Mainty ary na iza na iza merina mifangaro aminy dia lasa namany! Hany ka na
  2621. ireo zazahova, izany hoe ireo andriana na hova verin-drosa na verin-keloka aza dia manda tsy
  2622. mety mifanambady aminy mihitsy raha toa ka mbola maniry ny hiverina ho tena merina afaka
  2623. ihany indray andro any.
  2624. Izany hoe, hamaliana amin’izay ny fanontanian’i José, raha ny fijery nentin-drazana dia tsy
  2625. misy “pourcentage” na inona na inona amin’ny maha-andriana (na hova!) na tsia. Na tena andriana
  2626. na tsy izy tsotra izao. Ary voafetran’ny lalana sy ny fomban-drazana ny momba ny fanambadiana
  2627. rehetra. Ka fantatra mazava hoe fanambadiana miaraka amina olona karazana inona no
  2628. “mampiakatra” sata (ary maha mpikambana ao amin’ny karazana manokana !) ary fanambadiana
  2629. toy ny inona indray no “mampidina” (na nampivoaka ho tsy mpikambana ao amin’ny karazana
  2630. nisy ny tena teo aloha). Ity farany ity dia nantsoina indrindra hoe mandrorona, teny avy amin’ny
  2631. fototeny “rorona” (PNA/Proto-Nusantara *tuRun, mbola hita amin’ny melayu, midika hoe
  2632. “midina”). Ka raha izany, ny zanaky ny zazamarolahy sy ny vehivavy na ny lehilahy mainty dia
  2633. tsy 50% andriana na hova akory fa 100% mainty hatrany. Na amin’ny fomba inona mantsy na
  2634. inona dia tsy mety ho lasa hova na andriana mihitsy ny mainty. Ary toy izany koa ireo andevo
  2635. mainty izay, rehefa afahana dia lasa mainty (tsiarondahy sy tsiarombavy) fa tsy hova na andriana
  2636. akory. Ka eto dia hita indray koa ny lohan’alikan’ny Frantsay rehefa navelany ho lazaina ohatra fa
  2637. “hovavao” ry zareo hatramin’ny 1896 nanafoanana ny fanandevozana. Marina koa anefa fa ny tena
  2638. hevitr’io filazana io dia “merinavao” tsotra izao. (Izay manambara koa izany fa, talohan’io dia
  2639. sady tsy noheverina ho “hova” na ho “merina” ry zareo!).
  2640. Toy izany ary ny fipetraky ny raharaha hatramin’ny nahatongavan’ny Vazaha. Ka ny
  2641. fanontaniana dia hoe mbola io lalana nihatra hatramin’ny fiafaran’ny Fanjakana merina io ve no
  2642. tokony arahina sa tokony handray lalàna vaovao amin’izay? Ary raha toa ohatra ka ekena fa izay
  2643. efa mifangaro ra amin’ny Merina dia tokony ho azo ekena toy ny karazana merina ihany dia izao
  2644. no tokony ho atao an-tsaina avy hatrany: angamba ny 90% ny mainty sy ny tanindrana (raha kely!)
  2645. dia efa safiotra manana ra melayu avokoa!
  2646. Izay indray ary aloha.
  2647. Tefy.
  2648. Naoty fanampiny:
  2649. Rehefa manandrana mandinika akaiky ny rafitra mamaritra ny fifandraisan’ny karazana merina
  2650. isany avy amin’ny alalan’ny fanambadiana dia miseho fa tsy “mikatona” araka ny mety hiheverana
  2651. azy ny varavarana mampisaraka an-dry zareo. Tsikaritra ihany mantsy fa manomboka amin’ny
  2652. Andriamanjaka ka hatramin’ny “hova” mitoetra amin’ny toerana ambany indrindra dia saiky misy
  2653. lalana afaka mampihavana an-dry zareo foana, rehefa mandalo amin’ny fanelanelanana isan-
  2654. karazany. Ka ny voalohany amin’izany ary dia ireo andriana avy any ivelan’ny faritra avaratra-
  2655. atsinanana (ankoatra ireo andriana ambonin’Imamo angamba izay toa voatelin’ny zazamarolahy sy
  2656. ny andriamasinavalona merina tanteraka!) izay sady afaka nihavana tamin’ireo andrian’ny “faritra
  2657. afovoany” no nitohy nifanambady tamin’ny “hova” sasany efa nihavanany indrindra hatramin’ny ela
  2658. tany amin’ny faritany manokana misy azy avy. Hany ka na dia maro dia maro aza izany ny “sakana”
  2659. nanasarotra ny fifangaroana malalaka dia azo lazaina fa afaka nifanambady teny ihany tamin’ny
  2660. farany ny zanaky ny ankamaroan’ireo karazana merina rehetra. Amin’ny filazana hafa, na dia
  2661. faran’izay hentitra aza ny lalàna mametra ny fahazoana mifanambady ho an’ny karazana sasany, “de
  2662. Sarasara tsy ambaka (rakitry ny Zaikabe merina, 1997-1999)
  2663.  112
  2664. facto” dia nisy fomba ahafahana “manodina” ny raharaha foana. Ka ny antony ary, raha ny
  2665. fiheverako azy dia tsy inona akory fa ny maha-“artificiel” tsotra izao ny rafitra najoron-dRalambo1
  2666. ary namafisin’Andriamasinavalona sy Andrianampoinimerina, mampisaraka ny hova sy ny andriana,
  2667. na koa ny andriana sasany (toy ny Zanadralambo, ireo taranak’Andrianjaka avy amin’ny zandry sy ny
  2668. vadikely ka nampandeferina sy nalavirana mba hanonerana ny taranak’Andriantompokoindrindra,
  2669. izay lahimatoa voasongona teo amin’ny fitondrana!) amin’ny ankamaroan’ny andriana hafa. Na ny
  2670. marimarina kokoa angaha, io rafitra io dia tsy afaka tena nandaitra tany ivelan’ny faritra avaratra-
  2671. atsinanana (izany hoe, hamafisiko kely indray : ny avaratr’i Vonizongo sy Avaradrano ; ny tapany
  2672. atsimon’Ambodirano sy Vakinisisaony ; ary farany, Imamo sy Vakinankaratra) tsy niharan’ny
  2673. fahefan-dRalambo sy Andriamasinavalona ka nitohy nitana hatrany ny fiheverana nentin-drazana
  2674. mampifandray fotsiny ny andriana amin’ny Andriamanjaka. Izany hoe, tsy “clan” manokana
  2675. arovan’ny “endogamie” ny hoe “andriana” teo amin-dry zareo fa kosa izay tena havan’ny
  2676. Andriamanjaka fotsiny ihany. Ka ny olon-tsotra (“hova” ?) afaka nahazo fahefana na koa
  2677. nifanambady tamin’ny havan’ny Andriamanjaka ary izany dia lasa tafiditra koa ho anisan’ny
  2678. andriana, sahala amin’ny zava-misy indrindra matetika any AAA. Any amin’io faritany io mantsy,
  2679. ny fetran’ny roim-pihavanana mamaritra ny hoe “andriana” dia ny taranaka fahadimy na ny fahafito,
  2680. izany hoe hatramin’ny zafim-kitrokely na ny zafin-dorian’ny mpanjaka taloha ihany. Ka azo hinoana
  2681. ary fa mba toy izany koa ny fanao merina tranainy (izay azo marihina indrindra koa fa tsy
  2682. mamantatra marina intsony ny taranaka ivelan’ny zafin-doria, atambatra fotsiny ary ao anatin’ny
  2683. filazana hoe “zafy mafy” na “zafy tsy torana”), talohan’ny “fanavaozana” nataon-dRalambo ary
  2684. mbola nitohy nihatra eran’ny faritany merina hafa rehetra tsy mbola nianjera teo ambanin’ny
  2685. fahefany sy ny an’Andriamasinavalona avy eo. Ary nanomboka tamin’Andrianampoina vao tena
  2686. niely eran’Imerina manontolo tokoa ilay rafitra vaovao. Mazava anefa fa ara-teoria fotsiny ihany
  2687. izany fielezana izany satria ny tena marina dia nitohy velona hatrany ny fahazarana nentin-drazana
  2688. sy ny fifandraisana hafa (hatramin’ny fifanambadiana !) efa nisy teo aloha teo amin’ireo
  2689. karazan’olona tany amin’ny faritany ivelany izay ny sasany izany nekena ho anisan’ny andriana
  2690. ary ny sasany kosa lasa “hova”. Ary tsy mahagaga koa raha toa ka, ho an’ny olona maro
  2691. (anisan’izany indrindra ohatra ny tenako !) dia tsy mety ho tena fantany mazava mihitsy ny tena
  2692. toerany ao anatin’io rafitra “vaovao” io satria sady tsy afaka mihevi-tena ho anisan’ny “andriana”
  2693. izy no tsy mahatsiaro-tena ho anisan’ny “hova” velively koa ! Hany ka ho an’ny hambom-po sy ny
  2694. fitiavan-tanindrazana, ny sisa hamikirana sy asandratra avo dia avo dia ny maha merina, miaraka
  2695. amin’ny faritany niavian’ny fianakavian’ny tena.
  2696. 1
  2697.  Momba ny antony nahatonga an-dRalambo, zanaka mpandova an’Andriamanelo hanao an’io fanovana ny rafitra
  2698. sosialy io indray moa izany dia mbola olana hafa. Ny fiheverako dia ireny efa nandramako novelarina kely ao amin’ilay
  2699. lahatsoratra momba ny vazimba ireny (cf. “Ny Vazimba sy ny loharanon’ny firenena merina”). Izany hoe, raha fintinina,
  2700. ny fanirian’ireo mpiavy merina vaovao nahazo ny fitondrana avy ao Merimanjaka hanamarina sy hampitombo ny
  2701. fahefan-dry zareo manokana eo amin’ireo andriana sy fanjakana taloha hafa rehetra. Amin’ny filazana hafa, raha tsy nisy
  2702. an’io fananganana karazana andriana manokana manava-tena amin’ny “hova” sy ny “andriana vazimba” io angamba dia
  2703. mety ho sarotra kokoa ny famoriana an’Imerina. Na ny marimarina kokoa angaha, ny tena fitaovana nahafahana namory
  2704. an’Imerina dia io “ideolojia andriana-hova” io teo andaniny ary ny fanirian’ny hova sasany toy ireo lasa Tsimahafotsy
  2705. (ary indrindra moa izany ireo zanak’Andriamborona avy ao Ambohimanga, izay efa mihevi-tena rahateo ho mpandova
  2706. an’ireo Andriambahoaka avy any Imamo !) eo ankilany.
  2707. Sarasara tsy ambaka (rakitry ny Zaikabe merina, 1997-1999)
  2708. 113
  2709. [Imerina faha-28 Mey 1998]
  2710. Sarasara tsy ambaka ny rehetra!
  2711. Araka ny efa nambarako ary dia nanomboka tokoa nanandrana nanao ny “saisie”-ny
  2712. Tantaran’ny Andriana aho. Vao takila vitsivitsy no vitako kanefa tonga tokoa dia niseho avy
  2713. hatrany ireo olana efa nampoiziko kely ihany hatramin’ny ela nanombohako namaky an’io boky
  2714. io. Ka tsy naharitra aho fa mamosaka etoana ny tsapako sao mba mety hanampy kely ireo rehetra
  2715. te hanao koa “saisie” toy izany ny zavatra tsikaritro.
  2716. Kanefa alohan’ny hanombohan’ny tena resaka dia ampahatsiahiviko kely ny tsara ho fantatra
  2717. momba an’i Mopera François Callet. Misionary jesoita ary rangaha io ary tamin’ny taona 1864 izy
  2718. no tonga tao Antananarivo rehefa nipetraka volana vitsivitsy tao Toamasina ary taona maro tany
  2719. La Réunion. Tamin’ny fotoana nahatongavany tao Antananarivo dia efa 42 taona izy. Voalaza
  2720. anefa fa mbola tsy nahay mampiasa teny merina akory izy tamin’izany ary vao tamin’ny
  2721. fiantombohan’ny taona 1865 izy no mba afaka namaky ny toriteniny voalohany tamin’ny
  2722. tenintsika. Araka ny fantatra momba azy koa dia olona tsy be resaka loatra izy ary tsy nahavita
  2723. fiofanana na inona na inona manokana momba ny tantara sy ny fikarohana etnolojika. Avy hatrany
  2724. anefa izy dia niavaka kely tamin’ireo misionary namany hafa izy satria te ahafantatra be be kokoa
  2725. hatrany ny fomba sy ny tantarantsika izay tonga hono dia nampiasainy nangalana ohatra tamin’ireo
  2726. toriteniny rehetra. Ka tamin’ny fikasohana tamin’ireo olona maro mahafantatra tantara azony
  2727. nifampiresahana, izay matetika koa efa nanoratra indrindra an’izany ho an’ny tenany manokana no
  2728. nahatonga azy hamoaka ny edisiona voalohan’ny Tantaran’ny Andriana (TA) tamin’ny taona
  2729. 1873. Mbola santatra ihany anefa izany io ary tamin’ny taona 1878 sy 1881 vao tena nivoaka ny
  2730. edisiona “masaka” voalohany. Nitohy nanangona tantara sy nanoratra momba an’izany izy
  2731. mandra-pandroaka azy miaraka amin’ireo Vazaha hafa rehetra tamin’ny taona 1883, noho ny ady
  2732. voalohany nanoherana ny Frantsay. Niverina tany La Réunion ary izy ary tao no nahafatesany
  2733. tamin’ny taona 1885.
  2734. Ka hita avy hatrany amin’izany ary ny olana mipetraka amin’ny famakiana ny TA. Raha atao
  2735. indraim-bava dia vazaha angamba mbola tsy tena mahay miteny merina tsara akory (azo alain-
  2736. tsary sahala amin’ireny olona manao “fitenina mopera” ireny ohatra izy!) ary tsy mahafantatra
  2737. loatra koa ny fomba fanaovana fikarohana sy fanoratra tantara no manoratra eto! Marina koa anefa
  2738. fa na izy tenany aza dia miaiky hatrany fa mpandika sy mpandravona no tena asany satria izany
  2739. ireo sora-tanan’ny tompontany no tena loharano voalohany nanovozany ny lazainy rehetra. Ny
  2740. olana anefa dia toa namboamboariny izany ny fandikana ireo “manuscrits” ireo, no tsy mba
  2741. lazainy mihitsy koa hoe iza marina ireo olona nanoro azy izay tondroina fotsiny amin’ny soratra
  2742. tokana hoe R. na koa indraindray, “Rangahy”. Ny antony eo andaniny dia ny tsy fahafantarany
  2743. loatra ny tena metody fanao ary eo ankilany, ny fitandremany hiaro an’ireo “informateur”-ny ireo.
  2744. Toa tsy nankasitrahan’ny manampahefana mihitsy mantsy ny fikarohan’ny vahiny (ary indrindra
  2745. moa izany frantsay, misionary katolika!) toy izany ny tantara sy ny fomban-drazantsika ary
  2746. torak’izany koa ny manam-pahaizana maro izay saro-piaro hatrany momba ny fampahafantarana
  2747. ny “identity”-ntsika manokana. Hany ka voatery “niafinafina” angaha i Callet ary ny natontany
  2748. printy voalohany tamin’ny TA (1873) ohatra dia eo amin’ny 40 ex. eo ho eo fotsiny, natao
  2749. indrindra indrindra ho an’ny Vazaha. Ary manondro sahady koa angamba izany fa, amin’ny maha-
  2750. misionary azy indrindra dia tsy ny ahamafy orina loatra ny “identity”-ntsika no nanosika an’i
  2751. Callet handray antsoratra toy izany ny tantaran-drazantsika fa kosa ny hanome fitaovana ho an’ireo
  2752. namany mba ahamora kokoa ny asany amin’ny fampivadihana antsika ho lasa katolika. Izany hoe
  2753. “sinibe” hanovozana fahalalana sy “arguments” hampaharesy lahatra antsika hanary ny fomba
  2754. fanao sasany sy ny finoan-drazantsika manokana no tena tanjony! Ivelan’izany moa dia tsy
  2755. maintsy eo koa ny faniriana hanangona “documents” ho an’ireo “malgachisants”, ary indrindra
  2756. Sarasara tsy ambaka (rakitry ny Zaikabe merina, 1997-1999)
  2757.  114
  2758. izany ireo Frantsay! Ka izany ohatra no anisan’ny antony nahatonga an’i Callet hampiasa an’io
  2759. fanorany somary hafahafa io izay azo atao hoe fomba fanaon’ireo misionary katolika manokana
  2760. angaha satria ny manam-pahaizana merina rehetra, manaraka ireo misionary protestanta, dia efa
  2761. manoratra sahala amin’ny mbola fanaontsika ankehitriny amin’ny ankapobeny. Azo hamarinina
  2762. tsara izany ohatra amin’ny famakiana ireo gazety toy ny Teny Soa, Ny Mpanolo-tsaina, ny Tantara
  2763. sy Fomban-drazana nataon-dRainandriamampandry tamin’izany fotoana izany.
  2764. Ka ny olana mipetraka amintsika ary izany ankehitriny dia ny fomba ahafahana tokoa mamantatra
  2765. ny tena dikan’ny soratry Callet sasany eo andaniny ary koa manavaka izay sombiny nadikany
  2766. fotsiny, izany hoe ny tao anatin’ireo “manuscrits” nampiasainy sy ny “fandravonana” manokana
  2767. nataony eo ankilany. Na tsy manome ny heviny mivantana (mahalana dia mahalana izy raha sendra
  2768. manao izany!) aza mantsy izy dia toa tsy nifaly koa nandika fotsiny ny ao anatin’ireo “manuscrits”
  2769. naseho azy. Ary maika moa raha toa ka avy amin’ny fandraisana an-tsoratra ny voalazan’ireo
  2770. “informateur” no loharanom-pahalalany. Ka ny fanontaniana azo apetraka ary dia hoe, tena toy ireo
  2771. voasorany ireo tokoa ve ny zavatra nolazaina taminy? Ary sao kosa, na dia hoe tsy nahy aza,
  2772. novainy araka ny fomba fahazoany azy (izay angamba izany tsy tena lavorary loatra!) ny resaka,
  2773. sahala amin’ny efa nanovainy indrindra koa ny fomba fanoratra sasany. Sady izay moa hita tokoa fa
  2774. indraindray dia tena votsavotsa diso tafahoatra ny fehinteniny, na koa ny fanorany ny anarana na ny
  2775. fiteny maro izay miovaova endrika izany. Hany ka manambara angamba izany fa na ho azy
  2776. manokana aza dia misafotofoto indraindray ny resaka ary tsy tena takany akory ny dikan’ny zavatra
  2777. soratany sasany izay tsy maintsy “haravony” anefa, izany hoe hanaovany “interprétation” araka izay
  2778. azony atao. Na izany aza anefa, tsy maintsy mailo hatrany isika satria mety koa indraindray isika no
  2779. tsy mahazo ilay resaka na koa tsy zatra loatra intsony amin’ny fomba fiteny tamin’izany fotoana.
  2780. Sady izay moa na dia tsy maro loatra araka ny ahiana aza dia eo koa ireo voambolana efa tsy miasa
  2781. intsony ankehitriny ka sarotra fantarina ny tena dikany marina.
  2782. Ka raha fintinina ary izany dia toy izao angaha no zavatra tokony ataontsika an-tsaina hatrany
  2783. rehefa mamaky sy mandika ny TA isika.
  2784. Voalohany indrindra aloha dia tsy “boky masina” akory io ary ny voalaza rehetra ao dia efa
  2785. nandalo tamin’ny fandikan’ny vazaha iray izay tsy voatery nahatakatra tanteraka ny dikany zavatra
  2786. nadikany na koa nanaja araka ny azo antenaina ny tena voalazan’ireo loharanom- pahalalany, na
  2787. “manuscrit” izany na tantara am-bava mivantana. Noho izany dia tsy tokony ho “complexé” loatra
  2788. isika manoloana azy. Sady izay moa tsara ampahatsiahivina ihany koa fa sombin’ny lovan-
  2789. tsofintsika fotsiny sendra azon’i Callet io ary tsy voatery mitaratra ny tena marina, ary maika moa
  2790. ny fitambaran’ny fomba sy ny tantaran’ny Ntaolo. Hany ka tokony tsy hanaitra ary tena ilaina
  2791. karohina mihitsy ny filazana tranainy hafa hanaovana fampitahana. Ary tsy ferana izay fahalalana
  2792. mety mbola ho azo amin’ny fitadiavana ny tahirim-pianakaviana tafajanona mandraka ankehitriny
  2793. sy ny ho avoakan’ny arkeolojia ohatra.
  2794. Ny faharoa dia tena lovan-drazantsika tanteraka ny voatatitra ao, avy amin’ny fitantaran’ny
  2795. olona fahiny avy amin’ny firenentsika. Ka sady hisaorana i Callet nanangona sy nitatitra azy no
  2796. tokony hampalahelo koa ny “fanelanelanany” ka tsy maintsy hitadiavana hevitra ny fomba
  2797. hampiatahana azy mba ahafahana manatona mivantana ny tena fitantaran’ireo olontsika. Ny olana
  2798. izany dia sarotra dia sarotra ny manao io “fanavahana” io satria na ny safidy izay filazana
  2799. napetrany aza dia efa andraikitry Callet manokana. Hany ka azo hinoana ohatra fa maro be ny
  2800. resaka tsy noraisin’i Callet satria na tsy takany tsotra izao, na mety noheveriny koa fa tsy zava-
  2801. dehibe. Izy tenany anefa izany tsy tena azo antoka tanteraka akory ny fahalalany!...
  2802. Ny fahatelo dia ny tanjona tokony tsy adinontsika. Izany hoe tsy fanarenana “soratra masina”
  2803. akory no atao fa kosa fandraisana indray ny tena lovan-drazantsika. Ary tsy hoe ho soan’ny
  2804. “siansa” ihany fa koa mba hanampy antsika ahafantatra be be kokoa ny hafatry ny Ntaolo. Ary
  2805. noho izany indrindra ary no tokony hanavaozana ny fomba fanoratra sy ny fampisehoana indray
  2806. an’io rakitra io mba ahamora ny famakiana azy ho an’ny taranaka ankehitriny. Na izany aza anefa,
  2807. Sarasara tsy ambaka (rakitry ny Zaikabe merina, 1997-1999)
  2808.  115
  2809. tsy maintsy mitandrina hatrany koa isika sao isika indray no lasa manova tanteraka ny voalazan’ny
  2810. Ntaolo araka ny filantsika, na koa ny tsy fahafantarantsika manokana. Ka ny tokony hatao ary dia
  2811. ny manavao ny fanoratra ary koa manitsy izay hita miharihary fa diso. Ny hanitry ny “style”
  2812. tranainy (izay antenaina ary fa tsy maneho indrindra indrindra ny fahavotsavotsan’i Callet!) anefa
  2813. dia tsara tazomina ary toy izany koa ireo voambolana tsy fampiasa intsony izay ho antsika dia tena
  2814. haren-teny tsara tehirizina ny fahafantarana azy.
  2815. Izany hoe sady mirakitra lova sarobidy no fitaovana ilaina ampiasaina ho an’ny filana
  2816. ankehitriny ho antsika io boky io! Ka isika irery no tompon’andraikitra amin’ny fomba hisavana
  2817. sy hanavaozana azy. Ny tanjona ary izany dia izay fomba hanaovana, sady asa “siantifika” (tsy hoe
  2818. noho ny fitazanan’ireo mpikaroka tantara ihany fa koa io no metody mahomby indrindra, no
  2819. mitsimbina rahateo ny fitohizan’ny fikarohana amin’ny hoavy!) no asa miteraka vokatra tonga dia
  2820. ahitan’ny taranaka ankehitriny tombontsoa.
  2821. Ka hita amin’izany koa ary ny tena mahasarotra ilay asa. Hany ka tokony ahafantatra avy hatrany
  2822. isika fa mbola santatra ihany no ataontsika izao ary amin’ny manaraka dia tsy maintsy mbola
  2823. hotohizan’ireo manam-pahaizana merina ny fandalinana sy fanitsiana ny mety ho vitantsika. Ary azo
  2824. lazaina mihitsy aza fa na io asa “fanavahana” ny tena voalazan’ny Ntaolo sy ny “fandikan”’ i Callet
  2825. io fotsiny aza dia efa ampy hinana ny fotoanan’ny mpikaroka maro mandritra ny fotoana ela
  2826. rahampitso. Ka ivelan’ny fahafantaran-tsika manokana dia ny famonomana ny fitaovana mba
  2827. ahamora kokoa ny asa ary izany no ataontsika ankehitiny.
  2828. Izay indray ary aloha fa ho hita tsikelikely eny ihany ny lafin-javatra hafa.
  2829. Tefy.
  2830. Sarasara tsy ambaka (rakitry ny Zaikabe merina, 1997-1999)
  2831. 116
  2832. [Imerina, 30 Mey 1998]
  2833. Sarasara tsy ambaka isika mianakavy!
  2834. Te hiverina kely amin’ilay resaka farany naroson’i P.R. momba ny tokony hanontana boky
  2835. fanabeazana aho, ary indrindra moa izany ireo miresaka momba ny tantara sy ny fomban-drazana.
  2836. Ny mikasika ny fanavaozana ny TA moa izany dia efa mazava, ary toy izany koa ny momba ilay
  2837. “synthèse” kely kasaiko tanterahina. Ivelan’izany anefa, rehefa lasa tokoa ny eritreritro dia hoy aho
  2838. hoe, fa mba manahoana koa moa raha toa ka andramana averina hatonta indray ny sasany amin’ireo
  2839. asa-soratry ny manam-pahaizana merina maro taloha ireo? Rehefa mandinika kely ny tantaran’ny
  2840. fivelaran’ny kolontsain-tsika mantsy dia mahatsikaritra avy hatrany fa talohan’ny taona 1947 ohatra
  2841. (izay miseho indray eto ny maha vanim-potoana lehibe azy eo amin’ny tantarantsika, mifanojo
  2842. indrindra indrindra amin’ny fiantombohan’ny tena fikororosana any amin’ny tevana!) dia maro dia
  2843. maro raha oharina amin’ny isan’ny mponina sy ny fahasarotam-piainana ny isan’ireo mpanoratra
  2844. nanan-talenta. Ireo poety sy mpanao lahatsoratra moa dia tsy ilaina tanisaina akory (Tselatra-Rajaonah,
  2845. ______1828
  2846. 1810___/
  2847.  \__1835
  2848. \_______1861
  2849. \1863__ 1869
  2850. \____1885
  2851. \_1896
  2852. \_1915
  2853. \
  2854. \__1947
  2855. \
  2856. \
  2857. \1972_1975
  2858. \
  2859. !
  2860. ! 1991
  2861. \ 1995 2000???
  2862. ?____/
  2863. Ravelojaona, Rabearivelo, Ratany, Ny Avana, sns.) kanefa eo koa ny fikarohana sy ny fanoratana
  2864. momba ny tantara (Rasamimanana, Rainitovo, Rasamuel, Dama-Ntsoha, sns.) izay na dia somary
  2865. mbola mijabajaba izany aza amin’ny “metody” sy ny foto-pahalalana dia tena maneho tokoa
  2866. fikelezan’aina ahafantatra sy hampahafantatra. Hany ka raha oharina amin’ny ankehitriny aza izay,
  2867. ara-teoria dia fotoana mba ahitana ihany koa merina maro nahavita fianarana ambony dia tena
  2868. miseho toy ny “fotoana volamena” ho antsika io talohan’ny taona 1947 io. Misy manam-pahaizana
  2869. angamba eo amintsika ankehitriny fa, na tsy manan-kolazaina izy satria tsy mifanentana amin’ny
  2870. ilain’ny firenena ny ventin’ny nampianarina azy, na efa “maty fanahy” tsotra izao ka tsy mahatoky
  2871. ary tsy miraharaha na inona na inona intsony! Ny hany vavan’ny maro ary ohatra dia hoe, “izahay
  2872. tsy tia politika”, na koa: “ny anay ny bizinisy ihany aloha!...”. Kanefa moa ny vokany dia izao
  2873. iaraha-mahita izao ihany: ny fahefana lasan’ny hafa ary voatery tsy maintsy zakaina hatrany ny
  2874. Sarasara tsy ambaka (rakitry ny Zaikabe merina, 1997-1999)
  2875.  117
  2876. onjany, ny “bizinisy” kasaina atao toa tsy nitondra nankaiza akory. Ny hany niafaran-tsika ary dia
  2877. ny mivelombelona samy maka ho azy eny rehetra eny ihany, miara-manatrika amin’ny tanana
  2878. miravoravo ny fahapotehan’ny firenentsika sy ireo lovan-drazantsika manontolo!
  2879. Ka noho izany dia ataoko fa mety hanaitra ny mason’ny be sy ny maro ny mahatsikaritra indray
  2880. ny tena asa vitan’ireo raiamandrenintsika taloha ireo, na dia hoe mba ahitana fotsiny aza ny
  2881. halalin’ny “décadence”-ntsika ankehitriny. Fantatro fa maro amin’ireo boky ireo no efa
  2882. navoakan’ny misiona katolika an’Ambozontany (Fianarantsoa) kanefa ataoko fa anjarantsika no
  2883. tena manao izany, manaraka ny fiheverana tena merina ary mikendry koa indrindra indrindra ny
  2884. tombontsoan’ny Merina. Mazava loatra mantsy fa ny fiheverana (ary koa ny olona, raha tsy ny
  2885. vola entina manatanteraka!) ao ambadik’io edisiona io dia tsy miraharahaa mihitsy izay mety
  2886. hanjo ny Merina fa “récupération” ho an’ny tombontsoan-dry zareo manokana no hany kinendriny.
  2887. Hany ka na noho izany fotsiny ihany aza dia tena adidy ho antsika ny “manafaka” ny asa-
  2888. soratr’ireo raiamandreny manan- talenta fahiny tsy ho eo ampelan-tanan-dry zareo!
  2889. Ny mampieritreritra ahy fotsiny dia ny olana “matériel”. Mazava loatra mantsy izany fa na
  2890. dia hoe hividy boky (sy gazety!) fotsiny aza dia efa lasa zava-tsarotra ho an’ny ankamarohan’ny
  2891. olona. Tsy hoe anefa noho ny fahantrana loatra araka ny tonga dia miserana ao an-tsaina fa kosa
  2892. ny fiheverana fa tsy zava-dehibe intsony izany. Hany ka aleony mividy akanjo lafo “à la mode” na
  2893. koa fialam-boly sy fanehoana avy aty ivelany “fahombiazana” ara-tsosialy toy izay hividy boky.
  2894. Na izany aza anefa dia mbola mijanona hatrany ho fitaovana sarobidy sarotra soloina ny boky
  2895. aman-gazety hampitana sy hanovozana fahalalana. Ka ny tena ahitana indrindra an’izany dia ny
  2896. fijerevana ohatra ny miseho any amin’ireo tany efa faran’izay “mandroso” ara-teknika ary tsy
  2897. ory sarimihetsika sy video na kompio mihitsy sahala amin’i Japana na ireo firenena skandinavy
  2898. izay voalohany indrindra koa amin’ny famakiana boky sy gazety. Raha izany, na dia hoe ilaina
  2899. ampiasaina indrindra hatrany koa aza ny fitaovana hafa toy ny radio sy ny TV, video, ary aoriana
  2900. kely ho an’ny be sy ny maro, ny kompio sy ny CD-Rom dia tsy tokony atao ambanin-javatra
  2901. mihitsy ny fanaovam-boky.
  2902. Ka ny fanontaniana mipetraka ary dia hoe ahoana no fomba hisarihana indray ny olona hamaky
  2903. boky amin’izao andro maha be fahasairanana ara-bola izao? Ny valiny azo omena avy hatrany dia
  2904. mora ihany: ny fikarakarana boky sady taka-bola no tena mirakitra zava-baovao mahaliana olona
  2905. maro, izany hoe afaka mifampitaha ohatra amin’ireo boky amin’ny teny vahiny avy aty ivelany. Hoy
  2906. kely koa mantsy aho hoe matoa tsy manana “prestige” intsony ny ankamaroan’ny boky avoakan’ireo
  2907. havantsika mbola mikiry manoratra amin’ny tenin-drazana dia angamba koa ny tena antony dia ny
  2908. hamaivan’ny zavatra voalaza tsotra izao! Sady izay moa izay mba nahavita fiofanana moderina ka
  2909. mamoaka ny “thèse”-ny ohatra dia aleony lavitra mamela azy amin’ny teny vahiny ahazoany
  2910. “prestige” kokoa toy izay handika azy ho an’ny sarababem-bahoaka aty an-tanindrazana. Manaraka
  2911. izany dia eo koa ny endrika fampisehoana aty ivelan’ny boky izay noho ny haratsiny dia
  2912. mampanambany mora fotsiny ny olona somary “snob” rehetra, izany hoe ny ankamaroan’ny
  2913. “petits bourgeois” te “hizihitra” tsotra izao! Marina fa ny tena anton’io voalohany dia ny tsy
  2914. fahombiazan’ny fitaovana ampiasaina sy ny mba ahamora indrindra hatrany ny saran’ny fanontana
  2915. kanefa na izany aza dia ataoko fa raha tena kojakojaina kokoa amin’ny fomba fanao tena “pro”
  2916. (ary indrindra moa izany ho antsika efa manana kompio afaka mampiasa “traitement de texte” sy
  2917. “PAO”!) dia mba hiatsara lavitra kokoa noho ny fahita mahazatra ny vokatra azo.
  2918. Ny tena mety hisarika indrindra ny olona hamaky boky anefa dia mbola ny fanairana azy
  2919. handray andraikitra amin’ny raharaham-pirenena ihany. Izany hoe, ny fitaomana azy tsotra izao
  2920. “hitolona” amin’ny alalan’ny fikambanana isan-karazany, na koperativa izany, na antoko politika
  2921. na koa fikambanana sosialy sy miandraikitra kolon-tsaina. Fantatra koa anefa fa tsy ho voataona
  2922. amin’izany mihitsy ny ankamaroan’ny olona raha toa ka tsy tsapany fa tena ahitany tombony
  2923. mazava amin’ny fiainany andavanandro ny fandraisana anjara amin’ilay fikambanana, izany hoe
  2924. fahalalana, fahafantarana olona, fifanampiana sy firaisankina manoloana ny tahotra ny any ivelany,
  2925. Sarasara tsy ambaka (rakitry ny Zaikabe merina, 1997-1999)
  2926.  118
  2927. fihavanan’ny samy miombon-kevitra, sns. Ka ho antsika ary, ny simenitra voalohany tokony
  2928. hampiray ireo olona ireo dia tsy inona akory fa ny fahatsapan-tena ho samy merina tsotra izao; ny
  2929. fireharehana amin’izany, ny fiheverana fa firenena manana ny maha-izy azy manokana ary afaka
  2930. mibanjina ny ho avy amin-pitokisana ny Merina raha toa ka mahay mifanampy sy miray hina!
  2931. Raha tanteraka ireo dia ho vetivety foana dia hijoro sy hiamafy orina hatrany ny firenentsika ka
  2932. tsy ho ela dia hiroborobo indray ny lahatsoratra sy ny fanehoana ny kolontsaina merina, na
  2933. amin’ny alalan’ny boky izany na koa amin’ny hira, sarimihetsika, sns.
  2934. Ny resaka hafa tiako hiverenana dia momba ireo “malgachisants”. Marina loatra mantsy izany
  2935. fa tena poizina tsotra izao ireo ary manana andraikitra goavana amin’ny fahapotehana ara-tsaina sy
  2936. ara-panahy ny firenentsika (izay misarika koa izany avy eo ny fitokongonan’ny toekarena sy ny
  2937. fahantrana!) izay hatramin’izao dia lasa donto tanteraka, tsy mahalala intsony na ny endrik’izy
  2938. tenany aza. Ary tsy hoe ireo malgachisants vazaha ihany no tokony hampangaina fa koa ireo
  2939. “auxiliaires indigènes”-ny tsy manan-kambara zavatra hafa ankoatra ny nampianarin’ny vazaha azy.
  2940. Na ny marimarina kokoa angaha, manampy trotraka indray ny vazaha amin’ny famingavingana ny
  2941. lovan-drazan’ny tena manokana mba hisehoana ho “siantifika” eo imason’ny vahiny tompony; ary
  2942. ivelan’izany dia mamitaka koa ireo mpiray tanindrazana aminy izay noho ry zareo dia lasa
  2943. mihevitra fa tena marina tanteraka ny fampianaran’ny vazaha momba antsika, izany hoe fota-
  2944. mainty malgache isika ary mendrika tsotra izao ny ho ringana!
  2945. Na izany aza anefa ataoko koa fa efa manomboka tena tapitra ankehitriny ny andron’ireo
  2946. karazan’olona rehetra ireo ka tsy tokony ho raharahiana loatra intsony ny momba azy! Sahala
  2947. amin-dry Verin sy ry Domenichini, ary koa angaha izany ry Raison (?), ny ankamaroan’Ireo
  2948. Vazaha mihambo ho manam-pahaizana momba antsika mantsy ankehitriny dia efa madiva
  2949. hilentika any an-davaka daholo ary ireo mpandimby azy dia toa tsy hita loatra izay tena lanjany
  2950. (izay antenaiko indrindra ary fa ho faran’izay maivana hatrany miohatra amin’ireo mpikaroka
  2951. merina ho avy!). Ary toy izany koa ireo mpianany sy mpanotrona azy teratany izay miharihary fa
  2952. tsy manan-kambara mankaiza ary mifaly mizihitra kely amin’ny fampiderana fahakingana
  2953. “teknika” fotsiny mba hisehoana ho “savant” ahamora ny “carrière”-ny! Izany hoe tena miha-
  2954. malalaka tsotra izao ankehitriny ny sehatra ary miandry olona sahy mijoro sy manambara hevi-
  2955. baovao mifanentana kokoa amin’ny fiovan’ny toe-draharaha.
  2956. Noho izany dia anjarantsika tsotra izao ankehitriny no mivonona (na farafaharatsiny,
  2957. mamonona ny “condition” ilaina!) mba hanolo an’ireo karazana olona ireo sy ny asany,1 rehefa
  2958. tafaverina tokoa ny fahaleovantenan’ny firenena merina. Mazava loatra mantsy fa tsy maintsy
  2959. havaozina tanteraka ankehitriny ny fampianarana ny tantaram-pirenentsika (sy ny fandinihina ny
  2960. kolontsain-tsika manontolo mihitsy, amin’ny alalan’ny fitarafana azy amin’ny hazavana avy
  2961. amin’ny “fijery nusantara”!) na any amin’ny oniversity izany na any amin’ny sekoly fanabeazana
  2962. any amin’ny ambaratonga ambany. Ary io antony io koa no tsy maintsy hikarakarana dieny izao
  2963. boky misava lalana mba ahamora rahampitso ny fanamboarana “manuel”.
  2964. Ka raha izany ary, ny tena mamosavy eo amin’ireo mpanageja ny sain-tsika dia tsy ireo
  2965. “malgachisants” loatra intsony fa kosa ny fiainana ara-kolontsaina voizin’ny fifandraisana amin’i
  2966. Frantsa sy ny fampiasana ny fiteniny. Hany ka noho io indrindra ohatra matoa lasa faran’izay kanosa
  2967. ara-pisainana ankehitriny ny ankamaroan’ireo havantsika. Aiza ve, na ny fandorana an’Anatirova
  2968. aza izany tsy mbola ampy hampitraotra an-dry zareo akory! Ka inona raha izany fa tsy efa tena maty
  2969. 1
  2970.  Amin’ny filazana hafa, tokony ho heverina tsotra izao toy ny lafin’ny fanjanahantany mbola zakaintsika manoloana
  2971. ny Vazaha ny “occupation bibliographique”. Hany ka tena adidy masina mihitsy ny fanesorana tsikelikely araka izay azo
  2972. atao ireo anaram-bazaha (ary vahiny amin’ny ankapobeny izay tsy ilaina mitsabaka intsony amin’ny raharahantsika
  2973. manokana!) manenika tanteraka ny boky sy firesahana rehetra momba antsika, indrindra izany mikasika ny tantara sy ny
  2974. kolontsaina. Ny hany fomba ahafahana manao tokoa an’izany anefa dia ny fanoloana ny asan-dry zareo amin’ny asa
  2975. mendrika kokoa (amin’ny teny merina, anglisy sy melayu!), avy amin’ireo manam-pahaizantsika. Izay tsy tokony ho
  2976. sarotra loatra akory raha mahay misaina irery sy mijery amin’ny masontsika amin’izay tokoa isika...
  2977. Sarasara tsy ambaka (rakitry ny Zaikabe merina, 1997-1999)
  2978.  119
  2979. fanahy tsotra izao! Sady izay tsy mba hoe afaka manazava ny antony tsy hihetsehany akory fa mifaly
  2980. midongy sy manao “mody maty” fotsiny ihany ary zara raha sahy miloa-bava kely ny sasany
  2981. amin’ny fanaovana ala-safay mivembena hoe “manameloka rasisma” hono izy! Ka ny “rasisma” eto
  2982. dia izay mety ho fihetsehana amin’ny maha merina rehetra tsotra izao. Ratsy ny “rasisma” satria
  2983. heloin’ny vazaha kanefa satria tsy misy zavatra hafa na ninona na inona azo atao dia aleo mangina
  2984. tsotra izao, mitazam-potsiny ary manandrana manadino izay mety ho adidy rehetra amin’ny
  2985. fitadiavana karama na manao “afera” kely mitsilopilopy any amin’ny takona any!
  2986. Amin’ny filazana hafa, ny tena fahavalo manakana ny ankamaroantsika ho tsy afa-mihetsika dia
  2987. ireo “antirasista” vazaha izay ankehitriny dia azo lazaina tsotra izao fa lasa tompon’ny fahefana ara-
  2988. kevitra eran-tany mihitsy. Hany ka lasa mihitsy ny eritreritro, izao andro iainantsika izao angamba
  2989. no andro mampatanjaka indrindra ny fampihorohoroana ara-tsaina teo amin’ireo Vazaha hatramin’ny
  2990. fiafaran’ny “moyen âge”! Noho ny “antirasisma” dia miverina ohatra ankehitriny eo amin’ny
  2991. firenena vazaha maro ny “délit d’opinion” miteraka avy hatrany fiampangana sy fanamelohana
  2992. manoloana ny tribonaly. Ary hatramin’ny fiheverana ny zava-niseho tamin’ny tantara aza dia tsy
  2993. malalaka intsony satria ohatra ny tsy fanekena avy hatrany fa devoly ireo Nazi ary maritiora madio
  2994. nampijaliana tsy an-drariny ny Jiosy dia helohin’ny lalana!1 Hany ka ny vokany dia ny fihorohorona
  2995. ara-tsaina tsotra izao. Lasa mpiatsara velatsihy tsy sahy miresaka momba ny firazanana (ary
  2996. indraindray sahy milaza mihitsy fa “tsy misy” hono izany firazanana manokana afaka mampiavaka
  2997. ny olombelona izany!) intsony ny ankamaroan’ny Vazaha satria matahotra ny ho ampangaina ho
  2998. “rasista”. Ireo “media” rehetra (izay maro aminy rahateo, indrindra moa ireo tena “lehibe”, no eo
  2999. ampelatanan’ny Jiosy!) moa dia tsy mitsahatra mively andro aman’alina fa ny heloka maharikoriko
  3000. sy mahamenatra indrindra satria mampiseho toetran-devoly sy hagaigena tsy fampiseho masoandro
  3001. dia ny “rasisma”, izany hoe ohatra ny fireharehana amin’ny fiaviana na ny firazanan’ny tena
  3002. manokana, raha tsy hoe mainty hoditra sy arabo na jiosy angaha ny tena.
  3003. Tsy mahagaga mihitsy ary raha toa ka matahotra tsotra izao ny hiseho ho merina ny
  3004. ankamaroan’ireo havantsika. Aminy, noho ny fanagejana ara-tsaina ataon’ny vazaha, ny manao
  3005. izany dia olona tsy maintsy “rasista” satria manipaka avy hatrany koa ny Mainty. Tsy hoe anefa
  3006. akory tia Mainty manokana ry zareo fa miatsara velatsiny, menatra ny mason’ny vazaha fotsiny
  3007. ihany izay mitazana azy hatrany ao an-dohany ao! Noho izany dia tsy sahiny koa ny tena mijoro
  3008. manameloka antsika ary aleony aloha mangina, mitampify mitazana. Izany no mahatonga ahy hino
  3009. tanteraka fa na tena mbola vitsy aza isika dia tonga dia misolotena avy hatrany ny ankamaroan’ny
  3010. mpiray firenena amintsika! Ka raha toa ohatra isika leo ka mangina tokoa, na ireo mody tsy taitra
  3011. na manameloka ireo aza dia tsy maintsy hivarahontsana sy halahelo satria ny tena antenainy dia ny
  3012. aharetan-tsika mba ahafahany manaraka any aoriana any! Mila porofo ireo fa marina ny antsika
  3013. ary tena mpialoha lalana afaka mitondra any amin’ny fandresena isika. Raha andramana ambara
  3014. amin’ny fitenin-dry Faratay dia azo atao hoe: “Il nous faut vaincre pour convaincre!”.
  3015. Ka izany no tokony tsy ahalefitra antsika mihitsy na inon-kidona na inon-kitranga! Ary raha tsy
  3016. mahomby ny fomba nentin-mijoro iray dia tokony tadiavina izay fomba hafa. Ny tanjona dia ny
  3017. ahafahana mijoro sy mitohy mandroso hatrany! Ary matoky koa fa na ho ela na ho faingana dia tsy
  3018. maintsy ho tody amin’ny fandresena ihany, izany hoe ny fiarenan’ny firenentsika mba ho velona
  3019. tsotra izao.
  3020. Ka dia izay indray ary fa mbola ho hita eo ihany ny tohiny.
  3021. Tefy.
  3022. 1
  3023.  Sahala amin’ny ohatra omen’ny lalana Fabius-Gayssot, nivoaka tany Frantsa tamin’ny 1990, mba hanakanana
  3024. amin’ny fomba rehetra ireo “revisionista” ho tsy afa-miteny malalaka intsony. Lalàna nivoaka indrindra ary noho ny
  3025. faneren’ireo fikambanana jiosy (LICRA, MRAP, Ligue des Droits de l’Homme, sns.) rehefa tonga saina tokoa ry
  3026. zareo fa tsy afaka hifanatrika ara-kevitra mandrakizay amin’ireo revisionista manelingelina ny fanjakazakany. Avy eo
  3027. moa dia nanaraka an’i Frantsa amin’io lalana io koa ny firenena eropeana maro.
  3028. Sarasara tsy ambaka (rakitry ny Zaikabe merina, 1997-1999)
  3029. 120
  3030. [Imerina, faha-5 Jona 1998]
  3031. Sarasara tsy ambaka ny mpizaika rehetra!
  3032. Somary nangingina izany daholo isika rehetra faraparan’izay, ataoko fa angamba noho ny
  3033. fahasairanana satria moa madiva ho tapitra koa ity ny taom-pianarana ka mibanjina amin’ny
  3034. fikarakarana ny “mémoire” sy ny “thèse” angaha ny sasany amintsika mbola mamarana fianarana.
  3035. Sady izay moa mazava koa izany fa ny vokatr’ilay raharaha tany an-tanana dia tena nanorisory ny
  3036. maro ka aleo aloha naka saina kely indray. Ny lalana anefa moa tsy maintsy tohizana ihany ary
  3037. sahala amin’ny efa nampahatsiahivin’i José, tsy indray mandeha akory no manta vary ka
  3038. handevin-tsotro be! Sady izay moa ny ahy averiko ihany fa mbola santatra ihany iny raharaha iny
  3039. ka toa tsy hita loatra izay tena lesona azo raisina momba azy no isika rahateo miharihary fa tsy
  3040. mbola vonona velively ary nanao izay vita amin’ny vonjy maika fotsiny ihany. Ka alohany
  3041. hitorovaka amin’ny tsy antony dia aleo afantoka amin’ny zavatra “positif” kokoa ny saina,
  3042. hikarakarana milamina ny hoavy.
  3043. Ary amin’io lafiny io dia azo lazaina fa tokony hilamindamina kokoa mihitsy aza ny saintsika
  3044. satria ataoko fa tapitra angamba ankehitriny ny fanerena hihazakazaka sahala amin’ny
  3045. hatramin’izay. Ny hany “échéance” politika andrasana mantsy izany dia ny fikarakarana ilay
  3046. “antenimieram-paritany” izay tsy mbola fantatra akory anefa, na ny endrika ho raisiny na ny
  3047. fahefana ho azony na ny fepetra momba ny fandraisana anjara amin’ny “fifaninanana”. Ka
  3048. mandra-piandry ary dia afaka mibanjina malalaka resaka “maharitra” kokoa amin’izay isika, izay
  3049. tsy inona ary indrindra indrindra fa ny famolavolana tsangan-kevitra (ary ao anatin’izany koa
  3050. anefa ny politika, antoky ny fahazoana fahefana manatanteraka tokoa ny asa kasaina rehetra!) sy
  3051. ny momba ny kolontsaina.
  3052. Ka momba ny antony mahatonga ny olona tsy hiraiky loatra amin’ny kolontsaina nentin-
  3053. drazana, ary indrindra izany amin’ny fividianana boky ohatra ary dia mazava fa, amin’ny
  3054. ankapobeny dia azo lazaina fa somary “pretexte” ihany ilay hoe “tsy fananana”. Ny tena marina
  3055. mantsy dia ny tsy firaharahiana tsotra izao satria efa voapepo tanteraka fa tsy misy afatsy ny an’ny
  3056. vazaha no misy vidiny. Sady izay moa eo rahateo izany ny tsy fahafantarana mazava ny momba
  3057. ireo antsika manokana. Hita tsara izany ohatra amin’ny filazana rehetra momba ny zavatra “gasy”
  3058. (izany hoe ny an’ny “teratany” araka ny fijery vazaha na miohatra amin’ny nentiny sy ny
  3059. fampianarany!) izay toa ratsiratsy kely na “botry” izany foana. Ny hany zavatra voalaza fa “gasy”
  3060. mba hankafizin’ny olona angamba dia ny sakafo sasany tena matsiro ho antsika ary heverintsika fa
  3061. mba antsika tanteraka, toy ny “saosisy gasy”, “mofo gasy”, sns.
  3062. Noho izany, ny zavatra maika voalohany dia ny i-“réhabiliter”-na eo imason’ny sarababem-
  3063. bahoaka fa manana ny hasiny manokana sy ny tena mba mahatsara azy koa ny antsika ary rehefa
  3064. halalinina tokoa dia tsy mena-mitahy velively amin’ny an’ny hafa. Ary amin’izany ary dia tokony
  3065. handray andraikitra lehibe ireo nahavita fianarana ambony, izany hoe mahafantatra tsara koa ny
  3066. fanao moderina sy momba ny vahiny aty ivelany ka afaka mijoro ho vavolombelona azo hatokisana
  3067. fa mba mendrika koa ny antsika manokana. Matetika mantsy dia ireo olona “antenantenany” aty an-
  3068. tanana no tena mora manaratsy avy hatrany ny lovan-drazantsika izay sady tsy fantany loatra intsony
  3069. no “idealiser”- ny rahateo koa ny aty ivelany, mazana tsy mbola niainany mivantana.
  3070. Ka ny fanontaniana ary dia hoe: ahoana eo andaniny no fomba hanairana tokoa ireo “avara-pi”
  3071. hijoro ho merina ary, eo ankilany, inona no azo atao mba hampirehareha ny sarababen’ny olona
  3072. amin’ny lovan-drazany manokana?
  3073. Amiko, ny valiny indrindra indrindra dia ny famelarana hatrany tsangan-kevitra lalina afaka
  3074. aharesy lahatra ireo mpanohitra izay fantatra fa tsy manana loatra hevitra manokana akory ka
  3075. miankin-doha amin’ny vazaha fotsiny. Izany hoe mampiseho tsotra izao fa marina noho ny filaza
  3076. mahazatran’ny Vazaha izany ny ambarantsika! Ka izany indrindra ohatra no ilana ny hampisehoana
  3077. ny toetra ratsin’ny vazaha rehetra, tsy hoe eo anivon’ny fiainana andavanandro ankehitriny loatra fa
RAW Paste Data
We use cookies for various purposes including analytics. By continuing to use Pastebin, you agree to our use of cookies as described in the Cookies Policy. OK, I Understand
 
Top